Iza no mpanakarena indrindra?

1. hery ( 31/05/2005 09:56)
Toa nisy filazana (sy fireharehana) hoe betsaka ireo nanaiky ny fijerena ny loharanonkareny sns mba hialana amin'ny mety ho fampiasana volam-bahoaka.
Mety ho azo fantarina izany amin'izao fotoana izao hoe iza no manan-karena indridra ny Malagasy? Dia mety ho azo fantarina ihany koa hoe ohatrinona no fitombon'ny hareny... dia ho hita eo hoe misy mpambotry vahoaka tokoa ve.
2. ainaheri ( 31/05/2005 10:01)
De tena mino marina v ianao ra hery fa ny tena izy no avoakany eo mbay tany samy tsy ilaza ny marina doly reo
3. ravatorano ( 31/05/2005 10:27)
ny mpanakarena tsy hilaza ny hareny mihitsy satria amin ny ankapobeny dia avy amin ny vola nahodina ,na bizina maizina avokoa no nihavian izany raha hadihadiana ka inn no avoaka eo.
tsisy zany hery ah nofi2 atoandro izany raha mbola amin izao aloha , izaoi mantsy ny olona nieritreretina fa hanova ilay toetsaiana lomorina sy lo ela b izay no najary nanana izany indray taty aoriana ary mitady hihoatra aza ka d dianiho amin izany eh sady izy samy mpanana izay mikont'rôle ny firenena v tsy hahay hifanamboatra eh
:-w:-w:-w
4. radriana ( 31/05/2005 10:32)
Ilay fanontaniana hoe hoatrinona no fitombon'ny hareny tao anatin'ny x volana na taona no tena tokony hahafantarana azy satria kosa anie tsy mitovy ny 80 taona niainana nanampotoana nanangonakarena sy ny nanakarembe tao anatin'ny fotoana fohy e.
5. pika ( 31/05/2005 12:42)
ka na fantatra aza dia hanao inona anefa efa voavidin-drizareo anie ....
6. dadabe ( 31/05/2005 13:59)
...raha te hanakarena hoy ilay namana anakiray zay de miditra ho isan'ny franc macon...
7. hery ( 31/05/2005 15:08)
pika> raha fantatry ny rehetra aloha dia afaka mifampitady eo hoe mahantra marina ve ny malagasy sa tsia? sao mantsy dia ny sarambabe fotsiny no asaina mihafy fa ny sasany toa mitombo hatoka ihany.

dadabe> tsy efa ariary macon ve? :-)
8. fijo ( 31/05/2005 23:07)
ka io anie rehefa atao dia tsimaintsy misy aloha ny fikipiana tamin'izay efa vita e.fa manomboka eo amin'izay no arahamaso.izay ihany no mampety an'io
9. pika ( 01/06/2005 05:01)
ny mikarama @million maro2/mois sy ny sisa ve ahantra e?
ny mampitombo ny harenanay foana @ fifidianana tany mety hanaovana ferme, orin'asa, ... sy ny fampidirana omby oh tsy natao ho zakan'ny tatsaha sy ny marobe tsy voatanisa
aiza ho aiza @ ravahoaka Malagasy :?:
vahoaka efa reraka tsy ampy sakafo, tsy mahatsabo tena intsony raha marary, ny fianaran'ny zanany potehina atao izay tsy ahatonga lavitra ... tsy hafa- manoatra intsony fa efa kakerin'ny amboakely tiany ihany
10. fijo ( 15/06/2005 04:52)
io ambony io ilay toetsaina mamoehitra.
io no tena atao hoe resy tsy miady.
11. ravatorano ( 15/06/2005 05:18)
amin izao isika miteny izao aloha dia izay mbola manana ihany no manan eh fa mbola tsy tanteraka ilay hoe hampanana anay madinika aratsosy fa vaventy vatana hihihihih !
:-D:-D:-D:-D
12. pitchou ( 15/06/2005 10:11)
asa aloha an! fa ny fahitako azy arakaraka ny vola ampiasaina ihany no mampitombo haingana ny harena! noho izany tsy tokony ho gaga na hanome tsiny na hanenjika isika raha toa ka ireo be vola dia miavosa haingana kokoa ny tombony azony. Ny resahako eto tsy ny fanodinana @ tsy rariny fa eo @ lafiny tena marina an! raha manana building iray mihofa ohatra ianao dia afaka 2 na 3 taona dia hahatsangana building iray faharoa, fa raha mbola vao manofa trano ianao dia mazava ho azy fa mbola ho ela! raha tsy hoe mahazo @ loto sy pmu angaha! arakaraka ny fahaizana mampiasa vola ihany koa io! d mitovy @ le fampitombona talenta e!
13. moi ( 16/06/2005 05:21)
Ny vola ihany no miantso vola, hafa tsy hoe fitahian'Andriamanitra angaha, satria aho mpino.
Fa mba gaga aho amin'ny ilay resaka hoe hampanana anay madinika e ! nefa voasoratra hoe "Izay manana dia mbola hanana, ary ny tsy manana, na ny kely hananany aza hesorina aminy"
Manao zavatra ity fitondrana ity, fa ny toa io kosa mba tafahoatra ka ! sa izaho tsy mpino ?
14. ravatorano ( 16/06/2005 05:43)
aiza kosa eh afaka mampanana ny tsy manan kosa ny fitondrana satria azony atao tsara ny mampiakatra ny fahefa mividin ny vahoaka rehetra raha miakatra ny fitombon ny harikarem pirenena.
Asa na izaho ny tsy mpino na i moi ? :wink:
15. pitchou ( 16/06/2005 06:56)
HIHIHIHI NO COMMENT
16. moi ( 17/06/2005 12:21)
Ny ahy aloha ireny chiffre ekonomika mipoapoaka ireny tsy dia voako loatra e ! nataon-dry zalahy nibahana panneau publicitaire be mihitsy tamin'ny fifidianana dec 2001 iny, asa raha tadidinareo, PIB e, kisarisary e hoayahoay ...
Dia ahoana koa ilay hoe hahavidy 4L daholo ny fianakaviana any Antsiranana ? Tsy ohatry ny mba misy tafahoatra ihany ve ?
17. fijo ( 21/06/2005 21:42)
ny 4L iray izao aty dia 500 na 900 euros.dia misy ny fandefasana azy.ny doany.dia lasa hoatrinona izany izy any?
18. ravatorano ( 22/06/2005 10:03)
ka ny nbitenenana an iny tany antsiranana anie dia izao eh hilancéna ny 4l fa zao any amin iny trazpany avaratra iny lasa lamody ny manana 4l sady atao marevaka b mihitsy satria any anie ny mponina any manakarena raha oharina amin ny faritra hafa e satria any ry la vanille.
Mino fotsiny ihany dia aleo za hiasa mafy letsy ry moi fa sao tsy mikapa eo ny papooziko kle:twisted::-D:-D:-D:°)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2073