fifamelana

1. ainaheri ( 27/06/2005 17:16)
Ny nify sy ny lela hoy ny fitenenana mifanaikitra ihany indrindra fa ny olona tsy mitovy fijery sy fisainana ka mety hampifamaly azy ra ianao no sendra mifamaly @ 'olona iza no mamela voalohany ary hafiriana no itazomanao lolompo aminy!!
novalian'i fijo ny 19/07/2005 20:46
2. fasaly ( 27/06/2005 18:09)
izaho aloha tsy mamela voalohany mintsy e! na iza mifamaly amiko na iza, manana ambom-po be loatra nefa hitako fa tsy mety ary tsy tiko izay toetrako izay de afaka tsy miresaka mintsy zà raha tsy ilay olona no miresaka amiko voalohany indrindra moa fa raha izaho no manana ny marina.
3. booboo ( 27/06/2005 18:21)
Arakaraka, matetika zà no manao premier pas na diso na tsy diso ora vitsivitsy na minitra vitsivitsy aty aoriana. Misy indray nefa misy efa 3 taona zay zà no tsy mifanerasera na kely aza @ ilay fianakaviana. Na voatery aza noho ny fihavanana dia na arahaba aza tsy ataoko :°)
4. fijo ( 28/06/2005 04:20)
fasaly,mba mamela re ny helony e.
ny ahy raha ady hevitra dia tsy misy lolom po izany aho.fa raha nanompa ahy kosa tsy lasa raha tsy izy no manala le ompany aloha.
5. pitchou ( 28/06/2005 07:01)
zà alou raha we hanaovana zavatra tsy rariny izany dia izay no ifamaliana, d ho antitra sy ho faty avadika im-7 izy fa tsy mamela aho! ary na hanao firième pas aza izy! raha tsy hoe areniny le diso nataony!
fa raha ze ady hevitra sy ny sahala @zany! hihihi! mandrangitra no ataoko fa tsy mety hahatezitra ahy izany!
6. ari.malala ( 28/06/2005 08:23)
adihevitra = hevitra no miady, fa raha sanatria nisy fifamaliana ka nanao teny na nanao zavatra nahadona ahy, mba marina mafy aho raha hamela zany! za tena mpanao an-dolom-po be mintsy! ary tena vitako mintsy ny hoe na mifanena izao aza tsy mivily lalana aho fa tsy mamaly ny arahaban'iny olona iny akory!

7. bichette ( 28/06/2005 08:48)
pitchou > omeo ohatra hoe izany aky , inona ilay hoe tsy rariny ohatra dia inona ilay fanarenana tokony ataon'ilay ol
8. majakely ( 28/06/2005 10:39)
Zah ko;mora mamela heloka fa tsy tiko ny ompàna !ary raha tsy manala ilay ompany eny imason'ny olona nanompana ahy izy de tsy mamela azy mihitsy aho!
9. eh ( 28/06/2005 10:40)
za indray d mora tohina fa mora afaka ihany ê! eo ihany aho no tezitra fa raha vao mifona ilay olona d tsy manao am-po ,fa tsy hadinoko aloha na izany aza ê! fa matetika miverina iny rehefa any aoriana satria tsy tiako hiverina!!
10. mandrindra ( 28/06/2005 10:56)
raha tafa sy dinika no tsy ifanarhana dia tsy mamaetraka olana ary tsy tokony hampifamaly akory. Fa ny ahy kosa ny tsy ekeko dia ny manivaiva ahy sy ny fianankaviko, io indray aloha dia tsisy resaka ary tsy izaho mihitsy no andeha hanantona voalohany. Foto kazo sy vorona io izay manina manantona, fa izaho tsy ho manina mandrakizay.
11. fasaly ( 28/06/2005 11:13)
fijo:

fasaly,mba mamela re ny helony e.
ny ahy raha ady hevitra dia tsy misy lolom po izany aho.fa raha nanompa ahy kosa tsy lasa raha tsy izy no manala le ompany aloha.



fijo:
izaho anie aky mora mamela eloka e! fa jamais manao première pas; sarotra be amiko satria manana fièrté be mintsy zà de zay ny olana amiko ka tiko ovàna kely....fa efa natiorako angamba lay toetra.
12. pitchou ( 28/06/2005 13:19)
bichette> ohatra hoe izaho no endrikendrehana nanao zavatra tsy nataoko nefa efa miolaza aho fa tsy marina izany, dia mahita izy izay! tsy mankalaza koa izy hoe nandainga t@ nanendrikendrika ahy vao avelako heloka! tsy aty amiko ihany an!
13. ainaheri ( 28/06/2005 17:45)
Majakely > de tsy hamela ahy zany ianao ? nefa tsoriko eto fa mamela anao aho ary mamelà koa ahy ary azafady raha nahatezitra anao zay nosoratako t@
tsy voahevitra ary aoka ny lasa homba ny lasa ny ho avy no aoka no hatsaraina!! sa tsy izany??
14. fijo ( 28/06/2005 22:04)
pitchou ndry mandainga.
fasaly hay ve.hummmmm izay anie wa e.:-*
eh aza tohina sao kenda eo an
15. dadabe ( 29/06/2005 02:32)
:lol::lol:
16. fijo ( 29/06/2005 03:56)
io dia ampy ka
17. dadabe ( 29/06/2005 04:11)
18. fijo ( 29/06/2005 04:24)
fahendrena izany
19. sahouly ( 29/06/2005 05:42)
ho ahy manokana , arakaraky ny olona sy ny toetrany io, raha olona mora sendaotra ilay olona dia fantatra fa mora mitony ka raha miteny sy manaiky hifanazava amiko ilay olona , dia azoko lazaina fa olona manam-pandeferana ihany aho ary azo ifampiresahana, raha olona tsy dia miteny indray ilay olona dia tsy ho haiko mihitsy ny hifampiresaka aminy fa dia any izy sy ny tranony fa izaho tsy hisikotra mihitsy fa rehefa miresaka amiko fotsiny izy any aoriana dia iresahako indray.
fa arararaky ny zava-mitranga io no tena marina e! ho ahy fotsiny dia mpiala nenina aho ary rehefa avy miala nenina dia tsy miverina @ fanampahan-kevitra noraisina intsony , dia any vao mipetraka ilay hambo sy lolom-po
20. yonikafopl ( 29/06/2005 08:34)
euuuuhhhh, ny ahy njay ilakao kely mihintsy klou le toerana na olona nahatezitra ahy, de rehefa afaka any ny foko miverina eo ihany za ka, fa ny ahy rehefa le miverina iny de loarako eo doly ze ao ampoko ao, tsy misy avelako hijanona, de afaka, vitanzay le hatezeraki, fe be ny tsy mahatanty ny hivoahan'ilay ao am-poko ao, de zareo njay no miala, de avelako kou hiala kou.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 1.0484