Tsy Mazava

1. suesse ( 18/06/2005 17:56)
Miheritreritra ve ireo Malagasy maro be fa tena mety be ny fihainana aty an-dafy ,Moa ve andafy ilay Paradisa nampanantenana.Raha toa ka manana ny valin ny fanotaniako ianao dia tena faly aho.
novalian'i fijo ny 27/06/2005 23:59
2. Lov ( 18/06/2005 18:20)
Mieritreritra ( fa tsy Miheritreritra)Fiainana ( fa tsy Fihainana) Azafady an ! Raha ny valin;ny fanontaniana ho ahy dia Tsia. Tsy ny vola ihany anie no mahasambatra, fitaovana ihany ny vola e ! Raha ny firenena misy anay aty @ zao de aleo lavitra mihafy @ tsotsotra nefa milamin-tsaina, nefa tsy haiko aloha @ firenena hafa e !
3. vegas ( 18/06/2005 19:31)
suesse> eny tokoa, tena mieritreritra ireo gasy marobe fa tena mety be ny fiainana any andafy. Omenao tsisy ary ve izy ireo? jereo ny fahantrana mianjady aminy aty madagasikara aty.Mankaleo ka rariny loatra raha mieritreritra an'izany hevitra izany. Ny fahita lavitra koa etsy andaniny manampy trotraka amin'ny zava misy any ampita any.
Tsy eto antany mintsy tompoko ilay paradisa nampanantenaina.
4. dadabe ( 19/06/2005 05:06)
suesse>ka mba mila zavatra mivotra foana anie fa tsy hoe ny eoihany no eo e,fa zah mahatsapa fa raha hitako any dago ireo zavatra mahaliana ahy aty dia aleoko ihany any @tanindrazako ,saingy indrisy ,aleoko miaritra trefle aty ,mba milay lavitra noho ny any @tanindrazako kle
5. xxx ( 19/06/2005 06:59)
Ilay xxx dia aty an-dafy izao. Raha ny fiainana aloha dia miadana kokoa aty. Naefa tsy io no tany nampanantenaina sady tsy mitady tany malemy hanorenam-pangady fa vokatry ny asa na fianarana sns dia miova toerana aloha e mandra-pà fa tsy mandrakizay. Hafa ihany i Dago nefa moa samy manana ny hanitra ho azy e. Gasy ka manja an.
6. kally ( 19/06/2005 07:46)
Tsy vitsy ny gasy no mihevitra fa any an-dafy izany dia fahasambarana ,omenao tsiny ary ve izy raha izay hitany @ fahitalavitra no itarafany an'izany an-dafy?
Fifirify no manontany hoe: any an-dafy koa ve mba misy mahantra e?Jereny mantsy ny vazaha sy ireo olona avy any an-dafy toa rehefa tonga mipetraka @ hotely lafo be, ny lanin-dry zalahy misakafo indray mandeha any @ restaurant karaman'ny mpiasa tsotra gasy iray volana ets.Betsaka ny mino fa misy hazom-bola any an-dafy any :tangosana isaky ny te-hanana.
7. xxx ( 19/06/2005 08:55)
kally, tsy azo inoana araka ny eritreritry ny sasany fa misy vola tangosana aty an-dafy. Misy koa ny mijaly mitady asa. Tsy hita e. Nefa tsy maintsy tadiavina io fa raha tsy izany dia tavela eo.:cry::oops:
8. britney ( 19/06/2005 11:05)
marina izany ny fiainana andafy di tsy misy vola latsaka avy any andanitra fa mila miasa mafy vao mahazo vola, ary raha tsy miasa de ireny lasa mpangataka sy tsy misy trano hialofana ireny ny hiafarany, ny vola fitady toy ny any madà ihany fa
ny valeur sy ny fahefa-mividy eo amy fiainana no tsy mitovy, fa ny fiainana andafy dia tsy paradisa akory
ka raha samy ho mafy ady de aleo mafy ady any amy tanin'i tena e!
9. sipagasy ( 19/06/2005 13:23)
Wadray gaga be za mamaky ato, fa angaha moa isika tsy notenenin'Andriamanitra hoe mitomboa ary mamenoa ny tany????? ka na tany aiza ahitanao ny mahafinaritra anao na aiza dia izay anie ilay fiainana e!!! tsy ny any Madagasikara ihany no natao ho an'ny Malagasy akory????

Samy tsy misy paradisa na ny any Madagasikara na ny ivelan'io koa fa ny fahaizanao mandrindra ny fiainanao hilamina & hiadana no lafatra indrindra.
10. sonwin ( 19/06/2005 13:43)
ny fitadiavana mahazaka maniraka fa raha afaka nisafidy dia hafa ihany Madagasikara, saingy..ho chomeur nge za raha any e, iza no olona hanakarama mpanamaina klé:@
11. dadabe ( 19/06/2005 17:42)
fa angaha ialahy any andafy indray lele :-w:-w
12. yonikafopl ( 19/06/2005 22:40)
dadabe tssss, nareo wa aza mampiasa io le+le io kaaa:(
13. sorom ( 20/06/2005 06:39)
Dia miverina indray ilay resakay sy yonika indray andro izay hoe "fahantrana antropolojika" (anthropological poverty) no tena mahazo ny Malagasy mihevitra fa misy vola tangosana eo amin'ny valin-tafo aty an-dafy! "Fahantrana antropolojika" notefen'ny fahantrana ara-materialy anefa ilay izy fa tsy nofinidiny...
Na izany aza dia mbola ho elaela kely vao ho afaka izay fiheverana izay. Ny fahantran'ny maha-olombelona azy dia fahantrana tsy mamela azy hahita izay "kely mba tsara" eo amin'ny tontolo manodidina azy intsony satria tsy ananan'ny fahefa-mividy, ary mambabo azy rahateo koa ny manjelatra hitany amin'ny aty an-dafy. Izay no manery azy hieritreritra hoe ivelan'i Madagasikara no misy fiainan-tsambatra.
Tsy izay foana anefa...
:-w
14. rurik ( 20/06/2005 12:28)
suesse, ny atao hoe paradisa aloha dia asa na misy marina io fa eno foana hoe paradisa2 fa mbola tsy nisy nilaza fa efa nahita izany paradisa izany e!ka raha ny fiainana aty andafy aloha dia misy koa hatao fitaovana mba hanatsarana ny fianakavina sy ny manodidina e satria maro ny miasa aty ary mba manampy ny fianakavina koa any e na tsy ny fianakaviana irery fa ny manodidina koa ka raah ny amiko dia fitaovana hoetina miasa koa. asa aloha e!
15. booboo ( 20/06/2005 12:40)
suesse>ié mieritreritra an'izany ny ankamaroany kah! mijery films ve izy dia oul manana frigo feno, auto iraika, manana baignoire, ny trano tsara, feno raha, manambola beeee aby aby ny oul any (ny kaly atoandron-dreo sandwich sy jus sy tsy haiko na eny @ resto fôôna nefa izany lafo velona aminy) etsetra etsetra. Dia normal izy raha hiteny fa "paradisa" ny fiainana any an-dafy. Fahantrana araka ny tenin'i Sorom mahatonga an'izany. Hany ka "l'herbe est touzzzzzzours verte ailleurs". Rehefa tonga any, na misy fiovana aza ny fiainana, dia miatrika ady hafa indray dia na aiza na aiza dia mafy foana ny fiainana e
16. fijo ( 20/06/2005 22:16)
hoan'ny tsy mbola nahita dia tsara aty.ary tsy diso izy raha ny zavatra haseo azy any no hilazany izany.fa rehefa miaina aty,dia toa ny fiainana rehetra ihany e.ady ny fiainana fa tsy misy latsaka hoazy izany.
17. bichette ( 23/06/2005 13:34)
fijo > rehefa miteny ianao hoe ady ny fiainana, inona no tena tianao lazaina amin'io
18. fijo ( 23/06/2005 19:51)
ny tiako lazaina dia tsy misy zavtra azo moramora izany aty fa toa ny any ihany.miasa mafy vao mahazo zavatra.
na ny sipa milay aza dia mila hezaka mafy vao mety ahazo.
19. sipagasy ( 25/06/2005 07:57)
mmhhh fijo, mety hahazo inn ny sipa manja??oups hay za tsy nahazo resaka hhih annn ok we sarotra ny mahazo sipa manja hihih ty ra virja ty wa tena mmhhhhh
20. bichette ( 27/06/2005 15:25)
any andafy koa dia misy mpangataka, misy olona mpisotro toaka, misy ny tsy manana trano, misy tsy manankialofana, misy centre psychologique maro dia maro ary misy amin'ireo aza tsy aloha vola ho an'ny tsy manana, be olona mivika nohon'ny fiainana sns:(
tsara be ny magazay, ny akanjo, ny supermarsé goza be, betsaka ny fiaramanidina eny amin'ny lanitra, misy cimatiseur zy chauffage daholo ny trano, ny 80% ny olona manana machine a laver sns :lol:

fa mila miasa be isanandro raha te hanambola sy te hanana trano tsara tarehy, milaa mifoha maraina be manenjika bus metro sy miafy ny embouteillage isan'andro, tsy mody ny 90% ny olona ny atoandro fa dia any ampiasana sy mihinana any amin'ny snack sy bouf rapid plava, ny ankizy sy ny vady ny hariva sy ny maraina sy ny week end ihany vao hita, ny tena ihany no manadio trano, ny tena ihany no mahandro sakafo, na reraka tahakan'ny inona aza avy miasa dia tsy maintsy mbola ny tena ihany no mahandro, raha misafidy ny hividy sakafo efa vita, na hoe hihinanan sandxwich na hoe hihinana sakafo congelé efa didina vita dia tsara nefa tsy mahasalama foana

efa lava be loatra angamba fa dia anjarany tsirairay ny mieritreritra
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1476