Miala sakana

1. hery ( 24/05/2005 08:09)
Angamba henonareo ilay ramatoa nananjanaka 3, 11 taona, 13 taona ary 15 taona samy bevohoka daholo. Dia teo koa ilay resaka hoe lasa aloha loatra ny fahamaotin'ny ankizy ankehitriny... misy vao 10 taona dia efa miova ny vatana sns. Mety mbola tsy tena voan'izany ny ankamaroan'ny olona any Dago saingy hitako hoe miha zaza maroroka be daholo ny ankizy.

Inona no azonareo zaraina amin'ny fomba hitaizana ireny ankizy ireny? Raha manontany zavatra lalina be eo amin'ny toebatany izy dia ahoana no fanao?
novalian'i fijo ny 21/06/2005 20:40
2. Angie ( 24/05/2005 08:56)
Tena tsara le hevitra fa zahay mbola tsy manana trakefa ka miandry ny namana efa vita vakisiny ho harahinay e.:)
3. rpk ( 24/05/2005 09:13)
tenenina fotsiny we nihinana karoty sy ovy mama de lasa tany @ lah t@ teraka de avy eo indray we nihinana pôma ngoda be fôna mamandry talohan'ny niterahana an-dry:-D:-D
4. hery ( 24/05/2005 10:43)
rpk> ary tena handroso marina ny fanabeazana raha izany tokoa no hataon'i rpk anjanany kou :-)
5. haingo23 ( 24/05/2005 11:03)
Amiko aloha dia ny fahantrana no mahatonga izany. Eo koa ny fitiavana rendrarendra. Ohatra fotsiny no ilazako fa any Nosybe dia betsaka ireo zazavavy kely no efa miaraka @ lehilahy na koa alefan'ny RAR hitady vola. Any koa moa betsaka vazaha touriste dia tena mandeha ny tsenambarotra. Dia izay no zava-misy mampalahelo fa ny fanovana azy no tsy fantatro. Atao ihany ny sensibilisation nefa ny fahantrana manery ny fianakaviana dia sahala @ mihodinkodina eo foana ny zavatra. Tany atsimo (Betioky) ohatra no nahitako zazavavy 13 taona efa miteraka ary mbola bevohoka handeha hanao vakisiny izy mianaka (vaksiny hiaka farany teo sept 2004 - rougeole) izany miaraka taoa vakisiny satria moins de 15 ans daholo.
tena mampalahelo fa izany angamba no fiainana.
6. radriana ( 24/05/2005 11:48)
Ny fanontaniana aloha tena mipetraka amin'ny RAR maro nefa araka ny fandinihako azy dia izao, na ampianarina sy azavaina ny ankizy na tsia dia manao ny adalany foana izy rehefa te-hanao, satria mantsy misy ny olona manome tsiny ny RAR foana rehefa maditra ny zanaka nefa iza moa no tehanana zanaka maditra ? amiko aleoko ampianarin'ny reny ny zavatra tiany ho fantany izy ary fehezin'ny ray amizay tsy tokony ataony, ny Reny tokony ho complice kely ny zanaka fa ny Ray kosa dia tokony hasiaka foana , rehefa tsy mety amizay moa dia aleo hanao hahita.
7. eh ( 24/05/2005 12:04)
raha manotany izy d valio araky izay fa aza afenina izany ê! anjarany ny mijery ny alehany rehefa azavaina aminy ny zava-misy,ny momba ilay kely ve indray efa tena lalina b io satria ny rehetra mihintsy no manery azy hanao an'io!ny fahantrana,ny film,rendrarendra...sns angamba eto @fanabeazana koa no mila hamboarina!haverina ampianarina ny RaR!
8. rpk ( 24/05/2005 12:16)
zaza virtoaly dôly kah:-D
9. kally ( 24/05/2005 12:26)
Eo aloha ny fanazarana azy hanara-dalàna,mbola kely izy dia efa zarina hoe vao avy mianatra dia mody,asiana ora daholo ny fotoana fillaovana,famerenan-desona,raha sendra milalao any amin'ny namany any ivelany izy dia ferana hoe amin'izao ianao mody,mba asaina mitondrany namany any an-tranonao koa izy e!ary zarina izy tsy ho tia mikindehandeha loatra,mbola kely io lazaiko io an(6-10 taona) eo,rehefa zatra an'ireo izy dia mody ho azy rehefa lehibe,rehefa lehibebe 10-11 eo izy dia asainao mandray andraikitra ao an-trano izy ohatra vary hariva anjarany no mahandro azy,tsy mitaraikiraiky any izy,efa isany isany hoy aho fa tsy hoe io dia ampy,anisan'ny tsy mampibolila ny ankizy izay fa mbola betsaka ny fampianarana miaraka amin'io.
10. Mandamina ( 24/05/2005 13:44)
manomboka eo amin'ny maha-maoty ny zaza dia tokony ampianarina azy avy hatrany resaka fananahana, ny RAR hatrany alo no tompon'andraikitra voalohany amin'ny zanany, ary inn moa no tena mitarika ny ankizy hibolila matetika, tsy ny namana ve, ka anjaran'ny RAR ihany ko ny mamehy ny zanany amin'izay lafiny izay (oh: fivoahana miaraka amin'ny manana), sarotra moilay izy hoe ataonao ahoana ny handràra ny zanakao tsy hiaraka amin'ny namany, fa dia anjaranao ny manabe azy hisafisy zay namana tokony iarahany,nefa tsy ho lasa mpanavakavaka ihany ko anefa, ary ampiako kely moizay voalaza tery ambony hoe, ny RAR sy ny zanaka dia tokony mahay miresaka tsara, asaiana "séance de discussion" mihitsy ao an-trano iresahana ny fiainana amin'ny ankapobeny, mba hiarovana indrindra zay mety ho adalana ataon'ny zanaka any evelany any,
11. booboo ( 24/05/2005 13:58)
ny fametrahana fetra @ raha afaka atao ôtra io lazain'i kally io (ora, raharaha tsy maintsy atao...) sady fampianarana azy handray andraikitra koa zany.
ny @ resaka fananahana indray dé hazavaina aminy ny raha andalovany sy handalovany. Ohatra oe tonga fotoana ilay zavavy kely dé azavaina aminy ny mahatonga ny règles, sy ny ho fiovan'ny toe-batany tsikelikely (nono, ny poils...). Refa manao sipa ndray izy dé azavaina tsara aminy ny antony tsy tokony hanaovana rapport sexuel aloha lôtra (na tsy te-hanao aza izy dé azavaina ihany), ny antony tsy tokony hitondrana vohoka aloha lôtra (ara-batana), ny maha zava-dehibe ny fanaovana fimailo (raha hanao rapport sexuel) sy ny karazana méthodes contraceptives raha toa ka efa nanana rapport sexuel tany ho any izy. Raha tsy zay dé misy ireny SRA ireny koa na miresaka @ infirmière any @ collège na lycée ny @ sexualité raha maha menatra ilay ankizy ny miresaka izany @ rad-ny.
12. pitchou ( 24/05/2005 17:59)
eto moa ny soso-kevitra rehetra dia ny zazavavy kely ihany no ifantohan'ny fananarana! izaho anefa mahita fa tsy voatery ilay zazavavy kely no manana ny hadisoana , ary raha ny marina tsy izy akory no diso, fa ny lehilahy efa ampy taona manao an-tery na manodina azy ireny. Ny fitaizana ny lahy angamba no tokony hatao henjana, ary tokony ho sazy tena mavesatra no omena ny olona manodina zaza tsy ampy taona!
tokony samy ampianarina ny lahy sy ny vavy ny fiovana misy eo @ teo-batan'ny olona (ny lahy sy ny vavy fa tsy hoe ny vavy dia momba ny vavy ihany ny lahy dia momba ny lahy ihany), atoro azy ny zava-mitranga rehefa hiditra @ izany atao hoe firaisana izy, ny fiantraikan'izay @ lahy sy / na @ vavy! ny momba ny fananahana, ary indrindra angamba momba ny andraikitra sy concessions takian'izany!
ny zaza aloha marina fa mila fehezina saingy toy ny fotaka ka raha poretina d miporitsaka ary eo vao tena sarotra be ny hamerina azy ao an-tanana indray! raha mahatsiaro tena ho gejaina manko hono izy ireny d ny handeha ihany no ao an-tsainy, d lasa miasa be ny coco, d tonga @ le we mandainga @ RAD.
fa raha mahavita ny RAD hoe mipetraka ho toy ny namany, confident sns (tsy ny reny ihany fa ny dada koa) dia betsaka ny zavatra azo ifampizarana
13. ari.malala ( 26/05/2005 08:27)
Raha tsy diso aho dia efa ampianarina any am-pianarana ny resaka momba ny vatana raha vao any @ 7è (raha tsy diso aho) dia miditra indray ny resaka fitaovam-pananahana rehefa 3è (t@ andro naha mpianatra anay zany) ary rehefa terminale dia miditra tanteraka ary mamakafaka ny resaka fifehezana (raha izay no azo ilazana azy) an'io fitaovam-pananahana io. Noho izany samy mahalala izany na ny lehilahy na ny vehivavy izay hitranga raha manao firaisana izy ireo. Anjaran'ny ray aman-dreny koa nefa ny mananatra bebe kokoa ny zanany, tsy fandraràna be fahatany sy fanaratsiana hoe ratsy io na izao na izao, satria ny ankizy koa mifanontany sy mifampianadratsy matetika. Fa @ antsoin'i pitchou hoe miditra ho naman'ny zanaka ny Ray aman-dreny. Ny reny tsy tokony ho complice ny zanaka ary ny ray tsy tokony hanao didiko fe lehibe na hanao biby fampitahorana ao an-trano fa tokony ho olona azo ifampiresahana tsara.
14. Samoana ( 26/05/2005 15:32)
Torohevitra mifono fahamatorana avokoa ireo naposaky ny namana andriambavilanitra ireo. =D
Entina hanampiana izay efa voalaza dia izao: ezahina asiana dinidinika sy resadresaka tsy tapaka hatrany eo @ RAD sy ny ankizy . Avy @ izany no ahatsapany fa tena tia azy sy \"mikarakara\" azy ianao masoandro nipoirana. Zava-dehibe aminy izany ary moramora aminy avy eo ny mizara aminao ny fifaliany na mamboraka ny olana samihafa hiainany sy ireo fanontaniana manitikitika azy.
Ezahina valiana hatrany ny fanontaniany . Raha saro-baliana dia maka fotoana hanaovana izany fa tsy manao vali-boraingina satria ny ankizy ankizy ihany ary ianao RAD no fitaratra hitarafany ny ho aviny.
Amin\'izao vanin\'andro hiainantsika izao dia tsy misy intsony ny hoe Neny complice sy Dada masiaka fa samy miezaka ny manasoa ny zanany araky ny fitaizana azo atao satria zaza iombonana io .
15. pitchou ( 26/05/2005 18:37)
ari malala> tsy complice ilay mifampoirisika @ ratsy (satria izay no mety ihaveranao azy) no nolazaiko fa namana sy confident! tena samihafa be izany! satria raha manisy elanelana @ zanany ny RAD ka tsy azony ifampizarana ze mahazo azy (fa tonga d fananarana sisitematoka isaky ny ilazana zavatra!!! :-w) d any an-kafa le zaza no hitady izay olona izay! raha izaho aloha dia apetrako lavitra be ary ny atao hoe autorité parentale (izay betsaka ny manindraindra azy) fa aleoko ny ahy discussions (dégal à égal rehefa afaka mamantatra izay safidiny izy)!efa nahita betsaka aho hoe ny RAD ao an-trano tsy nahafantatra akory hoe manana chagrin d'amour be le zaza satria raha vao miresaka sipa d tonga d litania ny fananarana, hany le zaza ka leo sy matahotra ny hiresaka!
16. marozevo ( 27/05/2005 00:37)
Hahatsiarovako tantara iray : Indray hariva niantso an-janany 14 ans ity raim-pianakaviana iray, ary nanomboka resaka toy izao : Lehibe ialahy ity leiroa, efa mandroso taona, ka tsara angamba raha mba miresadresaka momba ny "education sexuelle" (tsy haiko ny filaza io @ teny gasy fa mifona) isika... Tsy tapitra akory ny tenin-drainy dia notohizan'ilay zazalahikely hoe : "Inona ary no tian'i dada ho fantatra momba io resaka io, fa haiko tsara io?".
Efa lasa ny zavatra taloha...
17. pitchou ( 27/05/2005 20:00)
marozevo> hihihi! le rainy izao saiko hanodikodin-dresaka nihevitra fa tsyt ho takatry ity zaza ny resaka?
18. welie ( 27/05/2005 21:34)
Zà na dia hoe mbola zaza tezaina aza an (pi-maso kely alou e ;-) ) dia izao no mba tsikaritro:

Ireo ankizy izay tsy mba nampafantarina ny marina eo @ resaka \"sexualité\" (oups inn io mou @teny gasy?) no tena betsaka no manaonao foana.
Ahona moa no ahalalany hoe tsy mbola mety @ taonako re ito ataoko ito raha tsy nisy niteny azy? Izaho dia tsy mba \"pour\" ireo ray aman-dreny izay manafina na tsy miteny ny zanany mihitsy aloha e!

Misy indray koa ireo ray aman-dreny izay mamehy mafy loatra ny zanany... hany ka manjary vao mainka ny ankizy lasa sovaly tapa-kofehy avy eo...
Ohatra hoe \"Tsy mahazo manao izao sy izao enao\"...

Tsy miteny aho akory hoe tsy ho tenenina na anarina ny ankizy fa kosa tsy @ fandrarana be dia be.

Amiko dia aleo ny ankizy hafantatra dia ny mialoha hoe izao sy izao fa tsy rehefa voan\'ny tampoka vao hoe \"Tahak\'izay ihany...\" Aleo izy ho \"Ra be théorie\" fa tsy maninona mihitsy... ;-)

Ary maro be ny cas hitako matoa aho mba miteny... :-)






19. mamzelkely ( 28/05/2005 16:02)
za ko mitovy hevitra am welie am resaka "sexualité" tsy tokony hafenina am zanaka mitsy zany resaka zany satri manjary vô maika izy vendrana ary refa any aorina de mety ho sôvaly tapa-kofehy de lasa mananao fôna izy avy eo
enao anie refa mahalala bebe koko ny zvt diavinao de mahay mitandrina koko ko enao!! sa ve.....:roll:
20. sorom ( 30/05/2005 06:27)
Ny tsy ampy amintsika Malagasy dia ny fifanakalozan-kevitra sy fifampiresahan'ny raiamandreny sy ny zanaka. Ny kolotsaintsika mametraka ny raiamandreny ho fampitahorana ary ny zaza ho tsy mahalala n'inona n'inona, hany ka tsy misy ny fifanatonana. Noho izany dia miezaka mamantatra irery ny ankizy sy ny adolantsento kanefa raha noresahina taminy malalaka, na resaka fananahana na hafa ary zazalahy na zazavavy, dia ho nihena fatratra ny fanandrakandramana nitarika azy ho amin'ny fahalavoana.
Raha ny fijeriko manokana dia io fifampiresahana io no tsy ampy hany ka tsy mifankahalala ny raiamandreny sy ny zanaka: ny raiamandreny tsy mahalala izay olan'ny zanany ary ny zanaka tsy mifanakaiky am-po amin'ny raiamandreniny amin'ny zavatra sasantsasany...
8)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3209