mba mangataka aho hoe ahoana ny manao BOUDINA kay?

1. routa ( 24/06/2005 09:16)
very fotsiny ilay mofo dipaina manko de mitady hevitra mba hahalany azy e,de misaotra anareo rehetra .
novalian'i bichette ny 07/07/2005 09:18
2. sipagasy ( 24/06/2005 10:46)
mmhhh betsaka akia ny afaka ampiasaina ny mofo maina annn

ohatra atao pain perdu izany hoe teteho araka ny itiavandry azy ny mofo atao manify dia laroina ao anaty atody & siramamy dia avy eo endasina mmhhh tsara annn
ny faharoa kosa afaka atao pudding, io moa dia misy re7 isankarazany fa ny base dia alona anaty ronono ny mofo dia avy eo potsehina ary asiana atody & siramamy efa voakapoka nitambatra afada adianao vovoka coco ihany koa.
ny manaraka indray dia raha hanao sesika akoho na gana na gisa ianao dia afka mampiasa mofo maina ihany koa izany hoe lomana halemy à jus de légumes ilay mofo potsehina dia afamgaro @ rorontena na izay fangarony tianao hanaovana ilay sesika


Mahazotoa homana aza e!!!
3. routa ( 24/06/2005 12:25)
sipagasy>misaotra betsaka fa zao ny fanao an ilay fahandro azy tsy voateny azafady reee de misaotra hiany :-*
4. routa ( 24/06/2005 12:52)
sipagasy>lasa nga enao teo?
ny efa nihinana de eny fa ny nanao boudine tsy haiko
5. booboo ( 24/06/2005 14:00)
Ity koa misy "pudding aux pommes" fa tsy ambina mofo no anaovana azy.

-Ranomboankazo 1 vera (voasary ohatra)
-75g siramamy (en poudre)
-15 tranches de pain brioché
-250g fromage blanc
-compote-na paoma (paoma 4 eo ampy)

1-Afangaro ny fromage blan, siramamy.
2-Araraho anaty vilia fisaka ilay ranomboankazo. Lemo tsirairay ao ny tranche de pain brioché 3 dia atao anaty moule à charlotte (16cm de diamètre).
3-Dia atao ohatra izay koa ny tranches de pain brioché 6 fa atao manaraka ny sisin'ilay moule indray.
4-Rehefa izay, dia araraho tao ny antsasak'ilay fromage blanc sy ny antsasak'ilay compote dia ataingina eo indray 3 tranches de pain brioché (avy nampadalovina tao @ ilay ranomboankazo foana a).
5-Arotsaka ny ambin'ny fromage blanc sy compote dia faranana @ 3 tranches de pain brioché.
6-Saromy vilia somary misy raha mavesatra eo amboniny dia atao anaty réfrigérateur mandritra ny 12 ora.
7-Rehefa hihinana azy @ zay (avy no-démouler-na) dia asio tetika paoma eo amboniny en rosace dia faranana @ cerice confite kely eo amboniny.

Bôna bôna
6. routa ( 24/06/2005 14:07)
booboo>misaotra betsaka indrindra an!
fa le atao @ mofo mihitsy no mba ilaiko satria be very le mofo nefa tahaka ny tsara le boudine .:D
7. sipagasy ( 25/06/2005 06:28)
azafady akia routa ann, ny fahandro ny pudding aloha dia saika atao bain marie fôna e!!!

ny sesika indray dia ao anaty four kannn miaraka @ ilay zavatra sesehinao, na vorona io na inona koa....
8. routa ( 25/06/2005 15:06)
misaotra sipagasy fa teneniko eto ny tsirony rehefa vitako de mamerina ny fisaorana
9. dadabe ( 25/06/2005 18:12)
booboo hummm mbola mahatsiaro ny " cuisine trapeur an "
10. routa ( 25/06/2005 18:38)
oay! marina moa de azafady fa misaotra ny rehatra ko aho :D:!::!:
11. IDEALY ( 03/07/2005 17:47)
slt routa
ny gateau koa raha tsy lany ka tsy tiana ho simba fotsiny dia azo atao pudding koa de hoatran'ny principe @ mofo dipaina ihany azo asiana vanille kely hahamanitra azy
12. rani ( 06/07/2005 16:39)
zavatra ilaina: pain rassis, ronono velona, sucre(1 c a soupe hanaovana caramel, 2 c a soupe hanamamiana ilay pudding, vanila
ampangotrahy ao anaty ronono ny vanila dia arotsahy tsikelikely ao anatiny ny mofo efa voapotipotika afangaro tsara halemy asio sucre 2 sotro
manaova caramel @ ssucre ambiny sy rano kely ataovy ao anaty moule dia ampangatsiahina hitambatra manodidina
arotsahy ao ny mofo misy ronono, ataovy bain marie ao anaty lafaoro 15-20 min
ataovy mangatsiaka vao esorina ao anaty moule dia mazotoa e
13. bichette ( 07/07/2005 09:18)
routa, inty koa misy recette hafa sady tsara be mihintsy. turban no anarany.karazana entrée chaud izy ity
- pain rassi
- atody iray
- ronono
- dobera
- thon en boite iray na sardine (sardine aloha no tena fanaovan'ny olona azy e )
- moule (ilay boribory de preference)

- sauce blanche + tomate en boite

1) raper-na ilay pain rassi,izany hoe essorina ilay hodiny marron be iny fa ilay mie de pain rassi no tena ilaina (resaka estetique sy mba tsy hisy zavatra mafimafy rehefa mihinana azy) (ny hodiny iny azo tehirizina hanaovana chapelure @ zavatra hafa fa tsy very tsy akory)

2) halona ao anaty ronono ilay pain rassi hampalemilemy azy, dia arotsaka koa ny thon na sardine sy atody , tsy atao mitsiranoka an ! fa mba consistant ihany ohatran'ny pate-na gateau ireny na mafimafy kokoa aza
3) andramana raha antoniny ny sira (matetika aloha mahampy ny siran'ny trondro sady ratsy koa ilay izy raha be sira)
4) hosorana dobera ny moule dia arotsaka ao ilay preparation dia handrahoana ohatran'ny manao cake ihany

:-P manao sauce blanche (ronono, dobera, farine sira ..;) dia asiana tomate en boite kely, ilay coulis iny mba hampa-orange ilay sauce. inty sauce inty dia tsy voatery fa hampatsara azy izy ity ary tsy hampamaina loatra ilay turban

renefa vita ny turban , demouler-na dia na couper-na en tranche dia araraka eo amboniny ilay sauce na avela amin'izao izay tianareo anaovana azy fa ny essentiel dia he hohanina miaraka amin'ilay sauce ilay turban

anjaran'ny tsirairay ny mi doser araka ny tiany tokotrany, raha tiana ho heno tsara ny trondro na ohatran'izany

bona bona daholo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1013