Mitondra mankaiza ity fety sy fihaonana ity e?

1. namanadago ( 28/06/2005 09:19)
Faly miarahaba antsika namana rehetra tratry ny Fetim-pirenena.

Faly ihany ko manambara amintsika fa ity solon\'anarana namanadago ity no ho entin\'ny mpiandraikitra sy ny mpandrindra ny fikambanan\'ny Serasera.Namana eto Magadasikara.
- Natao mba hifandraisana izy io
- Natao handefasana hafatra
- Natao hanehoan-kevitra
- Natao handraisana fitarainana
- Natao handraisana soso-kevitra
- Ary indrindra indrindra, natao handraisana fanakianana.
Misokatra ho antsika izy noho izany ary manampy azy ny mailaka namanadago@yahoo.fr

Mamelà ary ianareo ny mba hanaovantsika jery todika kely tato anatin\'ny herintaona eo ho eo:

1)Fisaorana
- Isaorana voalohany eto ny mpamorona izay izay napetraky ny namanadago ho filoham-boninahitry ny fikambanana dia hery.
- Isaorana ihany koa ireo namana mpanentana sy mpanetsiketsika fahizany teto Dago nefa tsy dia afaka loatra nanao izany noho ny antony maro tsy miankina aminy.
- Isaorana ireo namana tsy nitsoaka an-daharana fa mbola hita teny na t@ sarotra na t@ mora.
- Isaorana ireo namana vaovao izay vonona ny hanatevin-daharana izay efa misy.
- Isaorana ireo namana nahatsiaro hatrany na any ampitan-dranomasina aza ary indrindra ireo nanampy t@ izay fahafahany manao.

2)Zavatra tsapa
- Niha-nitombo isa hatrany ireo namana tia ny mihaona. 20 ka hatramin\'ny 130 no tafavory rehefa mihaona.
- Marina fa samy nanana ny foton-diany ny rehetra nefa @ ankapobeny dia tia mifanampy sy mifanasoa ny namana.
- Misy ireo namana nandalo dia niserana ka tsy tazana rehefa nahazo izay ilainy. Ao koa reo izay tsy mbola nahita izay ilainy ka mbola tavela.
- Nisy anefa ireo tavela hatramin\'izao satria nahatsapa fa tsy izany ihany no ilaina ao fa maro tsy ho voatanisa.
Midika izany fa manankarena olona, manakarena fahasoavana, ary manakarena saina ny namana eto Dago.

3)Inona ny manaraka?

- Ny fametrahana ho ara-dalana sy ara-panjakana ny Fitsipika hifehy ny Namana.dago, mba ahafahana mifampifehy sy mifampitsinjo.
- Fandraisana ny lisitry ny tena namana mba hifankahalala tsara.
- Fizana ny karatra kely ho an\'ny mpikambana.
- Fananganana ny Birao tena hitantana sy handrindra izany (mbola vonjimaika mantsy no misy)
- Fihatrehana ireo teti-kasa azo tanterahana.

4)Fehiny

- Mbola fanangonana olona sy fitsirihina izay mba mety ho tena namana no nisy teo aloha fa eto isika no hiroso @ dingana manaraka. Marina fa maika isika nefa tsy tsara ny miazakazaka be loatra sao tafitohana ka potraka tsy fidiny.
- Mbola betsaka ireo vinavina fa omena antsika miandalana arakaraky ny zava-misy ary amin\'ny fotoana tena maha-mety azy izany.

Koa alao hery ary ry namana isany, sahy mirehareha isika eto min\'ny #serasera fa tsy ambaka ireo hafa. Tsy mbola manana \"Adversaire\" isika satria tsy misy mitovy \"Catégorie\" amintsika izay misy hatramizao.

Farany : Misokatra ho antsika ny boaty namanadago sy ny mailaja namanadago@yahoo.fr
2. stephan ( 28/06/2005 16:13)
Ary noheveriko hoe fetim-pirenena ka saiky hamaly aho!
3. fijo ( 28/06/2005 22:23)
ie namana ihany koa ny firenena ka
4. moi ( 29/06/2005 07:00)
Dia misaotra amin'ny tatitra sy fanazavana.
Indroa aho no efa namonjy ny fihaonan'ny namana : Tamin'ny voalohany dia ny ahita mivantana ireo namana ato no tanjona, fa tamin'ny faharoa dia ny hiala voly. Tsy fivoriana ireo natrehiko ireo fa hetsika.
Fa ny mahatonga ny namana tsy tonga hono dia satria tsy tiany ilay misy présentation ps, (fa te hiafina foana) dia izay angamba no manazava ny fahatongavan'ny namana maro taratara rehefa misy fihaonana ; Fa ao koa no tsy tia ny hamoahana ny sariny eto amin'ny takelaka, ka rehefa misy fihaonana, tsy ferana ny fangalan-tsary na video fa aoka hono mba hijanona ho an'ny samy mpanatrika any ihany.
Ny fety moa matetika dia fandihizana sy fihirana, arahana sotrosotro sy tsakitsaky, izay no efa natrehiko, fa ao koa ny endrika excursion toy ny tany Antsirabe, filalaovana sy fanaovana fihaonana ara-panatanjahantena ...
Dia izay no zaraiko mba hanatsarana ny hetsika ho avy, sy hisarihana ny namana mbola ho tonga maro hatrany.
Koa mitondra mankaiza ity fety sy fihaonana ity ?
=Fialamboly miaraka amin'ny tena namana, sy ... fahitana namana...
5. ravatorano ( 29/06/2005 07:53)
tsiy madilana ho tentenina intsony fa mahafehy ny tiana ho lazaina ireo voalazain i namanadago sy i moi ireo .
Hita tokoa fa amin ny maha virtuel ny tranokala izay ifaneraserana hatrizay dia maro ny namana no tsy te hiala amin izay ary dia ho dinihina manokana ny amin izay nefa indro kely hanahirana ihany ny hifampiantso raha sendra tafahoana raha tsy hifanonona ps eh :-D:-D:-D:-D
Ny sary moa efa milamina ny amin iny fa miankina amin ny tsi1-1 io sao misy kosa te ho fantatry ny b sy ny maro ka te handefa sary aty amin ny site mba hanamarinana marina f ireo ry lerony fa nitsangatsangana marina tokoa tany Ambila fa tsy toraka kanonta akory hihihihihi
zay eh !:wink::wink:
6. notron ( 29/06/2005 14:30)
Ny tanjona dia ny fampiarahana ny fanatanterahana ny:
Mahasoa sy ny Mahafinaritra
7. fijo ( 29/06/2005 20:08)
izay mihintsy.izay hiraisana ihany atao fa raha vao misy tsy hifankazahoana dia resao hiravina
8. mangoboka ( 30/06/2005 07:10)
Izaho dia namana vaovao ary efa nanatrika fivoriana sy fanalan'azy fa tena masaka be
9. fijo ( 30/06/2005 20:30)
dia ampitiavana be
10. naritsimba ( 13/07/2005 12:26)
mahafinaritra ahitana ny mahasoa, fifanakalozan-kevitra ary manafoana ny virtuel,
Sahia miseho eeeeeeeeeeeee!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.7219