baiboly sy coran

1. fijo ( 19/05/2005 22:30)
ny coran dia tsy nihafahafa nilaza fa i mahomet dia olona tia sy nanana vady maro.ary misy antsipirihany maro voasoratra aza ao.
ny baiboly nefa toa mihezaka mafy manafina fa i rajesosy sy i marie magdalena dia olona niaraka na hoe mpisipa.
fa ahoana ,ratsy ve ny mitia?????
novalian'i dadabe ny 06/07/2005 16:25
2. sonwin ( 20/05/2005 09:26)
oadray inona aza ity ataon-drazoky ity 8O
3. sonwin ( 20/05/2005 09:27)
oadray inona aza ity ataon-drazoky ity 8O
4. sonwin ( 20/05/2005 09:27)
oadray inona aza ity ataon-drazoky ity 8O
5. booboo ( 20/05/2005 09:43)
hihihi naveriny in-3 mitsy lé
6. welie ( 20/05/2005 13:19)
hihihihi sonwin... :-D

fijo> Fa toi nga nahita we niaraka zareo? :-P
7. welie ( 20/05/2005 13:20)
Lasa le hafatra nefa saika mbola niampy kely...

Tena iny fanontanian'i fijo iny no tsy hitako njay an! :^)
8. routa ( 20/05/2005 13:46)
fijo>tena sahy ianao miteny an io fa zaho manokana marikoditra mamaky an io teny soratanao io raha ilay JESOSY zanak ANDRIAMANITRA io lazainao io .
9. booboo ( 20/05/2005 13:53)
booobaka beee ange ny boky manadihady an'io raha tenenin'i fijo zao, vao maika pire hatr@ nivoahan'ilay Da Vinci Code iry. Bof ! vakiana fotsiny fa tsy natao hanozongozona ny finoana ny raha ôtra ireny e!
10. dadabe ( 20/05/2005 15:13)
aleoko tsy miditra sao de lasa blasfemia kle
11. pitchou ( 20/05/2005 20:01)
fijo> tsy misy mahafantatra izay tena fifandraisany tany isika ankehitriny! tsy hoe rehefa lahy sy vavy no miresaka dia mpisipa izay! tsy hoe satria lehilahy d tsy mahazo mifanerasera na manana namana vehivavy!
fa ny azo sary an-tsaina satria tsy misoratra koa dia tsy mpivady izy! ka satria ny tena kristiana manaraka ny fampianaran\'i kristy dia minoa fa tsy ho nispa tamin\'i maria magdalena i Jesosy, satria tsy vadiny io!
12. marozevo ( 21/05/2005 00:46)
Fijo > Mahagaga ahy ianao, marina moa !!
Ny Baiboly ve no tena tianao ho azo sa ilay mitsikera sy manaratsy mihitsy no tena talentanao e?
Ny voasoratra ao amin'ny Baiboly aza efa manahirana no mandalina azy, ko ny anao ny tsy ao indray no foronina! Izay no mahagaga ahy.
13. Mifenty ( 21/05/2005 10:48)


o lty ra fijo a.

fa maninn ltyi Dan Brown no tsy mety manome interview mitsy le.

Diso avokoa angamba ny voalazany matoa tsy sahy mampahafantatra ilay lazainy fa fahamarinana izy kle.

Raha miseho ho mahafantatra ny zava-miafina i lery dia tokony ho sahy hampiseho sy hampahalala an'zany le.

Sady tadidio fa ankehitriny noho ny lainga tsara tototra notantarain'i Dan Brown dia tsy maharaka tsony ny maison d'édition manonta ireo bokiny na dia boky tsy misy ilàna azy aza.

14. dadabe ( 21/05/2005 15:21)
:-w
15. sonwin ( 21/05/2005 17:11)
16. felicia ( 22/05/2005 00:09)
raha mandalina histoire kosa nareo dia msy marina ny fiahiahiana mikasika a'i madalena sy jesoa...na @ histoire n'ireny eglisy sy ny statut ao anatiny aza misy tena tsy mazava tsara,tsy dia hoe diso fijo fa tena betsaka ny historien mandalina an'io resaka io na dia hoe somary manahirana ihany no mieritreritra an'izany...:roll:
17. marozevo ( 22/05/2005 21:52)
felicia > Tonga soa ! Lazao ary hoe inona no mampiahiahy anao amin'i Jesoa sy i Madeleine ah? Sao dia mba nijery film tany ary ianao, ilay hoe "Dernière tentation du Christ". Fa raha ny ao amin'ny baiboly dia tsy ahitako taratra izany mihitsy aloha eh. Ny historien indray tsy olana ny amin'izany : aleo aloha hikaroka izy, dia ho hita eo ary. Raha tena honete izy dia tsy izany mihitsy no ho karohiny, fa raha tsy honete moa izy dia efa izay izany. Isika eto ve aloha misy historien mikaroka an'io eh.. mba ilazalazao ary e
18. zefalah ( 22/05/2005 23:56)
tsis porofo ao anaty cor'an fa prophete mahomet dia nanambady maro!
ary ra misy zany! moa ve afaka ambaranareo ana le Chapitre manambara fa prophete mahomet dia nanambady maro.
resaka Jesoa. Maro ny mpaminany tsy nanambady anisan'zany Mpaminany Joany mpanao batisa.
tiako ambara hoe: afaka tenen'sika avokoa zay tia sika ambara ,nefa resaka finoana aza atao toiny kilalao,satria io no mampiavaka ny biby @ sika olombelona..olombelana tsis finona.toiny biby
19. mandrindra ( 23/05/2005 15:28)
araka ny fomba jiosy dia ny vady irery ihany no mahazo miditra ao amin'ny fasana 2000 taona lasa izay, ny baiboly anefa dia milaza fa i maria magdalena no niditra tao ampasana ary niantsoantso fa tsy ao intsony ny razana.
20. pitchou ( 23/05/2005 19:13)
izaho aloha dia tsy mahalala izay fomba fanao tany aloha tany! saingy inona moa no mety ho nanakana an'i Jesoa tsy hanambady an'i maria magdalena raha nifankatia izy? tsisy! izy 2 rahateo samy tsy nanambady! ko inona no handotoana saina @izany? io ange ny saina ihany no hamosavy ny saina e!

momba an'i mahomet indray, fomban'ny arabo io manambady maro io!

ny histoire indray, raha tsy diso aho dia ny maha zanak'Andriamanitra an'i Jesoa, sy ny tantaram-piainany no toa betsaka manao fikarohana fa tsy mikasika izay sipany na tsia!

mandrindra> fa angaha moa nandeha nijokojoko irery tany @fasana tokoa i maria magdalena? d raha izay d inona no tena olana nipetraka? ny manodidina ve no tsy nanaiky fa mpivady rizareo sa ny mpianatry Jesoa no nandà mafy?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1405