Tsetratsetra tsy aritra

1. rurik ( 20/06/2005 19:13)
mba gasy ihany aho fa tena maro ny fomba fiarabana tsy haiko ,mino aho fa maro koa ny tsy mahalala toa ahy ka tsy aleo ve mifampahafantatra eto e!dia samy mametraka 1isan'olona.
ohatra -manahoana
novalian'i Bariry ny 11/11/2005 21:18
2. dadasy ( 20/06/2005 19:32)
raha any @ faritra atsimo atsinanana ianao, Mananjary indrindra no tiako holazaina eto de hoe "Akory lahaly" (na "akory aby lahaly" raha olona maromaro)no fiarahabana, raha mbola tsy nifankahita mihitsy t@iny andro iny, raha efa nihaona kosa ohatra ny maraina ka mihaona indray ny atoandro de "Mbarakaly" ( na akory aby mbarakaly )no lazaina. Vita ny anjarako. An'ny hafa indray izao.
3. akamatiana ( 20/06/2005 19:33)
:D:oManakory aby oh! hihhih rurik otrizao ve zany?????
4. britney ( 20/06/2005 20:03)
akamatiana mitovy ny fiarahabànantsika e! anay ko avy any e! hain'i toi!
5. rurik ( 20/06/2005 20:18)
akamatiana tsy dia mahay miresaka loatra aho dia angamba misy tsy ampy ny filazako fa ny an'i dadasy izao tena feno sady mazava:lol:
6. STONG ( 20/06/2005 21:07)
zo kou izy kou:*:-*
7. zakilinina ( 20/06/2005 21:16)
Raha sipa dé hoe : "manahoana i tena"
Raha boay dia : "aiza ry lery"
8. xxx ( 20/06/2005 21:23)
ny an'zakilinina kosa tsy mety e!
9. ari.malala ( 21/06/2005 06:49)
ny avy any Atsimo (tsy haiko tsara ilay faritra dia iangaviako hanitsy izay avy any) maano hoe "akory lie" (tsy haiko koa na izao no fanoratra anazy an! :)
10. rurik ( 21/06/2005 06:52)
io angamba no mahazatra anao e :-D :-D :-D
11. radriana ( 21/06/2005 13:14)
Mbola misy adino ô;
Ny gasy be zesta manao : "baozoro"
12. bichette ( 21/06/2005 15:18)
ny gasy any ampita manao hoe
bezouro toi
13. Lov ( 21/06/2005 18:07)
Raha ny faritra avaratra sy atsinanana angamba de ; Karakory jiaby ? Mbola tsara e !
14. kally ( 21/06/2005 18:14)
Dia misy koa tsy miteny fa tonga dia manolotra takolaka sady miteny hoe iray, roa sa telo? :lol:
15. fasaly ( 22/06/2005 14:13)
ny an'i silamo hono salam le coum!
16. chipie1 ( 22/06/2005 17:04)
sali , sali refa mitsaty :lol:
17. fijo ( 22/06/2005 21:08)
misy koa ny hoe "akory tany"raha olona vaoi tonga no arahabaina.
na "karakory" majunga
na "mbola tsara" diego sy antsohihy
na "tsarava "ny andriana
na "salama e"any avaratra sy andrefana koa io
na"karakory mouvement"dimbaka majunga
na "tsara nandry e"any avaratra.
18. STONG ( 23/06/2005 10:35)
izy doly ve zany ry fijo a!!!!! nareo ngamba prof kle



fiarahaban'ny Andriana taloha ko(Tsara'aba tompoko)
19. dadabe ( 23/06/2005 16:04)
antsinanana " andrio lahaly aro nanakory "

morondava "salama oo" na koa " naho le iha toy manakory ?"
Lohateny : Re : Tsetratsetra tsy aritra
ny avy any Atsimo (tsy haiko tsara ilay faritra dia iangaviako hanitsy izay avy any) maano hoe "akory lie" (tsy haiko koa na izao no fanoratra anazy an!

mety io ry arimalala a de ny valiny hoe " mboo soa avao lie e":D
20. hery ( 23/06/2005 16:58)
Eny Anjanmanal (eny aminay) K'aiza zoky e (somary atao be be feo)

Avaratr'i Fianarantsoa .
Salama tompoko, salama e, salama aby e, salaaaamaa (sady miondrika)

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2963