Fisarahana tsy tanteraka!!

1. ainaheri ( 08/07/2005 13:25)
Tsy niady tsy nifamono fa noho ny vava tsy zaka
no nahatonga andramatoakely nampiditra divorce
nefa efa misy zaza iray d tsy tapaka lay fa nifamerina indray t@ ora farany ilay leh no
namerina azy!! ny hevitrao lay kalakely v no te hisaraka sa misy lalana itany any??
novalian'i fijo ny 27/07/2005 21:10
2. jentilisa ( 08/07/2005 13:32)
tsy azoko mihitsy fa azavao tsara!
3. ainaheri ( 08/07/2005 13:54)
ok!!azafady fa tsy nanaramaso ny zvtr nosoratako aho!!
Tsy niady tsy nifamono izy mivady fa noho ny vava
tsy zaka teo @ fifamaliana no nahatonga andramatoa kely nampiditra divorce nefa efa niteraka izy 2,
noho ny elan'elana nataon'lay leh d tsy tapaka lay
izy fa nifamerina indray teo @ ora farany t@
fitsarana,satria lay kalakely nitondra hatr@ farany!!
Dia hoy aho we d noho izany v no idirana tribonaly mba tsara toetra kosa lay bandy ko
4. mishou ( 08/07/2005 13:55)
matoa aloha ilay kalakely amiko niverina de tsy resaka wa nahita lalana e. Fa notohizany foana io raha izany
Ilay vava tsy zaka, tsy voatery hamono ange no tsy zaka ny fanambadiana amiko e, fa raha za manokana de an'isan'izany, fa za angah ovy aminao no manaja anao de za ataonao fanasana vangy klé, lasa mitady sipa maivan-tsaiana sy maivava de mifanasà vangy fa ny ahy raha miaraka @ lélà aho de misy lanjany lehibe amiko ny vava, matoa aho mandefitra na tsy zakako aza, de izay koa notakiako fa tsy hoe rehefa mandefitra aho de ataonao tohatra fiakarana.
Marobe mihitsy ny olona no mihevitra fa ilay ianao tsy miteny iny midika fa alefaso foana fa mety, fa tsy mieritreritra hoe de ty za mahasahy manao toy izao an'ilay olona manaja ahy.
Ka ny fomba samy manana ny azy, misy ny olona vavàna, de mahatanty izy miainga eo, fa za manokana ohatra tsy izay, de ataovy an'izay ange fa de misaraka tokoa moa. Ary na tsy mahita aleha aza aho de lasa fa ho any fa ho any fa ny vava no zavatra tsy tantiko indrindra.
Na dia itony fiteny "ty" sy "tena" itony aza de tena mankarary ny foko mihitsy ary tsy zakako, izany olona miteny ratsy zany moa maiko de midika mhitsy fa mihevitra ahy ho "makorelina" na "vehivavy tsy misy fotony", ka za amiko manana ny lanjako de tsy miady @ pièces ko izany le be vava.
:-D:-P
5. ainaheri ( 08/07/2005 14:16)
D hisaraka amiko zany ndry mishou:cry:
6. radriana ( 08/07/2005 14:25)
Calme fotsiny mishou a, tsy mpisipa fotsiny anie no resahin'i Ainaheri fa mpivady avec zaza e, raha efa manana zaza kosa ve dia mbola hanao ambompo be hoatrizany ? sarotra anie no mahita leh hitia ny zanakao hotran'ny rainy avy eo e, na dia mafy ny vava, izaho tsy d'accord kosa hoe resaka vava tsy tsaroana avy @ fahatezerana ve no hanimbana tokantrano sy hanaovana divorce nefa ny ankizy efa misy. Samy mamoka vava tsy tsaroana daholo anie rehefa tezitra e, sa i mishou mahatandrina be ? Raha mamono indray aloha dia d'accord aleo mitsoaka satria tanàna zatra mamono dia tsy mijanona intsony ka sao ho faty ao vao mijaly ny zaza. Fa ny fanambadiana = fifandeferana ( sauf mpamono vady ihany no tsy izy ) Mila mifandefitra surtout rehefa misy ny zaza
7. fasaly ( 08/07/2005 14:58)
ka io lay tsy misaina alohan'ny hanao zavatra de manaonao foana fa entin'ny fo fotsiny, soa aza fa nifamerina, ko tsy tsara ndray ve zany!!!!
8. mishou ( 08/07/2005 17:25)
kay izany élà re ainaheri io bevava io?

De misaraka isika zany koa, ze hiombona indray any aoriana any no tsy hay, ny aloha atao mazava ny règles de jeu vao miaraka e, dikan'izany ze tsy manaja azy de mangataka divorce no dikany

:-D:-P
9. ainaheri ( 08/07/2005 22:12)
De aona ny kilonga zany!!
10. zandrikely ( 09/07/2005 09:13)
ny kilonga ry ainaheri no milamina volohany a , aleo misaraka fa na ny fahitan'ny kilonga hoe miady fona ny ao ambovo ao anie dia efa tsy mampilamina azy e , io vavava io mbola hihinana ny ,,,,,,@ io isika , nefa ra mangina ko dia hitsahan'dry l,,,,,,,, hatrany antamponodoha , aleo miteny ka
11. dadabe ( 09/07/2005 09:14)
zay anie ilay hoe hop an'ny mpifankatia dia tsy misy hafa tsy ny fifampiresahana milamina @ fo tony e,ka raha eo no manapakevitra dia sur zah fa fisarahana matotra ilay izy ,fa raha samy mbola tao anatin'ny fo mafana no nifampilaza fa hisaraka ,dia zah mino fa hisy fanenennana 100% any aoriana any .
12. xxx ( 09/07/2005 10:50)
efa nisy disadisa zany teo @ izy mivady fa teo vao tena tsy tantiny intsony d nampiditra izy, mafy nohon'ny daroana io vava io ka! ny ankabeazan'ny vehivavy d marary teny avokoa fa ny sasany fotsiny tsy miteny,fa manao am-po, efa b no vava vitan'ilay leh matoa toa izay no nataon'ilay veh, tsy midika anie hoe niteraka d tsy tokony hisaraka ê! zaza fito tsy mahafehy trano!rehefa tsy zaka tsy maintsy mandeha! tsy hambo-po izany fa fihainana!
13. fasaly ( 09/07/2005 11:06)
xxx:
ie marina izany, ndraindray tena tsy zaka lay vava, indrindra lay sady manambany sy mandàtsa tsy manisy valeur-ny ireny fa zà ndray au contraire, tsy be vava fa tonga de mandaroka de rehefa afaka ny fo de mifona amzany avy eo. de milamina ny raharaha.
14. jentilisa ( 09/07/2005 11:17)
Ilay izy na ahoana na ahoana adidin'ny ao amin'ny fitsarana ny mampihavana hatrany aloha. Izany maika hisaraka izany anie ka manimba be ny toe-tsain'ny ankizy ihany koa e! sitraponao nanambady azy ihany io. Matoa ùmivady dia tokony hahazaka izay rehetra momba azy indrindra fa amin'ny toetra ratsiny. Mahazo manohitra tsara ahy ianareo.
15. mishou ( 09/07/2005 15:54)
manimba toe-tsaina daholo na misaraka na miaina ao @fiainana feno tai-mbava sy latsalatsa na de tsy misy vono aza e
ny an'ny fitsarana mampiavana no asany, soa ihany aty france aty tsy hankanotany nanomboka 2005 ity izao, rehefa hivady ianao tsy fotorana koa hisaraka fotorana. Tsy misy adala akory eo, samy mahafantatra ny andaniny sy ny nakilany f tsy miady intsony fa raha azo hifandeferana ve de hisy adala eo hanao collection na vady. Tsy misy olona koa amiko maika hisaraka izany, tsy marina izany. Matoa miteraka de matotra ho azy, izay ilay hoe miteraha hahita:°):-P
16. fijo ( 09/07/2005 23:36)
ainaheri,ny sipa anie matetika maivan doha e.hany ka vava kely iny dia mahalasa azy lavitra.io izao no ohatra ko.
17. zefalah ( 11/07/2005 00:18)
fijo>>mifanaraka evitra sika amin'io
18. zefalah ( 11/07/2005 00:19)
fijo>>mifanaraka evitra sika amin'io
19. zefalah ( 11/07/2005 00:20)
soa iany fa tsy tanteraka...tokony hisaotra an'Andriamanitra izy roa kely fa tsy tateraka lay fisarahana !:D
20. ari.malala ( 11/07/2005 11:02)
fijo> efa nandanja anga elà?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1669