sao d mba tafahoatra loatra

1. ainaheri ( 07/07/2005 14:58)
Noho itony fivavahana tsy fantapototra itony d misy ny manaonao foana eny ekeko samy manana ny finoany fa raha diso tafahoatra ndray tsy lasa ka!!
Aiza ko fadina ny sakafo d raha mikarama ianao d ny 10% ny karamanao no omena lay mpampivavaka d hoy aho we azafady fa ra anaovana fanampiana sy ny karazany lay vola d manaiky aho fa ra we karaman'lay mpitandrina d azafady fa tsy miditra @ zany aho!!
tandremo iany ny fiangonana idiranao ary aza manaiky zay fandrebindrebeny
novalian'i johns ny 19/07/2005 07:22
2. kally ( 07/07/2005 15:09)
Aza mitsaratsara izay finoan'ny hafa loatra e! nahoana moa no ahasahianao avy dia milaza fa tsy fanta-pototra ny fivavahany?Ny fombafombany sy ny sisa raha izay no mahasambatra azy ahoanao inona? Aza mitady izay hahasambatra ny hafa fa izy ihany no mahalala izay hahasambatra azy.Raha nahatsiaro sambatra izy nanome ny 10% n'ny karamany? Tsy izay hahasambatra mo no katsahina??
3. bichette ( 07/07/2005 15:13)
ainaheri > angaha kosa moa ireny vola ireny dia tonga dia hoe karaman'ny mpitandrina :?::roll:, ao anatin'ireny hanaovana fanampiana, hanavaozana ny fiangonana, sns izay aloha raha ny tena marina fa marina koa fa misy manararaotra .... fa tsy ny rehetra kosa e
misaotra aloha amin'ny anatra hoe
tandremo iany ny fiangonana idiranao ary aza manaiky zay fandrebindrebeny


ainaheri, "anjaranao" ary "safidinao manokana" tsy "ankaterena" raha te hifady hanina ianao na tsia, raha manome ny 10% ianao na tsia , tsarovy anefa fa ilai'nolombelona ny mifady hanina au moins 1 repas par semaine hoy ny dokotera fa mahasalama hono.
aza adino anefa fa ao anaty baiboly ary fantatro fa fantatrao izany ilay resaka fifadina hanina sy ny 10%, eo amizay miankina am tsi1 1 . Misy zao miteny hoe raha tena tia an'Atra marina i ainaheri dia ary milaza fa kristianina mpanaradia an'i Kristy dia tsy tokony hiady hevitra amin'izany fa rehefa zay hoy ny baiboly dia na manaraka na tsia na manaiky na tsia na eny na tsia fa tsy misy eo antenantenany... misokatra ny ady hevitra ry zareo a
biz klou i ainaheri e
4. ainaheri ( 07/07/2005 15:24)
Ka aza mora miakatra mo ndry ry a! ady evitra io fa tsy fanerena an'iza tsy maintsy mamaly akory ary tsika tsa hifamaly fa hifanakalo evitra!!
ny momba ny 10% ndray d omena ny mpampivavaka mihitsy fa tsy alefa aiza zany le ankizvavy resahako
eto mpampianatra mandray 500000fmg d ny 50000fmg hono omena an'lay rangahy fa we karamany ny mamany hono mandray 1million d otr'zay ko d mba aona aminareo zany!!
5. bichette ( 07/07/2005 15:32)
ainaheri, azafady fa tsy azoko tsara ilay fanazavanao, maninona ilay ankizivady dia maninona tsara oe e :?:
6. kally ( 07/07/2005 16:14)
Tsy miakatra izany mihitsy aho fa mamaly tsotra ry aianheri a!Ary matoa namaly dia namoaka hevitra sa ohatr'ohatry ny mahery amin'i ainaheri angaha ilay fomba fanehoako hevitra se ahoana?:lol:
7. xxx ( 07/07/2005 16:39)
miombo-kevitra aminao za (100%)
Toy ny makany toamasina io;na fiara,na avion,na kalesy,toamasina no tanjona.
Tsy manaiky an'ilay hoe,tsy fata-pototra.
8. ainaheri ( 07/07/2005 18:20)
Ao ary fa azavaiko aminareo lay izy ee!!
Ankizivavy vavy lay izy niaranianatra t@ cousineko
tany dago izy 10taona lasa zay d lay cousineko mo nanohy ny fianarany taty d tsy nifankahita ntsony ry zareo t@zay lay ankizivavy mpiangona tsara tao @
katolika d zao izy zao nankaty andafy d mivantana ao @lay cousineko d ra mba aminao ary no sady tsy miantoka ianao no mametraka ny lalanan'ny fivavahanao ihany we za tsy mihinankisoa za tsy minan'orana tsy mihinana gana2 fa mitambatra hono ny tongony ny resaka sakafo aloha tsy mbola zay fa betsaka tsy ho ary voatanisa ary ny momba ny finoana ndray ny Andriamanitra hono tsy misy an'zany fa i Jesosy hono ny andriamaniny fa diso daholo ny katolika sy ny protestanta ireny ny baiboly tsy mitovy @ antsika fa hafa ny azy !!
Ny ara pahasalamana ndray feno vay ny tongony d mba niteny hono lay cousineko we ndao ndry oentiko any @ dokotera d tsy nety izy fa mivavaka hono izy d sitrana io!! Ny momba ny mpampivavaka ndray d eo @
50 eo hono ry zareo no miangona ao d lay 10% @ karama omena an'ilay mpampivavaka karamany hono iny fa izy no nampiova ny fianany!!
D aona ny fahazoanao an'zany?? zay nolazaiko we fivavahana tsy fantapototra ary raha fantatrao inona lay izy!!
9. ainaheri ( 07/07/2005 18:32)
xxx> hoy ianao we toy mankany T/ve io na fiara na avion d T/ve no tanjona ekako kanefa kosa ra mba
any T/ve marina ny dianao d marina fa sao d entin'olona any Ambatondrazaka ianao d tsy mbola mety tonga saina ihany
10. booboo ( 07/07/2005 18:56)
ainaheri aaaaaa>mbô asio faingo na teboka na izany aza e. :°)
11. kally ( 07/07/2005 21:54)
Hay kosa ilay naman'ny cousine-nao voan'ny hagegena miharo kasoa koh!
12. dadabe ( 07/07/2005 22:48)
ainaheri > tssss samy manan ny finoany io fa aza tonga dia mitsara hoe mety na tsy mety e! hamarino
fotsiny ao anaty baiboly io zavatra ataonao io raha marina na tsia fa aza ny an'olona no tsikerainao .

misaotra!!
13. lo ( 08/07/2005 03:31)
le mpivavaka anie zany efa fantatra ny tanjona kendreny e, matoa izy misafidy ny hoe atsy na atsy no andeh hivavaka, fa le mpampivavaka tian'i ainaheri no manararaotra an'ilay "crédulité" (tsy haiko ny manova azy teny gasy) an'ireo mpivavaka ao aminy. rehefa hainy ny manentana ny fanahin'ireo mpivavaka dia faly ny fon'ireto farany dia ze lazain'ilay mpampivavaka eo d marina sy mety daholo.
Fa tena misy tokoa aloha ny fanararaotana e, ary tsy hoe fitsaratsarana fahatany ilay antokompivavahana ity fa tena marina : ny rakitra isaky ny misy fotoambavaka dia zarain'ny mpitarika sy ny mpitendry zavamaneno (iray tamin'ireo no nilaza ahy izany), efa ho dimy ambiny folo taona mahery no manao karazana fitadiavambola hoe hanitarana fiangonana... fa hatramin'izao dia tsy hita ze tena zavatra natao sy nitsangana. Dia ireo izay nahazo tombontsoa tamin'ny fanamgonambola atao hatramzay ka hatramzao mbola mijanona ao, ny mpivavaka tsotra no miovaova eny : ze tonga saina amle fitaka dia mifindra fiangonana hafa, ze tsy tonga saina moa dia voatango ao foana hatramzao. Tsy hotononiko ilay fiangonana, ao izy ao, ny tsara fotsny dia itako mihena ny mpiangona ao aminy, asa, tonga saina angamba izay voa rehetra...
14. nadyh ( 08/07/2005 05:52)
:lol::lol::lol::lol::lol::lol::lol::?:
15. bichette ( 08/07/2005 06:59)
ny hevitro dia inty, raha ilay resaka tsy mihinana an\'izato sy zato aloha dia personnel ihany io, na tsy mihinana sy rarana aza ny mihinana kisoa sy gana sy amalona sy crevette sns, ao ampiangonana kanefa ny tena te hihinana mafy sy manohitra izany ny ao ampo dia mihinàna satria raha mi forcer ny tsy hihinana nefa ny tena tsy resy lahatra ny amin\'izany dia lasa fahotana indray ilay izy no fiatsarambelatsihy fotsiny, lasa enchainé ny tena ; jesosy tonga hanafaka, hanapaka ny gadra .... tandremo anefa fa hafa indray raha hoe tsy mihinana satria izany ny fandresendahatra ary hoe FITIAVANA anAtra no tsy hihinanana ary amin\'ny fo madio tanteraka dia hafa indray izay. ilay ankizivavy efa tsy miantoka efa antranon\'olona, hetoana, tsy tokony hi imposer ny hafa amin\'izay finoany fa tokony hanaja ny hafa, raha efa fantatry ny ao antrano ny finoany nefa raha mihinana kisoa ihany ny ao antrano dia tsy tokony himenomenona ilay ankizivavy fa mividy atody manao eouf sur le plat na tahakan\'izany, ary izany no tena atao hoe mijoro vavolombelona, mampiseho ny manodidina fa tsy terena ny fanompoana anAtra ary Atra koa dia manome liberte malalaka no tsy gadra akory ny fivavahana ka hoe \"tsy maintsy\" \"tsy maintsy\" . zon\'ilay ankizivavy ny milaza ny zavatra tsy hohaniny fa kosa tsy azony atao ny manery ny hafa hanaraka azy, raha tena tiany hanaraka ny finoany ny hafa dia ny fitondrantenany aloha no tokony hanehoany ny mahampivavaka azy ...(sujet hafa indray io)

ny @ tongony misy fery :(, iny kosa aloha dia tsy ekeko e ! nomen\'Atra saina ny olombelona, nomen\'Atra fahalalana ny dokotera hahay hitsabo, ka maninona tsy mamonjy dokotera ? ny dokotera ny mpitsabo fa na mitsabo tahakan\'inona aza sy maneho ny fahaizany rehetra rehefa aza ny radoko nefa hoy Atra hoe tsy hositraniko inty olona inty dia tsy tsy ho sitrana mihitsy e ! ny dokotera mitsabo fa ny fara-teny avy amin\'Atra :o

16. ainaheri ( 08/07/2005 07:29)
Bichette< ekeko ny anao we mahazo mahandro sakafo zay tiany izy d aona ny depense sy ny EDF @ zay ?satria otrany coloc izy @zay nefa tsy mandoa na ny
1centime, azafady fa tsy mangalabaraka aho fa mba resaka ny atao!
Booboo>saotra betsaka fa hiezaka aho
17. kally ( 08/07/2005 08:16)
Ny an'i ainahery tsy olana ara-pivavahana intsony fa olana ara-piarahamonina.Nisy lohahevitra teto hoe ny havan-tiana tsy iaraha-monina.
18. bichette ( 08/07/2005 08:19)
ainaheri > izany anie no mahasarotra ilay hoe fiarahamonina e! resaka cohabitation indray io dia izay hifanarahany ao koh ! fa rehefa tena tsy mety dia mifindra trano sy manao izay ahitany toerana hafa ilay ankizivavy satria izay no mahasoa ny rehetra :P dia mihinana crudité zany rehefa mihinana kisoa na ohatran'izany koh , na manao omelette wa, izany ve dia mety handany gaz be ? sarotra io ainaheri a ! satria tsy dia ilay reska finoana intsony fa resaka cohabitation indrayy no miditra antsehatra
ao @ eksodosy marina misy io reska biby mivaky kitro sns io
19. Mifenty ( 08/07/2005 08:52)


ay v zay le tena problematika eh.

resaka finoana ndray ity sa oe resaka fombam-pivavahana eh.

nenay mitsingolo-body, nen'ny sasany mitodika miakan-drefana, nen'ny sasany mitondra kifafa mivavaka, nen'ny sasany misaron-doha, nen'ny sasany manao fitafian'ny adama sy eva, nen'ny sasany tsy aiko


nen'ny sasany tsy minan-ksou, nen'ny sasany tsy misotro alikola, nen'ny sasany tsy minana trondro, nen'ny sasany minana orana, nen'ny sasany tsy minana crevette

nen'ny sasany misaraka ny lahy sy ny vavy, nen'ny sasany manome dimes, nen'ny sasany tsy mandoa, nen'ny sasany rakitra, nen'ny sasany vokatra, nen'ny sasany opération lasopy, nen'ny sasany fivarotana billet.


Fa samy hafa endrika.
20. bichette ( 08/07/2005 09:53)
Mifenty >:D zay mihintsy
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2115