aiza ary ny marina?

21. routa ( 22/06/2005 10:49)
Ka zay ange no nilazako hoe tsy mora ny mitaiza e! raha tsy miankina @Andriamanitra isika sarotra aloha ny mitaiza e,zay no hivavahana zao koa anie ry dadabe e! matoa hianao atakeny tsy azy tsy namany izy ve hiady @ zay efa azy .
Marina zany ry Ari-malala efa misy ny fiarovana ho antsika .
Ekeko fa maro ny fakampanahy isakarazany fa de zay e! mivavaka e!
22. fijo ( 22/06/2005 21:36)
zefalah,hoy ianao aza manaraka ireo fomba vazaha.ka ny finoana kristianina anie ka tsy gasy,ary ianao aza efa nahalaza azy e.
23. dadabe ( 23/06/2005 01:31)
zay
24. bichette ( 23/06/2005 09:21)
fa amiko izay voalazan'ny tenin'Andriamanitra ao anaty baiboly ihany no tsy tokony hampanarahana ny fandrosoana satria izay voasoratra dia voasoratra ary tokony mbola hiainana satria tenin'Andriamanitra


ekeko koa
25. sorom ( 23/06/2005 13:42)
Andriamanitra tsy olombelona akory ka handainga; noho izany tsy misy antony tokony hieritreretana mihitsy hoe tamin'izany fotoana izany ihany Izy no niteny tamin'ny olona fa izao kosa efa mangina. Tsia!!! Mbola miteny amintsika Andriamanitra ary mbola hiteny amintsika foana saingy isika matetika no tsy mahay manavaka hoe amin'ny alalan'ny inona no iresahany amintsika. Maro tsy voafetra ny fomban'Andraiamanitra ary anisan'ireny ny Teniny, ny Baiboly voasoratra arivo taona vitsivitsy lasa izay. Marina tamin'izany ny Teny ao, ary mbola marina ankehitriny sy amin'ny ho avy rehetra satria tsy feran'ny fotoana na ny toerana.

Ahoana moa no ahafahantsika mitaiza araka ny sitrapon'Andriamanitra raha isika aza tsy mahalala ny sitrapony. Ny ahafantarantsika ny sitrapony dia ny fifandraisana Aminy na amin'ny alalan'ny vavaka, na ny Teniny, na ny olony. Dia izay no fitaizana tsy ho voahozongona azontsika omena ny zanatsika.

:)
26. sorom ( 23/06/2005 13:51)
Momba ny hoe tsy Kristiana ny Malagasy... Matoa tafiditra tao Madagasikara ny fivavahana Kristiana dia tsy noho ireo misionera loatra fa noho Andriamanitra tompony efa niasa tao ela be talohan'ny nahatongavan'ny misionera.

Raha jerena ange ny tantara, latsaky ny zato taona no nisian'ny tolon'ny fivavahana kristiana sy ny nenti-paharazana e! Fa tafiditra ny fivavahana kristiana. Ary tsy hoe tafiditra fotsiny fa tsy sarotra ny nanao contextualisation (miala tsiny amin'ny teny vahiny) noho ny fitovian'ny fomba roa tonta saingy nila namboarina kosa ny fiheverana an'Andriamanitra kanefa tsy nananosarotra akory ny nanao izany. Midika izany fa na tsy noheverina ho Kristiana aza ny Malagasy fahiny dia niasa tao aminy foana Andriamanitra. Izany rahateo no porofoin'ny fahamoran'ny nidirany teto.

Ilaina koa ny tantara indraindray e!

:)
27. routa ( 23/06/2005 14:05)
sorom> tsara be lay hevitra sady mazava tsara tokoa
fa de misaotra :D
28. sorom ( 23/06/2005 14:11)
routa> toa isika sy ianao sy olona vitsivitsy mantsy no mitovitovy hevitra eto...

:-w
29. dadabe ( 23/06/2005 15:11)
nannn zah kounkou manaiky ka :wink:
30. Petalesoka ( 23/06/2005 18:55)
Mikasika ilay hoe tsy Kristiana na Kristiana ny Malagasy. Voalohany aloha dia tokony hazava aminao mpanontany io ny famaritana ny hoe Kristiana. Raha ny finoana ny fisian'Andriamanitra sy ny heriny no ilazanao ny maha-kristiana dia hoy aho hoe: na dia mbola tsy tafiditra teo amin'ny fiaraha-monina malagasy aza ny fivavahana dia efa niteny ny Ntaolo hoe: 'Aza ny lohasaha mangina no jerena fa Andriamanitra an-tampon'ny loha.' Izany hoe ninoan'ny Malagasy hatrany am-piandohana fa misy Andriamanitra ary manana mamaly ny ataon'ny olona Izy na ratsy io na tsara.
Manaraka izay, raha ny Baiboly no jerena, ny hevitry ny hoe Kristiana dia mpanara-dia an'i Kristy. Izany hoe, Kristy no ivo (centre) n'ny fiainany manontolo, raha lazaina tsotsotra dia hoe Tompo, Mpanjaka, Sefo, Mpitari-dalana, ... Raha tsy izay no miseho eo amin'ny fiainan'ny olona iray dia tsy azo lazaina fa Kristiana izy na dia mivavaka isa-minitra sy mandany ny androny manontolo any am-piangonana aza.
Misy koa anefa ny mandray ny anarana hoe Kristiana ho etikety (etiquette) ka miezaka hanana toetra tsara sns mba hahatonga ny fiaraha-monina handray tsara azy. Ilaina araka izany ny fananana discernement tsara vao hilaza fa Kristiana anarana fotsiny na tena Kristiana Ranona na Ranona
31. fijo ( 23/06/2005 22:49)
bichette an tamin'ny andron'ny rajesosy anie ka mbolanekena ny nanambady maro e.ary tsy voarara izany ,ka hekendry koa ve?:-w:-w:-w
32. routa ( 24/06/2005 09:34)
dadabe> hihihi:lol::lol::lol:
sorom>mahafinaritra anie ny maneho evitra e!
zaho aloha de nalahelo be le somary nisy olana teo sera2 iny fa misaotra ny Tompo isika fa niveriny e!
33. dadabe ( 24/06/2005 10:56)
bichette an tamin'ny andron'ny rajesosy anie ka mbolanekena ny nanambady maro e.ary tsy voarara izany ,ka hekendry koa ve?


na de tsy aty amiko aza de valiko kely ,amiko Tonga tety an-tany Kristy hanitsy zavatra maro,ary hampianatra zavatra maro ,hanamafy ny didy nomen'i Ray ,ary hitondra lalana vaovao sy fahamarinana ho an'ny olombelona ,ka raha io manambady maro io de ny silamo anie no manao azye,ny silamo taranak'i Abrahama sy i Hagara (vehivavy egiptianina ),de tsy tian'Andriamanitra ho very ny olombelona de nomenny ny zanany lahy tokana mba hitry sy hampianatra zavatra vaovao ,mba tsy ho very zay rehetra mino azy fa hanana fiainana mandrakizay
34. routa ( 24/06/2005 11:25)
dadabe >de atramin ny firy eo ny farafahaleliny kay zany ve tsy mifanohatra @ tenin ANDRIAMANITRA ?
35. sorom ( 24/06/2005 11:49)
dadabe> ekena tsy misy adihevitra fa dia marina tokoa tokoa e!

Matevina ihany izany laharana izany an!

=D=D=D
36. Veloo ( 24/06/2005 17:01)
Raha manontany oe kristiana ve ny gasy dia ie... ary oul tena matahohtra an'Andriamanitra ny gasy:P
37. zefalah ( 24/06/2005 22:33)
Petalesoka>> misaotra anao :D .
amiko aloa le resakao .Nefa indrisy sika tsy manatanreraka ny zavatra lazay-sika..sika miteny nefa tsy manao..zay le mampalaelo. varina.
mba firy @ gasy ary zao no mitaiza ny zazany amin'ny fomba malagasy? na ko hoe fomba Kristian?
sika anie ry Petalesoka mahay tsara an'ilay hoe Kristian e..fa sika tsy manatanteraka zay voalazan'ilay finona!! oatra..aza mijangajanga.
lazao amiko hoe: firy isan-dratony @ gasy no mjjangajanga? fanajana ray aman-dreny! firy @ gasy no manaja ray aman-dreny?
aza maniry fananan'olona..
Nefa ny gasy tsy tia ny namany mba lasalasa.
ka de tsy ho tonga @lay toerana tandrona tokony tratrarina sika raha mbola mitoy zao.
be ny Sida! ny zaza mamono ray aman-dreny.
ty mamosavy an'ty..ry maniratsira an'Andriamanitra.
inona no evitra?
zay no lazaiko anareo hoe: ny fomba hitaiza-sika an'ny zaza aty aorina sisa no azo atao mba anovana an'zao zavatra rehetra mandalo zao.
satria ny efa lebe efa tsy azo amboarina tsony.
fa ny kely no nde karakaraina mba tsy ho toin'reo ankehitsiny.
sa aona? de tsy aiko ndray ze evitrareo @ io?
38. zefalah ( 24/06/2005 22:47)
mialasiny amin'lay teny gasy e..zay ntena marina fa ny tena miezaka mianatra manoratra sy mamaky .
ataoko anefa fa azonareo iany zay tiako lazaina.
:(
39. marozevo ( 24/06/2005 23:11)
zefalah > Azo ihany ny tianao ho lazaina saingy mandreraka sy mampalahelo raha gasy tena gasy nefa tsy mahay teny gasy.
Mahagaga.... Sa mba geste fotsiny hoe any an-dafy dia tsy mahay teny gasy intsony. Tsy ianao irery akory no any ka mba mandiniha ihany. Menatra aho raha eo amin'ny toeranao.
40. dadabe ( 25/06/2005 04:28)
[/quote] marozevo :D:D
Mpandefa : sorom [ Valio ] 24-06-2005 13:49:26
Lohateny : Re : aiza ary ny marina?
dadabe> ekena tsy misy adihevitra fa dia marina tokoa tokoa e!

Matevina ihany izany laharana izany an!



menatsa be zah :oops:
hoy i routa
Mpandefa : routa [ Valio ] 24-06-2005 13:25:14
Lohateny : Re : aiza ary ny marina?
dadabe >de atramin ny firy eo ny farafahaleliny kay zany ve tsy mifanohatra @ tenin ANDRIAMANITRA



routa a le size hoe manambadyy maro ==> de hoy aho hoe io mihitsy ilay nahitsin'i Kristy ,satria ny silamo no tena nanao an'io,ary ny silamo dia tarana'i Abrahama sy hagara ,fa na izany aza de mbola mahazo "chance" ihany izy ireo hidirana @ fanjakan'ny lanitra raha toa ka miverina manaradia an'i Kristy.Zay le fanazavako ka tsy azoko hoe mifanohitra @ tenin'Andriamanitra ahoana?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0893