Nahandro gasy

1. ainaheri ( 29/06/2005 08:52)
Mba te hahalala ny fomba fahandro gasy aho zay hainao eto d azavao ny fomba fanaovana azy raha
azo atao!saotra mialo
répondu par nanourand le 23/07/2005 01:33
2. routa ( 29/06/2005 14:01)
trondro maina asina anamalao sy ovy zao tsara an!andrahoy ny trondro maina asio sira aza atao be rano lotra rahafa kely2 de arotsahy ny ovy farany anamalaho sy votabia ataovy @ zay rano tinao azy vita asio sakay sy vary maina tsara


trondro sy voanjo bory koa tsara an!
atao lafika ny voanjo bory de alahatra eo ambony ny trondro ,manao sosy votabia sy tongolo araraka eo amboniny le trondro asina sira ataovy ritra ravimbomaga atao rony eo akaikiny .
trondro lena sy voanjo bory lena io an!

ny mangahazo lena ndray andrahoy de avy de asio sira sy poavatra sy tongolo gasy kely de asio dibera kely koa ataovy ritra avy eo,manaova lasary votabia maro2 io no hihinanana azy
de mazotoa ooo!
3. ainaheri ( 29/06/2005 17:16)
saotra betsaka routa fa ny olana kely tsy misy lay bory voanjo!
4. routa ( 30/06/2005 06:59)
soloy ovy e!
de sosety koa mety asolo azy ,de ataovy @ zao koa tsatra be anie ny trondro mantsy matsiro fona .
ndrindra koa raha mbola vao2 iny izy de atao @ zao tsy asiana na inona na inona sakafo tany ambanivohitra zany tsara an!
5. zefalah ( 11/07/2005 00:52)
ty ko misy!! :) ravitoto sy paty zzzonnna..
sosisosio ravitoto io..da avy eo arotsay mora mora pate.. de avy eo raisinao ny lelana omby..ataonao sosisosy iany koa vao arotrakao ao am'le ravitoto sy pate...nahandro gasy zany...:-D
6. ainaheri ( 13/07/2005 06:25)
:roll::?::@
7. nanourand ( 21/07/2005 22:50)
Henakisoa sy ravitoto papa, miaraka @ labière :
- Henakisoa matavitavy
- Ravitoto
- labiera fahefany (THB ihany mety fa raha kron, na 1664, na bavaria tsy mety :@
- tongolo vodiny iray.

Teteho atonotoniny ny hena, sasao ary asio sira, dia atengeno ambony afo @ rano nanasana azy, avelao ho mendimendy kely, rehefa zay dia tapohy menaka roa sotro sy rano mandifotra ilay hena, na somary latsaka kely, tsy atao be loatra, rehefa ritra avy eo dia ararao ny atsasak'i tetika tongolo gasy, rehefa manitra dia ararao ravitoto, avela endy kely vao tapohina rano, mandifotra azy, rehefa, ho ridritra dia arahao ny labière, ary rehefa mangotraka dia arotsahy ny ambin'i tongolo gasy, ahitsiho @ farany, ny abetsahan'i menaka raha somary maina, ... arosoy miaraka @ vary maina, sy lasary voatabia, lasiana sakay mena.
ilay labière mazava hoazy mbola misy telo apahefany, tsy ho tezitra @ iny mihitsy akory i madama fa elà efa nahavita kaly dauro beu!

siora,... merci routa @ lé bory voandro oonn
8. nanourand ( 21/07/2005 22:58)
Henomby sy sôdéssine :P io mba azo asolo anamamy, sinon jereo ihany eny atanina melon eny raha sendra mioty an'ireny fa misy ilay ataon' vazaha hoe morelle tsy aiko na za fanoratra azy na tsia, chou de chine, misy foana na any leclerc aza.

- Henomby, 1/2 kg
- chou de chine 1 na raha misy anamamy tena milay
- voatabia 2 atonotoniny
- tongologasy hasiny iray
- atsasaka cube jumbo
- menaka 2 sotro

Teteo ny hena ary sasao, dia asio sira ary atokony t@ rano nanasana azy, rehefa somary mendy dia arotsahy ny menaka roa sotro, rehefa izay dia arotsay ny voatabia sy ny tongolo tsy mivôvy hasiny iray, rehefa manimanitra kah hita fa ho mora halemy ny hena, dia arotsaka ny anana, avela hifitina kely ahazo tsirony, rehefa izay dia asiana rano araka izay tiana, tsara raha tsy atao be loatra mba ahazoana ny tsirony, rehefa mangotraka dia rarahina ny atsasaka cube jumbo.

vary maina sy kitoza na saucisson atono inanana azy, miaraka @ sakay mena voatoto @ sakamalo sy tongolo gasy.


9. ttittie ( 22/07/2005 08:48)
ainaheri:

saotra betsaka routa fa ny olana kely tsy misy lay bory voanjo!

misy voanjobory eny kremlin bicetre ao amin'ny fivarotana gasy

10. nanourand ( 23/07/2005 01:33)
kaly gasy iray tsy ampozina koa :
drakaka miaro mahogo (crabe au mangahazo :wink:)

- crabe 4, lé vrai fa tsy le fozatay kely ireny (isan'i olona 4)
- mangahazo 1/2 kg
- felo mafana (anamalahy) eran'i tanana.
- voatabia.
- lait de coco kely tsy atao betsaka satria ro mazava no atao,
- raha manana felo morongo dia tsara koa felo moronga raha tsy izany dia felo batata (ravimbomanga)
- tongolo egypta
- menaka


Fikarakarana :
diovina tsara ny drakaka, esorina ny avokavokany, ary averina miaraka ny karaokany (carapace). tetehana majinika ny tongolo sy voatabia, afanaina anaty vilany ny menaka ary rehefa mafana dia arotsaka ny tongolo, rehefa somary mahazo loko dia arotsaka ny voatabia, rehefa mahazo loko koa dia sira kely, arotsaka ny drakaka, avela endiendy kely, tetehana majinika ny mahogo ary dia arotsaka koa, ampiana sira kely, lait de coco, avela hofohan'i ilay mahogo kely fotsiny ny lait de coco dia asiana rano mandifotra, rehefa mangotraka dia arotsaka ny anana.

Fihinana azy, mety daholo na atao rony, na ketsaketsa, na ridritra. tsy dia tsara atao potika loatra ny mangahazo, fa avela mbola misy bikany.

hoaina miaraka @ lasary manga. Tsy miaraka @ vary tsy dia tsara atao laoka izany!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0978