CANCER : NY FISEHONY, IREO OLONA VOANY, ny ady atao, sn ...

1. bichette ( 16/06/2005 09:54)
mba lasa saina ihany aho hoe ahoana ny endrika hisehoany amin'ny voalohany ? misy fanaintainana ve ? efa hahita ol voany ve ianareo ka tena hoe sitrana tanteraka ? dia faritra inona no voany

inty adihevitra inty dia resaka momba ny CANCER en general, misokatra ny adi-hevitra
novalian'i bodo14 ny 26/09/2014 14:50
2. ari.malala ( 16/06/2005 10:52)
bebeanay zao voan'ny cancer de sein de hodidiana @ 26/07 zao. Toa hoe navesabesatra ony ny ilanonony le voa fa tsyhaiko na ny havia na ny havanan tsin le voa, de zao hodidiana izay.
3. radriana ( 16/06/2005 14:13)
Ca dépend ny toerana misy azy sy ny stade-ny;
Cellule marary dia mi-se multiplier ary tsy misy signe mihitsy raha tsy efa mahakasika ny fiasan'ny organe. Ny signe koa dia miankina @ toerana misy azy, ohatra raha ny tsinay no voa voalohany dia mety hoe misaigner foana ilay olona rehefa mankany @ toilettes, raha ohatra indray hoe ny sein dia manaintaina, ny cerveau marary andoha be foana.
Hatramizao aloha dia mbola tsy nahita olona hoe sitrana tanteraka aho fa ny olona fantatro sy akaiky ahy dia mbola sous traitement depuis 5 ans. Ary ilay izy na esorina dia miverina foana au bout de quelques années. Rehefa tonga ny phase finale dia midika fa y a plus rien à faire satria efa mihanaka partout ilay izy.
Ny ady aminy indray aloha dia hoy ilay medecin izay hoe tsy mbola fantatra foana ny mahatonga azy ka ny azo atoro ny olona fotsiny dia ny fananana vie saine, pas trop de stress, sommeil assez suffisant ( 8heures par jour )alcool et cigarette à consommer avec moderation ou supprimer s il le faut ...
4. bichette ( 16/06/2005 14:26)
mahafantatra olona roa aho efa voan'io, ny iray efa phase finale fa sitrana tanteraka anefa ny iray koa efa phase finale, 8 jours sisa no nomen'ny dokotera fa mbola velona saingy miverimberina dia operer-na foana ...
arakaraky ny olona koa ve izy io e ? ny gabari hoe mahazaka tsara ny chimio, ny moral n'ilay marary sns...
5. fijo ( 16/06/2005 19:53)
ny dadako dia matin'io,ka ny azy ny vavony no voa ,nefa izy sady tsy toaka no tsy sigara no tsy paraky.
nisy olona fantrao koa izao voa ny nonony ary efa nodidiana tamin'ny 2002,tamin'izay izy dia nolazaina fa iray taona sisa.nefa izao izy dia tsy maninona intsony.efa niverina taty izy nanao fizahana tohiny fa dia tsy misy inona intsony.ka tsy haiko hoe ahoana marina izy io.
fa za aloha dia matahotra azy io e
6. bichette ( 17/06/2005 06:18)
ohatran'ny efa maro ihany manko ny voan'izyio amin'izao vaninandro hiainantsika izao ka mampatahoatra ihany
7. lapoussy ( 17/06/2005 07:57)
Za mafatatra ol nodidiana ny nonony tam mars tany ho any, d diagnostiquer hoe cancer ilay izy, ka ny olana d vao nanao chimio izy d niareraka b sady voa b ny morale-ny nefa talon'izay izy tsy nanino mitsy. ka mapanotany tena iany ny utilité-n'ilay chimio. satria ny volony mihitsana, izy me-antitra apitoerana...
Fa izao e : inona moa no tena mahatonga ilay cancer du sein?
8. fasaly ( 17/06/2005 15:29)
ny fanafodiny aky de ny manao depistage na cancer isantaona, indraindray tsy fantatra akory hoe misy cancer le olona fa izy efa manao menace iny vao hoe tratra izany ka aza mba ny voany ihany e!
9. Veloo ( 17/06/2005 18:38)
magostika doly ny tenako maheno anareo tena loza fa aretina ratsy io... raha matanjan-tsaina ilay mariry dia afaka mihitsy. Ny saina no tena mi-guide ny fiainan-tsika ry reto a :wink:
10. chipie1 ( 17/06/2005 18:57)
ilaina ny fanaovana mammographie in-1 isantaona , mba itsinjovana e!
11. kally ( 17/06/2005 21:47)
E! ka na hitsinjo aza moa, ny nono no narahi-maso hay ny tsinay no voany.Aza misy anie izany!!!Mihinàna sakafo voa-janahary foana ry reto fa aza dia tia an'ireny sakafo namboamboarina ireny a!
12. JobeTDM ( 18/06/2005 05:02)
Que chaque individu assume sa part !
13. bichette ( 23/06/2005 12:57)

marina ny tenin'ny kally fa mila mitandrina amin'ny sakafo hohanina indrindra moa ireo izay mipetraka amin'ny firenena mandroso, manaranaka hono izy ireny INJAINJAY ???

misy mpiara miasa amiko, vao niditra niasa tato aminay izy herinandro, tanora kely no tena tsara tarehy izany raha vehivavy, ny masony moa dia tena mahalasa adala mihintsy hoy ny sasany , tampoka teo arret maladie hono dia lasa ny 2 herinandro dia arret maladie foana hono dia teny teny tsy niasa teny foana izy farany nanontaniko ny iray birao taminy dia hoe : misy cancer hono... mampalahelo be mihintsy hoy moa ilay mpiara miasa hoe tena mampalahelo be hono izy fa tena mahavaky fo be mihintsy ny mahita azy amin'ilay aretina. tohina be ny foko nahita ilay mpiara miasa nitantara ilay izy tamiko. Ilay sipa vao manomboka fiainana, vao nahita asa sns

tsy fantatra ry reto ny ampitso fa dia mifalia isan'andro raha mbola misy fahasalamana, raha mbola velon'aina
14. fijo ( 23/06/2005 19:57)
bibi tena manja ve izy izany??nohooo ndry ve?,
izay eo fa tena gravy le olona voany ka.ny dadako tia sport be ary olona natanjaka be.70kg izy taloha.fa nony maty dia 36 kg sisa.tsy sigara tsy toaka nefa lery.
15. bichette ( 24/06/2005 06:29)
fijo > manja izy ka :^)ny hoe noho izaho ve dia tsy haiko injay fa samy manana ny fahitany koa
16. fijo ( 28/06/2005 22:19)
bibi hummmmmmm
17. cutie ( 29/06/2005 22:56)
Mpandefa : bichette [ Valio ] 16-06-2005 11:54:45
Lohateny : CANCER : NY FISEHONY, IREO OLONA VOANY, ny ady atao, sn ...
mba lasa saina ihany aho hoe ahoana ny endrika hisehoany amin'ny voalohany ? misy fanaintainana ve ? efa hahita ol voany ve ianareo ka tena hoe sitrana tanteraka ? dia faritra inona no voany

inty adihevitra inty dia resaka momba ny CANCER en general, misokatra ny adi-hevitra

aty aminay tena bdb no voan'ny cancer , fa raha ny fahitako azy de refa manao visite any @ dokotera le oul de any voa hita we misy cancer le oul. Raha mbola tsy mihitatra le izy de azo tonga de tsaboina. Raha efa tara loatra de tsy maintsy hiafara @ fahafatesana ihany.

Asa raovina vo hisy ny fanafodin'io cancer io
18. majesty ( 30/06/2005 08:37)
ny azoko lazaina de zao ihany e!aleo hono misoroka toy izay mitsabo ;voalazan'ny mpandinika sy ny manam-pahaizana fa ny olona végétarien dia tsy mba ho voan'ny cancer izany ,satria ny mahatonga an'io aretina io ny ankamaroany dia saika avy amin'ny nofom-biby noho izany dia mba ahenao kely zany ny fihinana an'ilay matavy e:D:D:D
19. fijo ( 30/06/2005 21:50)
aoka letsy.kaly ve ajanona le
20. majesty ( 01/07/2005 04:33)
fijo : ka izay tinao ihany io na ny fandrina mafana na ny valala manatody ko :P:P:P
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.084