Ny vinanto vavy sy rafozambavy!!

1. ainaheri ( 09/07/2005 02:27)
inona no antony tsy mampifanaraka azy reo fona?
iza no tena fositra??
novalian'i fijo ny 10/08/2005 22:11
2. dadabe ( 09/07/2005 03:49)
efa voalazan'ny soratra masina anie zany e,tsika olombelona mpanatanteraka fotsiny
3. xxx ( 09/07/2005 10:42)
Saro-piaro @ zanany lahy ny rafozam-bavy satria fon-dreny izy, ary mety hoe toe-tsaina tsy mifinaraka koa io, tokony hisy anefa ny marimaritra iraisana satria fitiavana samy mbola novolena taty aoriana daholo ireo fa tsy efa ao anaty akory.
4. JobeTDM ( 09/07/2005 10:57)
Manque de niveau d'instruction. De Savoir vivre et de savoir faire. Ce problème ne se pose pas si la première ou la seconde atteignent un niveau intellectuel élevé.

Que les deux soient bien instruites ! Et le ciel est toujours bleu.

:-* Cla
5. fasaly ( 09/07/2005 11:00)
matetika lay reninadranjazazalahy mbola te hibaiko sy hintondra ny lohan'i zanany lahy foana de na efa manambady aza de mbola izay ihany ka izay no tena tsy zakan'ny vinanto vavy e! indrindra lay antsoina hoe fils à maman irony.
6. zakilinina ( 09/07/2005 13:00)
JobeTDM > tsy misy ifandraisany anaka ny niveau intellectuel sy ny fahasarotam-piaro.
Ny fahasarotam-piaro dia vokatry ny fo ka mety ho lasibany avokoa na mahay na dondrona, na antitra na tanora, na vazaha na gasy sns.
7. xxx ( 09/07/2005 13:20)
Ka ilay lehilahy anie indraindray tiany hoe izay nataony mamany taminy no ataony aminao dia ilay rafozana koa mamporisika azy
8. mirabel ( 09/07/2005 17:57)
jobeTDM angaha mbola tsy mananambady sa tsy mbola nifamaly t@ rafozana h@ nanambadiana?? sa tena tsara rafozana be ?
9. fijo ( 09/07/2005 23:09)
jobeTDM an,rehefa samy nianatra be indray dia lasa ady tombotsoa le izy.
10. jhouhlambout ( 10/07/2005 10:05)
Ny tsotra dia miaina alavitra be fa tsy eo akaikin'ny fianakam's @ zay tsy misy olana @ iza sy iza
11. dadabe ( 10/07/2005 12:26)
zay de eo klou e:@:@
12. yonikafopl ( 10/07/2005 16:46)
tena mbola tsy manana rafozana za klouuu, fa raha ny fahitako ny zobavinay sy neninay tena mifankatia kleeee, ny any ampony any tsy hay fa ny hita sy taratra ety ivelany klouuu de mbola tsy nisy rahoraho eeeee:)
13. fasaly ( 10/07/2005 17:24)
ka tsy ho voatery ny rehetra anie le cas e! fa misy ny tena la guerre be kosa an! tsara rehefa mifankatia zany e!
14. dadabe ( 11/07/2005 04:13)
zay manko
15. sahouly ( 11/07/2005 10:37)
ainaheri:

inona no antony tsy mampifanaraka azy reo fona?
iza no tena fositra??



, io tsy misy hoe iza no fositra araka ny fiheverako azy fa resaka ady fitiavana , na ady toerana ilay izy, samy te hitana ny laharana voalohany satria ny reny mieritreritra fa zananay lahy io, izy no reniny ka mbola manam-pahefana @ fiainan'ilay zanany lahy, ny vady indray etsy an-daniny mihevitra fa vadiny io ka tokony hanana ny fahaleovan-tenany eo anatrehan'ny RR , ary @ maha vady azy dia izy no mitana ny laharana voalohany eo @ resaka fitiavana sy ny fiheverana izay mahamety io vady io sy ny tokantranony.
Ny marina izany dia ny tsy fahaiza mamaritra sy mandajalanja hoe hatraiza sy inona no tokony ho anjara toerako @ maha vady na @ maha reny ahy eo anatrehan'ialy lhl .
16. fasaly ( 11/07/2005 11:00)
sahouly:
ka matoa efa nanambady ilay zazalahy dia ny vady aloha no inonan-teny indrindra fa ny resaka ao antokantrano zany, fa lay reny anie de izay mintsy e"mère poule" be mintsy....fa anjaran'ilay bandy marina no mandalanjalanja azy.
17. mandrindra ( 11/07/2005 13:49)
raha tiana ny vady ny rafozana no tsinjovimandeha, fahaizan'ny andaniny sy ny ankilany mipetraka amin'ny toerana misy azy daholo io dia misosa ny fianana. Aza mamorona olana tsy misy, ary aza mijabaka any amin'izay tsy andraikitrao.
18. booboo ( 11/07/2005 14:36)
19. jhouhlambout ( 12/07/2005 13:13)
20. sahouly ( 12/07/2005 15:08)
mandrindra > ka zay mihitsy anie ilay izy e! fa mazana aloha ny zava-misy dia ny reny mbola te hikotrika ny zanany lahy fona e! dia teraka ny ady avy eo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1125