ny trinité masina!

21. marozevo ( 26/05/2005 23:38)
xxx > Efa niverimberina teo fa TSY MISY ANDRIAMANITRA TELO izany e. Iray ihany!! Betsaka ny fanazavana azo entina, ary efa misy santionany ireo ambony ireo, ka tsara dinihina. Na izany aza anefa dia averina tokoa fa MYSTERE io. Ny dikan'ny hoe mistery dia tsy hoe zava-miafina tsy ho fantatra, fa zava-masina ambaran'Andriamanitra amin'ny olombelona amin'ny alalan'ny Teniny sy ny Fiangonana.
Ho ahy dia averiko ihany fa mety hanampy antsika hahazo ny Trinite Masina ny endriky ny fianakaviana iray : père, mère et enfant(s). Any an-dafy, ary efa miha mahazo vahana eto amintsika koa, dia mitovy ihany ny anaran'ny olona ao anaty fianakaviana iray fa ny fanampiny no samy hafa. Ohatra : Famille DURANT, dia io daholo no anarany ao, satria iray fianaviana izy, saingy avy eo misy hoe Durant Gilbert na Durant Eugène sns... Marika manambara ny maha iray TSY AZO SARAHINA ny fianakaviana izany. Tsarovy anefa fa ny ohatra, hono, matavy tapaka hatrany.
22. pitchou ( 27/05/2005 12:58)
marozevo> tena vao maika manalavitra ilay 3 nefa 1 izany fanoharana @ fianakaviana izany! ny an'ny vazaha ange problemana recensement no antony nanaovana ny olona ho numero fotsiny e! fa ny an'ny gasy samy manana ny maha izy azy feno ny olona tsirairay! nisy ny tendance n'ireo olona fatra-panenjika fomba vazaha (mba te-ho vazaha e!) nanaraka an'izay, nivern-dalana ihany! indrindra moa fa ny vazaha ange izao ka tsy voatery ho ny anaran'ny ray no omena ny zanaka e! efa tsy voatery ho simple n° ny zaza any izao
ambonin'izany, ny any indrindra ange no tena manasaraka ny atao hoe fianakaviana e! tsy aleo mba ex hafa no omen'i marozevo?
23. routa ( 27/05/2005 17:33)
zaho klouny tsy manakambara @ io fa zay mahay milaza fa sarotra be io kou.
24. pitchou ( 27/05/2005 20:08)
ka rehefa mino aloha angamba tsy tokony hiroaroa saina fa dia mino fa izay no izy kose e!
25. dadabe ( 27/05/2005 20:15)
routa hihihi
26. routa ( 29/05/2005 10:57)
dadabe> ka zany kou tsy haiko le izy za tsy mikasika2 zavatra tsy haiko fa mbola hianarako io aleo mianatra fa fianarana ny teny Andriamanitra zany moa oooo.:D
27. dadabe ( 29/05/2005 14:32)
ie :o
28. routa ( 30/05/2005 11:42)
:D:
29. ari.malala ( 30/05/2005 13:57)
xxx:

T@zahay mbola kely napenarina katesizy.
de mba nahay resaka Christian.
Nefa itako taty aorina fa Trinité tsy mety ato@ Andriamanitra.
aona no hisy Andriamanitra telo zany ry reto a?
Andriamanitra dia ray iany amiko. Misaotra anareo namaly.
Fa Ze mino fa Andriamanitra dia telo..aoka mba hieritreritra tsara aloany hivavahany.
Hoe:Hivavaka amin'za aho ? @le ray sa amin'le zanaka sa amin'le fanay masina.



Tsy mamaky tsara angamba ianao fa efa be ireo voalaza ao ambony ao ireo. Tsy telo Andriamanitra fa iray ihany, ary mitovy ihany ny asan'izy ireo. Ko na hivavaka @ Ray ianao, tonga any @ Andriamanitra ihany, na hivavaka @ Zanaka ianao, vao mainka tsara be, satria Izy Zanaka no efa niteny fa raha mangataka zavatra @ anarany dia ho azo izay rehetra irina raha atao am-pinoana ko! Raha mivavaka @ Fanahy Masina ianao dia hahazo hery sy fahazavan-tsaina tokoa! ko inona no tadiavona mihoatra izany?
30. dadabe ( 30/05/2005 18:32)
izay le hoe fiaraha-miasa,ary io fiaraha-miasa io no nalain\'ny devoly tahaka,ary izay ilay trinite demoniaka,fiaraha-miasa\'ny demony-bibidia-mpaminany sandoka.Mety ho sarotra aminao ny hanaiky izany ,nefa zay no marina.Diniho tsara ny soratra masina de ho hitanao fa tsy misitery io fa zavamiafina
31. pitchou ( 30/05/2005 18:39)
tena aoka tsy ampidirina @zany kosa ny bibidia fa aiza no hahazan'ny rajako ze hevitry ny demonia any na ny ankoay an'izany?
32. dadabe ( 30/05/2005 18:51)
pitchou>bibidia =code biblique entina milaza fanjakana iray raha vao miresaka faminaniana ao anaty soratra masina.
Indraindray koa izy io maneho mpanjaka,fa tsy ilay bibidia ara-bakiteny akory


ohatra:daniela 7:1"...dia nahita bibidia niakatra avy tao @ranomasina lehibe aho ..."

ny ranomasina=firenena na vahoaka

bibidia=mpanjaka

noho izany ny bibidia niakatra avy ao anty ranomasina dia mpanjaka avy t@vahoaka
33. pitchou ( 30/05/2005 19:26)
dia ny ranomasina indray no omenareo loza nefa tsy ho velona nareo raha tsy nisy an'io an!:roll:
d maninona no tsy nolazaina hoe devoly-fanjakana-mpaminany sandoka?
dia rehefa nisy zanak'israely namaky ny ranomasina mena izany dia namaky vahoka no lazainy? an an an! vahoaka mena izany ilay ranomasina mena? dia inona no ilazana ilay "ranomasina" fantatsika io @zany?:D
34. dadabe ( 31/05/2005 05:37)
hmmm
zao an ,misy ny antsoina hoe faminaniana ao anaty baiboly ,misy ny faminaniana ny zavatra ho avy teo @tantaran'ny zanak'israely ,fa misy kosa ny faminaniana ny zavatra ho avy teo @tantaran'ny zanak'olombelona rehetra ,ka na boudhista ,kristianina ,silamo ets... de voakasika io faminaniana io avokoa.Hendry Andriamanitra ka dia no -coder-ny io faminaniana io mba tsy ho fantatry ny zanak'olombelona raha tsy any @fiafaran'izao tontolo izao,nasehony t@alalan'ny sary an'ohatra izany faminaniniana izany ,ka na dia ireo Mpaminany tany aloha aza dia tsy nahatakatra izay voalaza satria dia miendrika sary anohatra avokoa nno hitany .Ohatra bbibidia-dragona-ranomasina-vehivavy-soavaly-kintana,de ny zavatra hitan'ny faminaniana ia hoe vehivavy mitaingina bibidia,raha raisina arakeviny io de horera be ,nefa misy heviny lehibe izany.

Ny ranomasina sy ny zavatra niseho t@andron'i Mosesy indray de tsy faminaninana fa fahagagana ka tsy misy idiran'ny codes-mihitsy .

Aza afangaro ny hevitra raiketin'ny soratra masina fa manjary miova hatramin'ny fandraisana azy.

Andriamanitra anie haniraka ny Fanahiny Masina hanazava ny sainao satria tsy efan'ny fisainan'olombelona ny famoasankevitry ny faminanina

Mazotoa e!
35. ari.malala ( 31/05/2005 05:50)
tsy misy zavatra azoko izay lazain'i dadabe! efa naaky im-piry aho fa tsy azoko!
36. pitchou ( 31/05/2005 10:14)
ka ny olona no manova ny hevitr'izay voasoratra ao anaty baiboly hifanaraka @ ze mahafinaritra ny sainy! fa izay voalaza ao dia tokony ho raisina tsotra! rehefa ranomasina no resahany aoka tsy hisy hanova hoe lanitra iny, na izao tontolo izao iny na vahoaka iny na embouteillage iny, fa ranomasina izay!
Dia ny olona koa no manisy fitsarana ny zavatra tiany atao hoe tsara sy ny zavatra tiany atao hoe ratsy ao anaty baiboly! fa matoa neptraka'Andriamanitra tety dia tsara avokoa izay!

dia eo koa ilay mampifangaro wa ny contexte sy ny hevitry ny tantara!
37. dadabe ( 31/05/2005 11:51)
hhmm hoy i pitchou
ka ny olona no manova ny hevitr'izay voasoratra ao anaty baiboly hifanaraka @ ze mahafinaritra ny sainy! fa izay voalaza ao dia tokony ho raisina tsotra! rehefa ranomasina no resahany aoka tsy hisy hanova hoe lanitra iny, na izao tontolo izao iny na vahoaka iny na embouteillage iny, fa ranomasina izay!
Dia ny olona koa no manisy fitsarana ny zavatra tiany atao hoe tsara sy ny zavatra tiany atao hoe ratsy ao anaty baiboly! fa matoa neptraka'Andriamanitra tety dia tsara avokoa izay!

dia eo koa ilay mampifangaro wa ny contexte sy ny hevitry ny tantara!


ao ary fa tsy hivoka ny baiboly aho(saika tsy hosoratako fa aleo omeko anao ihany )nahazo faminaniana i Daniela tao @daniela toko faha-7 (zah mitatitra fotsiny fa tsy ahy ny teny a) andininy faha2 dia milaza toy izao

"....Nahita t@fahitako tamin'ny alina aho ,fa indreo ny rivotra efatry ny lanitranibosesika teny @ranomasina lehibe,ary nisy biby 4 samy hafa niakatra avy tamin'ny ranomasina..."

@ pitchou zao io de horera be ,de tahaka izany koa no hitan'i daniela (vakio hatramin'ny farany fa ho azonao io )

andininy faha15 "....Izaho daniela nalahelo ampanahy,ary ny fahitan'ny lohako naharaikitahotra ahy.Dia nanakaiky ilay anakiray t@izany nitsangana teo aho ka nanotany azy ny fotopototr'izany reheytra izany.Dia nambarany tamiko,ka nampahafantariny ahy ny hevitry ny zavatra.Ireo bibylehibe efatra ireo dia mpanjaka 4 izay hitsangana avy @tany.Nefa ny olomasin'ny avo indrindra no ahazo ny fanjakanaary hanana ny fanjakana mandrakizay alaovalo..."

ohatra fotsiny io fa maro ny zavatra mbola tokony hosoratako,raha tsy manaiky an'io ianao de le tenin'ny anjely mihintsy izany no lavinao fa tsy ny teniko ,ary tsongay araka izay kontex mety ho fantatrao fa zah mino,fa tenin'ny anjely io dia ho hitanao ny marina.


mahereza ary oo

38. marozevo ( 31/05/2005 23:54)
pitchou > Io nolazainao io indrindra no manamafy ilay Trinité... Tena manana ny maha izy azy ny olona telo ao amin'ny Trinité Masina. Sarotra be ilay teny hoe olona, fa ny niandohany dia hoe PERSONNE = Prosopon ( mety hoe identité angamba !!). Samy manana ny maha izy azy ny olona tsirairay ao amin'ny fianakaviana, nefa izany maha izy azy izany tsy manala azy tsy ho anisam-pianakaviana fa vao maika aza manome anjara toerana bebe kokoa azy. Dia azo oharina (oharina hoy aho, mba hahazoana azy) amin'izany ny Trinité Masina : Andriamanitra tena feno tanteraka na ny Ray na ny zanaka na ny Fanahy Masina, samy manana ny anjara asany, ary izany indrindra no manamafy ny maha iray azy.

Momba ireo sarinteny ampiasain'ny Baiboly toy ny hoe Bibibe na Dragona sns... dia tena antokon-dahatsoratra hafa mihitsy ireny (Apokalipsa - Daniela) ka mila fitandremana ny mamaky azy, fa tsy iny SARY iny akory no raisina. Tsarovy fotsiny hoe niaina tao anaty fanenjehana i Daniela, toy izany koa ny Fiangonana tamin'ny fotoana nanoratan'i Jaona ny Apokalipsa, dia iny no contexte fa tsy ara-baki-teny akory.
39. dadabe ( 22/06/2005 07:21)
ouppps hay tokoa mou misy an'ity ato
40. routa ( 22/06/2005 13:51)
marozevo>raha ny fahafantarako azy de toa mifono zavadalina ireny ary tsy maintsy mahafantatra no dikany aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3246