ELEVES MAITRE NDRAY E

1. SOBIKA ( 22/06/2005 11:20)
Hono wa ry zareo mba ahoana kosa ny hevitrareo mikasika ireo le eleves maitre eh!!!!
zao mantsy no manitikitika nys aina! rehefa avy nampianaria sy nasaina nampianatra avy tany ambany volo be t@ karama zaraha faha ry zareo ireo dia tojo olana indray ankehitriny satria dia niova t@ heviny ny fitondrana mikasika azy ireo ary dia very hevitra tokoa!
raha mba misy ato mahatsiaro voakasika io resaka i na koa mba manana ambara mba amposahy eto hiarahamitsako zareo ah!!!
novalian'i pika ny 26/08/2005 10:07
2. sonwin ( 19/07/2005 05:08)
fa niova ahona ny hevitry ny fanjakana mikasika azy ireo fa tena tsy arako
3. xxx ( 14/08/2005 08:46)
Izaho dia tao amin'ilay promotion voalohany nandray pré-salaire. Tamin'izany dia nanao sonia taratasy fa tsy maintsy hiasa 10taona farafahakeliny amin'ny fanjakana vao mifindra any an-kafa na mijanona. Ny tahotray tamin'izany dia sao tsy hahatanteraka an'io ka hamerina ny volam-panjakana na zavatra hafa. Vao nivoaka anefa izahay dia zavatra hafa no niseho : izahay indray no nitambitamby ho raisina. Misy an'izany koa hoe miandry sonia sisa dia voaray hiasa, kanjo misy manary tampoka ny dossier-nao dia soloin-dry zareo ny havany any (angamba). Rehefa nisy indray ilay hoe ny mairie no manakarana, dia ny lehibem-pampianarana any an-toerana no manaiky no fangatahanao, dia voatery nanangataka tany amin'ny fivondronana dezaka sy tsy hain'ny tena akory, satria any no tsy ampy mpampianatra, ny toerana ihavian'ny tena moa efa feno loatra aza ny mpampianatra tao. Dia hoy indray ny tany rehetra tany hoe aleonay mampiditra ny zanakay eto niveau 3e toy izay ianareo izay hangataka fifindrana raha vao voaray eo ! Rehefa avy niady ela, nivondrona nandefa solo-tena tany aminy ministera, nanantona ny filazam-baovao sns... dia nijanona ny maro taminay. Asa aloha izay taty aoriana izay mbola voaray, fa izaho izao efa 10 taona mahery no nahavita fiofanana, efa tsy mieritreritra hitazona lakile intsony. Na hotambatambazana sy vozonana aza e ! Asa mafy ange io e! Sady kely karama ! Ny fanjakana aza mba na,dany vola taminay teo ! Ny mampalahelo ahy fotsiny dia ny fotoana very niandrasako andrafanja teo, tsy afaka nanaiky contrat tany an-kafa, na niorina tsara tamina toerana iray sao dia hoe voaantso tamoka ! Izay e! Asa indray izay olana nahazo ny promotion tay aoriana fa izareo ireo tsy nitovy talinay fa toa nahazo alalana sy nofanina hiasa am tsy mainkina aty aoriana.
4. fijo ( 16/08/2005 22:19)
tsy mbola fantatro indray izany resakaizany le.mikasika ny inona kay izany?
5. xxx ( 17/08/2005 10:50)
lakré fa tsy lakilé ialy etsy ambony. Resaka fampianarana re ry fijo a !
6. pika ( 26/08/2005 10:07)
manavao contrat isaky ny 5 taona, ny sasany efa maharitra firy volana na firy taona mbola avances foana no raisina
raha vao voaray aza dia misy eo @ 2 na 3 volana tsy mandray mihitsy (zéro ) ny fiainana anefa tsy vitan'ny .....
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2953