Attentat Londres

1. mandrindra ( 07/07/2005 12:40)
Niharan'ny asan'ny fampihorohorona i Londres androay maraina. Araka ny henoko tao amin'ny rmcinfo vaovao tamin'ny 2 ora tolakandro dia nisy fipoahana 7. Niaraka nipoaka tamin'ny 9 ora latsaka folo (ora anglisy) izy ireo. Ny 6 dia station metro ary ny fahafito kosa dia bus. Ny vaovao farany mikasika ilay bus dia attentat suicide ilay izy. Amin'izao lera hanoratako izao dia milaza ny fanjakana anglisy fa 2 no maty ary anajtony ny maratra. I Tony Blair moa dia niala tany @ fihaonanmben'ny G8 ary namonjy an'i Londres. Ankehitriny ihany koa anefa dia milaza ny ministry ny atitany italiana hoe araka ny vaovao nampitain'ny anglisy taminy dia 50 no maty. Somary misafotofoto ihany ny fampitambaovao rehefa sendra ny voina toy izao koa dia mihaino izay mety ho tohiny.
2. mandrindra ( 07/07/2005 12:50)
Noho io tranganjavatra io, dia nandray fepetra ny fantsay ary nanao fanambarana i De villepin fa miverina ny plan vigipirate ary code rouga manerana ny tanandehibe rehetra eto frantsa.
Toy izany ihany koa ny any bekintana, ny sampana misahana ny sécurité intérieure ao etazonia dia nanome torolalana ny tompon'andraikitry ny tanadehibe rehetra mba hanamafy ny fanarahamaso ny fitanterana rehetra.
Ny ao whashington moa dia polisy miaraka amin'ny basy marovava sy alika mpitady explosif mihintsy no manaraka ny métro sy ny bus hoy ny mpinadraikitra Candace Smith.
Hatraiza ny fetran'ny fampihorohorona, tsara ve izy io sa rasty?
3. bichette ( 07/07/2005 13:37)
hay ve izany ilay izy e ! reko taninkeo atonadro fa tsy harako ilay vaovao
4. zama91 ( 07/07/2005 14:14)
Tsy ny firenena eropeanina ihany no tena voa voalohany amin'izao attentat izao fa indrindra ny firenena mahantra any afrika toy ny madagascar satria raha ny priorite ny firenena g8 dia ny hanafoanana ny tsosa sy ny hampitomboana roa avo heny ny fanampiana ary ny mety hanafoanana subvation eropeanina sy amerikana eo amin'ny lafiny fambolena mba ahafahany firenena mahantra miditra sy mifaninana eo amin'ny tsena iraisampirenena.Indrisy fa lasa ny resaka attentat no maharesaka ao à g8
5. ainaheri ( 07/07/2005 14:15)
Nefa milaza ny tf1 en direct fa 2 no maty ary 158 no naratra 18 en etat critique enoko koa io 50 maty io fa tsy mbola maripototra hono
6. velosoa ( 07/07/2005 14:15)
mandrindra:

Niharan'ny asan'ny fampihorohorona i Londres androay maraina. Araka ny henoko tao amin'ny rmcinfo vaovao tamin'ny 2 ora tolakandro dia nisy fipoahana 7. Niaraka nipoaka tamin'ny 9 ora latsaka folo (ora anglisy) izy ireo. Ny 6 dia station metro ary ny fahafito kosa dia bus. Ny vaovao farany mikasika ilay bus dia attentat suicide ilay izy. Amin'izao lera hanoratako izao dia milaza ny fanjakana anglisy fa 2 no maty ary anajtony ny maratra. I Tony Blair moa dia niala tany @ fihaonanmben'ny G8 ary namonjy an'i Londres. Ankehitriny ihany koa anefa dia milaza ny ministry ny atitany italiana hoe araka ny vaovao nampitain'ny anglisy taminy dia 50 no maty. Somary misafotofoto ihany ny fampitambaovao rehefa sendra ny voina toy izao koa dia mihaino izay mety ho tohiny.



Misaotra amin'ny vaovao ! Izaho moa tsy mahara-baovao androany, fa ny tiako ho fantatra tsy misy gasy ve izao amin'ireo niharam-boina t@ attentat ?
7. xyza ( 07/07/2005 14:51)
Tsy misy hifandraisany @ naha voafidy an'i Londres handray ny jeux @2012 ve ireny?
8. bichette ( 07/07/2005 15:18)
eny wa ! ny ahy koa tonga dia izany no tao antsaiko sy ny fanontaniana nipetraka tato amiko voalohany
9. fasaly ( 07/07/2005 16:33)
an an an! lay marary saina foana no manao ireny e!
aza mba tratra ihany alony e!
10. fasaly ( 07/07/2005 18:16)
mbola suite n'ilay irac io e! satria i tommy bl. nanampy an'i bush e!
11. kally ( 07/07/2005 21:56)
Satria any @ Tony Blair no natao ny G8 dia te haneho zareo hoe izahay no tena matanjaka fa mihararetra ianareo G8 sy izao tontolo izao eo anatrehanay.
12. mandrindra ( 08/07/2005 08:00)
xyza, tsy misy hifandraisany amin'ny JO io. Raha tsy tianay ahzao ny JO Londres dia nataony aloha io zavatra io.
Tamin'ny 1 volana lasa dia nanolotra tatitra ho an'ny maison blanche ny CIA. Io tatitra io dia fanadihadina mikasika ny fampihorohorona manerana izao tontolo izao. Ao anitin'izany dia ahitana fa nitombo avo 4 heny ny attentat tao aorian'ny ady any Irak raha oharina amin'ny fotoana mitovy talohan'io invasion io.
Ao ihany koa no ahitana fa efa mihoatra ny 100 000 ny isan'ny olona maty noho io ady io.
13. cocorie ( 08/07/2005 08:40)
Tsy misy ifandraisany amin'ilay JO aloha ny fahazahoakoa an'io fa tiana ifanindry fotsiny hoe nahazo JO ny Londres de natao iny (Alibi France). Benlanden ndray io e! dia mbola ho avy koa Italie de avy eo i France fa atahorako i Madagasikara. ento am-bavaka reto a!:cry::cry:
14. stephan ( 08/07/2005 09:23)
izaho kosa mihevitra hoe manaja ny isa masina be ry zalahy! ary rehefa dinihina avy amin'izay dia toa tsy arabo indray ve? nahoana no ampifandraisaina amin'ny volana eoropeana va tsy volana arabo?

Hitako ny hoe andro fahafito amin'ny volana fahafito dia baomba anankifito! tsy hitanareo ve? fito telo be izao
15. niry01 ( 08/07/2005 10:23)
de james bond no hiregler ny blem fa izy 007 de fito efatra
16. mandrindra ( 08/07/2005 14:35)
fanitsina, 4 no isan'ny explosion fa tsy fito araka ny nolazain'ny rmcinfo omaly.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1295