Hanamboatra vatana?

1. hery ( 04/07/2005 13:57)
Nijery an'ilay fandaharana tao amin'ny France2 omaly alina misy an'ireo olona manatona toerana manokana hanamboatra vatana aho dia lasa eritreritra. Samy nanana ny antony anamboarany vatana ry zareo: tsy mahafa-po azy ny tenany (matavy hono dia hanesorana, kely nono dia tovonana :-)) tsy mahafa-po ny vadiny (kely loatra dia ampitomboina, be ketrona de sao maka vehivavy hafa ny vadiny) sns...

Raha manana ny hoenti-manana amin'izany ianareo... dia mety hahasarika anareo ve izany hoe hatsaraina izany ny vatana?
novalian'i fijo ny 11/07/2005 22:20
2. radriana ( 04/07/2005 14:10)
Tena voasarika aloha za manokana raha misy ny atao e, fa aoka hazava fa tsy ho an'ny lehilahy no tena hanaovako azy fa ho ahy ihany mba tsy hananako complexe amizay zavatra hitako ratsy @ vatako. Mino aho va betsaka ny mitovy hevitra amiko amizay.
3. fasaly ( 04/07/2005 14:44)
zà koa otran'i radriana, raha msiy ny hatao dia mba misy zavatra tiko ovàna kely ety amiko ety.
sady io koa anie efa tena lasa aretin'ny olona amzao fotoana izao indrindra fa aty andafy e! efa tena be mpanao ka na ny vola aloha aminy aza efa mba azoazo ihany knou!
4. kally ( 04/07/2005 16:29)
Dray ny ahy izao dia efa natomboko mihitsy : ilay voloko ngita kely teo iny nataoko nitsotsoka t@ brushing sy ity savony sy menaka manatsotra rehetra ity nataoko nirehitra mihitsy, jereo ange fa jejo ery aho raha hitanareo manakifikifika azy ato e! ilay hohoko mondry kely iny nohalavaiko nasiako vernis dia diliriko @ limes ihany tontolon'ny andro ho tsaratsara bika, efa asiako hoho y vita-nanahary mihitsy aza moa e, ny tongotro nasiako kiraro fa tsy tiako loatra ilay izy amin'izao,dia ny sofiko nasiako lavaka kely dia nasiako kavina mapirapiratra be,jemby daholo izay mahita.:-P Ny volomasoko alàko ihany tontolon'ny andro fa bilabila kely taloha izao izy mahitsy tsara ery:lol: Fa izaho kosa aloha mbola tsy vonona ny hiaritra ny marary be amin'ilay didiana sy ny sisa e! mazotoa izay hanao fa toa reko sahady ny fangirifiriana kah!posy aho k'longany.
5. booboo ( 04/07/2005 16:32)
:-D:-D
6. xxx ( 04/07/2005 17:10)
io ry zareo samy manana ny tiany,
Nisy olona iray zay nanao an'io,tadidio nefa fa 15ans taty aoriana ranamana (vhv)dia hita fa tratry ny cancer,noho io antony io.
Za kory tsy miteny hoe ze manao an'io de ho izay no hiafarany an! Samy manana ny toe-batany io.
Hafa ihany nge ry zareo ny vita Nanahary e!
7. fasaly ( 04/07/2005 17:23)
xxx: marina alony izany e! sady indraindray alony haitraitra fotsiny ay izy e! kanefa ndraindray koa otran'ny ho voasarika amlay izy ihany.
8. niry01 ( 04/07/2005 18:07)
Mino aho fa ny tokony aton ireny olona ireny de manantona mpanamboatra saina aloha.8)Vinanio ange , efa voarasarasa vao hoe aleo ilay entako taloha ihany fa tsy tiako ity retouche ity:twisted:
9. booboo ( 04/07/2005 18:49)
raha izay no mampety ny fiainany safy assumer-ny, tsy hitako ny olana.
10. fasaly ( 04/07/2005 19:58)
niry 01: tsy mila mitsabo saina izany e!
misy efa tena mahay ny radoko amzao fotoana izao anie e! efa mandroso tokoa sady ilay fanamboarana vatana anie tsy ho voatery rasiana amy antsy ihany e! ohatra zao hoe: misy bandy vao 30 ans nefa tsy msiy volo intsony ny tampony loha de afaka hambolena volo iny de maniry tsara avy eo, ny resultat tena mahafa-po kanefa ndray ohatra raha be volo loatra any amy endroit miafina any de afaka épiléna amy laser de tsy maniry tsony de sns..sns... fa ny resultat zao efa mihatsara ka! ifovarana dooly zany e!
11. fijo ( 04/07/2005 21:22)
za koa aloha raha mba ,dia nanao.za tsy matahotra hoe harary izany.toaka aza sotronina ko izay hampilay indray ve.
12. dadabe ( 05/07/2005 02:51)
tsy aleo ve natoraly ihany le
13. dadabe ( 05/07/2005 03:18)
tsy aleo ve natoraly ihany le
14. fasaly ( 05/07/2005 05:33)
message
fijo:

za koa aloha raha mba ,dia nanao.za tsy matahotra hoe harary izany.toaka aza sotronina ko izay hampilay indray ve.
message



fijo:hihihi! fa angah mi soufra be ny misotro toaka???
15. ari.malala ( 05/07/2005 11:59)
hery:

Nijery an'ilay fandaharana tao amin'ny France2 omaly alina misy an'ireo olona manatona toerana manokana hanamboatra vatana aho dia lasa eritreritra. Samy nanana ny antony anamboarany vatana ry zareo: tsy mahafa-po azy ny tenany (matavy hono dia hanesorana, kely nono dia tovonana :-)) tsy mahafa-po ny vadiny (kely loatra dia ampitomboina, be ketrona de sao maka vehivavy hafa ny vadiny) sns...

Raha manana ny hoenti-manana amin'izany ianareo... dia mety hahasarika anareo ve izany hoe hatsaraina izany ny vatana?



Tsia, tsy voasarika! "Ary hitan'Andriamanitra izay rehetra nataony ka tsara indrindra izany". Efa tsara ve de mbola hokitihina ihany?
16. mandrindra ( 05/07/2005 16:18)
ari.malala, ny ahy ny tsara ihany no kitihako ko. Hikitika ihany aho ve dia hikitika ny ratsy :D
17. fijo ( 05/07/2005 22:37)
fasaly tsy misofra fa ,le mitelina indraindray mafy ka
18. fasaly ( 06/07/2005 05:29)
fijo:

koa maninona aza no mitelina raha mafy e! hihihi
19. ari.malala ( 06/07/2005 08:32)
mandrindra, matetika ireny mikitikitika ireny indindra no tena manimba zavatra ko! aleo ihany @ zao ka!

20. yonikafopl ( 06/07/2005 09:58)
mahafa po ahy ny nanamboaran'Andriamanitra ahy, ka de isaorako azy. Ny mikolokolo ny ananako no ataoko fa tsy ny manova ny efa misy akory.Ka raha za manokana, tsy mahasarika ahy mihintsy izany.
Avelao aho ho fopl kely eo fona fa misy mitia fona io:-P:)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4259