Mpanao politika

1. maditra ( 15/06/2005 21:44)
Manaja an'ireo olo-maventy (Pr Zafy, Andriamanjato Richard, Voninahitsa, Saina Michel, sns) izay mitarika ny opposition ny tenako, ary manaja ny mpitondra koa. Olona samy tia tanindrazana ireo, ary izao aho vao tena mahatsapa izany ka ny miara-miasa no tokony ataony. Mampisy fanantenana izao ny fanafoanana ny trosa Malagasy, mampisy fanantenana koa ny fahafoizan-karena ataon'ny mpanohitra, amin-javatra hitany fa mety hahasoa ny firenena. Kanefa raha tsy miara-miasa ireo, na tsy mifampitondra ho mpifaninana fa mpifahavalo izao foana dia tsy hankaiza mihitsy isika. Azo atao ny manohitra sy ny miara-miasa amin'ny mpanohitra koa maninona ary ny mpanao politika Malagasy no tsy manao izany??!
2. fijo ( 16/06/2005 04:42)
le politika mihintsy no tsy mbola hainy ry maditra an.
aminy politika =seza.izay no mahatonga ny ady lava.
raha politika =fitadiavana ny soa hoan'ny firenena mahay mifanaja ireo,ka mety hiara miasa
3. moi ( 16/06/2005 04:54)
Satria Ra8 tsy manao politika, na ny marina kokoa angaha tsy mahay politika, ary efa nambarany fa aleony ny fampandrosoana no ataony, fa ny lafiny politika aleo ataon\'ny tia ady politika.
Fa fijeriko manokana dia io fahalemena ara-politika io no hitan\'ny mpanohitra kitikitihina sy lalaovina, fitadiavan-tseza mazava ! Aleo ny ho avy no hilaza azy ! Marina fa raha ny lafiny sosialy dia tsy tafavoaka mihitsy ny fitondrana, nefa izy no hitako no nahavita be indrindra raha jerena ny fe-potoana nitondrany.
4. dadabe ( 16/06/2005 04:59)
zah tsy mahay politika kle
5. ravatorano ( 16/06/2005 05:18)
moi
6. fasaly ( 16/06/2005 06:09)
dadabe:

zah tsy mahay politika kle



itovizana io dadabe a! de ny manaraka fotsiny no hatao e! ninona hitranga eo
7. eh ( 16/06/2005 11:23)
ny sasany kosa efa mbo tokony hiala sasatra amin'izay ê! tsy mety leo ve ireo efa ela nanaovana an'io ê! avelao mbo hoan'ny olombaovao indray d mbo hiova ohatran'izay ilay toe tsaina @ resaka politique!!!
8. ravatorano ( 17/06/2005 08:12)
ny fanaovana politika houzy ry zalahy dinozoro ireo tsisy retraite izany fa efa ao anaty mihitsy ka raha mbola hahasoa ny firenena ihany d tsy maintsy miteny ry zareo.
Raha tena hahasoa ny firenenan marina moa !:oops::-P
9. mandrindra ( 20/06/2005 08:37)
tsy haiko aloha raha fanaovana politika no tokony hilazana ny aton'ireo olona ireo na fanaovana wawawa fotsiny. Mba efa nanome ny lalana tokony ho arahina sy ny asa ho tanterahana hampandroso ny fiarahamonina ve ry zalahy ?
10. zandrypte ( 20/06/2005 15:57)
Tsara fipetraka ilay fanontananao ry Mandrindra .
Rahoviana marina mo ny mpanao politika gasy tsy Hanavahana no mba tena hanaraka ny rafitra fanaovana politika izany hoe manaja ny alternance ary koa manaja sy mihaino ny opposition
11. fijo ( 21/06/2005 21:38)
raha tena hanasoa ny firenena marina tokoa moa ko maninona????
12. ravatorano ( 22/06/2005 09:51)
sarotra ny hanajan dry lerony ny alternance satria izao izay hahitana seza ihany io ka raha vao tsy tafa izy d manohitra d mikotaba eran ity vodirindrina ity d avieo manao izay hahazahoana seza indray.Izao koa aza hadino fa misyu koa mpitondra tonga eo amin ny toerana mivadika tampoka tsy araky ny nanampoizana azy ka voatery izany ny ampahany sasany mikotaba izay tsy mpomba ka eo no manahirana satria raha tena tsy mandeha marina ilay asa ataon ilay mpitondra eo dia mbola hiandry alterance v ka efa latsaka ankaterena efa anaty lavazka b vao hitady mpitsabo indray
Asa aloha fa izaho sy dadabe mitovy ihany sami tsy mahai politika
13. zefalah ( 22/06/2005 19:55)
resakak'olondehibe izy ty :)
satria nareo nitady an'ilay hoe fiara-miasa dia zao no azoko avaly.
ny gasy na aiza na aiza dia tia tena..ary tsy tia ny havany anakarena.
toizany koa ny mahazo any madagascar amin'izao fotoana izao..manana manana manana iany.. na trano fiara na vola na tany..
fa ze mavo mavo dia mavo mavo.
le hoe tokony hiara-miasa ny mpitondra malagasy.
tsy matoky aho..ary tsy ho isy mintsy io fiara-miasa io..satria ry zareo ao ambony ao dia toiny biby
mifampihinana...fanajana alo no atolotro an'reo zay tia-tanindrazana..ary fanisina kosa no atolotro ho an'reo zay tsy mbola tonga saina.
14. ravatorano ( 23/06/2005 06:10)
Nny tenako ihany koa dia manaja ny mpanao politika eto na ireo vao misondrotra amin izany na ireo efa ela nihetezana fa kosa amiko dia tsy mahazo ny salan isan ny 5% amin izy ireo no tena tia tanindrazana ka mitetika marina ny hampandroso ity firenena ity raha ny hitako hatramin izao aloha satria efa samy teo amin io fitondrana io daholo ry zalahy ireo.
15. eh ( 23/06/2005 10:35)
fa tsy efa mitady izay hampandrosoana ny tanindrazana v ireo mpitondra ireo ê? inona no tsy anampiana izany hevitra izany fa mitady hirika hitondra fôna? seza lava izao tsy hita anefa izay tena zava bitany teo t@ nitondrany!!!efa tsy ela intsony ny fifidianana ê!efa voahozona mihintsy ny sasany!
16. bendrina ( 23/06/2005 16:28)
tsara ny fisian'ny mpanohitra ra toa ka tena fampandrosoana ny dago ny tanjona , ny mahaamo ny aty @tsika anie fa de teo daholo iro mpanohitra ireo taloha fa mba tanisao eto hoe ny zavatra vitany t@izireo teo mba reseo lahatra ny rehetra za manokana kalou dia tsy nahita firy fa mitovy @zao ihany ny fahantrany tsika malagasy izao azany mba betsaka ny mahafinaritra ny maso n dia mahantra aza
t@ fitondran'i zafy inona no tena misongadina? tsy gaboraraka ny safira v no betsaka ? dia nodimbiasan'i DEBA fotsiny tsy hitanisa anarana betsaka isika fa ireo kalongany no mba ametrahako fanontaniana?
izaho tsy makasitraka ny fitondrana @ zao akory satria tsy maharaka ny fiainana sy tena hiaina'i rehetra aho ka tsy miditra lalina lotra sao difotra
fa ny fotsiny mahita ireo rehetra efa teo daholo ihany tsy nahavita zavatra nefa dia mivazavaza ho re tany sy ny lanitra fa tsy mandeha ny fitndrna @ izao
dikany ny mpanao politika rehtra dia mitady toerana sy serza ary dabilio:-D=D:-$=D=D=D=D
17. fijo ( 23/06/2005 22:05)
ny itako mahavoa antsika ao koa dia izao.ny mpanao politika dia tsy mba manana hevitra hijoroana sy tohanan,fa izay misy ahazoana toerana no tohanna.aty ohatra rehefa sosialista dia sosialista fa tsy hoe tsy lany ny sosialista dia hivadika ump indray aloha mandra pa.
any anefa,androany tsiranana,rahampitso ratsiraka dia lasa zafy tampoka ary tim ny niafarany.izany hoe tsy manana hazondamosina fa manohana olona be fahatany.ka raha izay aleo tsy manao
18. mandrindra ( 24/06/2005 09:04)
Ka io anie ry fijo, ireo antoko politika ao amintsika aza dia efa tsy tambo isaina e. Ny anarana fotsiny no mipôpôka hoe antoko katsaka e, antoko tsaramaso e, fa rehefa jerena tsy misy na iray aza manana fehinkevitra hijoroana , na ny antoko mpanohitra izany na ny eo amin'ny fitondrana na ireo izay misabaka. Rehefa misy mpanao politika iray mandray fitenenana dia ny IZAHO IZAHO no ataony ho henon'ny olona voalohany.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3552