fahandro akoho

1. bichette ( 17/05/2005 07:26)
ahoana no fahandronareo akoho dia inona avy ny resety amin'ny akoho ?
misaotra tompoko
novalian'i larissa ny 15/12/2005 18:59
2. majakely ( 17/05/2005 07:56)
akoho endasina de asina tongolo lay sy thym bedabe de zay fotsiny !atao mendimendy tsara !
3. booboo ( 17/05/2005 08:32)
1-ataoko ao anaty rano (kelikely) mangotraka klou ho masamasaka dia rehefa ritra dé atao sôsy (vôtabia sy ny tariny). Avy eo asiana champignons. Tapohana rano kely ndray ahamasaka kely an'ilay champigons fotsiny. Dia zayyyyyyyy. Zà tsy mpanisy sira @ laoka mitsy fa ireny cub'or ireny fôôôna (tsy diététique lôtra "hono" fa zay no hitako mampatsiro azy:°)).

2-Afangaroana @ moutarde klou ny farces. Avy teo asitrika ao @ ilay akoho dia fatorana ohatra ny mahazatra. Dé hosorana moutarde aby aby ndray ny ivelan'ilay akoho iray manontolo.
Rehefa mafana ny lafôro dia ataoko anaty plat misy beurre. Dé rehefa aroso dia ataoko miaraka @ ovy masaka fotsiny.

3-Ahodikodina kely ao anaty chapelures ilay tetik'akoho (feny ohatra) dia endasina @ zay.
4. booboo ( 17/05/2005 08:35)
hadinoko eo @ ilay fahandro akoho voalohany, afaka rarahana crème(fraîche ohatra) rehefa alohan'ny handrosoana azy. matavitavy ihany klou e fa boh! hoanina fôna moa ô ? :°)
5. rpk ( 17/05/2005 09:40)
akoho hamainina de avy eo totòna. Refa malemy tsara de asina tongologasy sy sakamalaho!!!
6. booboo ( 17/05/2005 09:55)
-atao akoho sôsy dé rehefa akaiky ho masaka dia asiana voanjo. Tsy atao ritra beeee fa asiana ro kelikely mijanona ihany.

7. mandrindra ( 17/05/2005 15:41)
Atao nahandro gasy :
1 ron\'akoho, teteho hy akoho sy ny sakamlaho dia arotsahy, asio rano sy sira di teneho. Rehefa masaka ka tsy tianao ilay nofon\'akoho nalaindrony dia ataovy hendinakohon\' ambodimita. (ilay efa nalaindrony iny no hendasina.)
2 akoho sy henakisoa. fidina ho matavy tsara ny henakisoa. Atao mendimendy hitsonika tsara aloha ny tavinkisoa, reehfa avy eo dia atao mendimendy amin\'io ihany koa ilay koko. Rehefa manomboka menamena tsara dia arotsahy ny tongolo oignon (azo asiana voatabia fa arakaraky ny tsirairay). raha vao manomboka mivadika ho somary volontany ny oignon dia izay vao tondrahan rano sy sira. ny sakamalaho aza adinoina.
3 azo andrahona miaraka amin\'ny dovay. Ny ilaina : koko (lahy no tena tsara), lardons, karoty, champignons, tongolo oignon, thym, divay.
Betsaka ny azo andrahona any akoho, atao miaraka amin\'ny carry, na hendasina fa asaiana tandoori. Toy ny fahandron\'ny senegalais ihany koa asia voasary makirana.
8. booboo ( 17/05/2005 16:18)
mandrindra>:-D mbô tanisao klou ny raha atao avy refa hanao lé coq au vin fa ny ingrédients fotsiny no notasainao :roll:
9. cheboman ( 17/05/2005 17:08)
vazi2 booboo> ampisotrona lay coq ny vin de andrahona avy eo :lol:
10. booboo ( 17/05/2005 20:21)
hihihihi
11. ftma ( 17/05/2005 21:48)
akoho asiana sira dia sorana tamenaka atody dia atao anaty four. na akoho asiana ranon'ny voasarimakirana sy moutarde ary sakay voatoto dia atao anaty four .
12. bichette ( 18/05/2005 06:12)
andramako daholo
13. mandrindra ( 23/05/2005 08:36)
booboo, efa lava loatra ilay hafatra dia ho tohizako eto ary e.
Fanomanana : voasana aloha ny karoty, ny oignon ary koa ny champignons. Ny karoty dia tetehana atao toy ny kodia kely maromaro ary ny champigno di zaraina roa. Ny oignon dia tetehana manifinify.
Tetehana ny koko dia avy eo arotsaka ao anaty kôkôty, afo malefaka, izay nanatsonihana dibera, rahafa manomboka somary mendimendy sy menamena tsara ilay koko dia avoaka aloha haka rivotra kely ety ivelany sady mba manome fofona mahafinaritra ny lakozy. Dia miaraka harotsaka ao amin\'ilay kôkôty indray izany ny oignons sy ny lardons mba halefaka sy hitsonika. Rehefa avy eo dia ampio ny karoty, apetraho tsara any amin\'ny vody vilany ny thym na bouqeut garni, ary arotsahy ilay koko. Raraho sira araka ny hitiavanao azy (raha ny tena tsara moa dia ilay gros sel de guérande) dia saromy divay (aza asiana rano mihitsy). Asio grains de poivre 5 na 6, tsy azo atao vovony satria mamono ny tsiron\'ny divay ny poivre. Ilay voany mantsy manaparitaka fofony mahafinaritra fa tsy miteraka sikany izay mifamono amin\'ny tsiro hafa.
Ny manaraka azy raha toa ka tena mpakafy dia riz de camargue. Ary aza adino ny divay mena rehefa misakafo. Safidio tsara ihany koa ny divay mena mba ho catégorie tsara sy efa matotra kokoa noho ilay nandrahona.
Dia hitan\'i booboo ary fa lasa lava be ilay hafatra :D
14. booboo ( 23/05/2005 14:10)
hihihi ka lé fahandro azy no tena miasa fa tsy ny ingrédients fotsiny tsnn kouh
15. booboo ( 24/05/2005 15:15)
-akoho voatetika
-tongolo gasy hasiny 2
-tantely ranony in-3 ny sotro
-15 cl sauce soja
-4 épices tapaky ny sotrokely / na zay épices tianao
-sira, poivre
-menaka 2 sotro

1-Endasina @ ilay menaka 2 sotro ny tetik'akoho (anaty cocotte no tsara. Dia avabadibadika ho mendy tsara aby. Atao malefaka ny afo

2-Arotsaka ilay tongolo gasy vopotsitra + tantely

3-Avela kely eo klou 1 min dé aroroy tsara ny morceaux aby avy teo ( mba ho heno tsara ilay tsiro tantely @ zay).

4-Arotsaka @ zay ilay sauce soja sy ny 4 épices ary ny poivre.

5-Avela ho masaka eo mandritra ny 25 min eo ho eo, ary atao malefaka fôna ny afo.

Asio sira araka zay tiana avy teo fa efa masira tsinona ilay sauce soja.
16. bichette ( 24/05/2005 15:29)
misaotra anareo nanome resety, dia ahoana koa ny sasany ?:°):°)
17. bichette ( 26/05/2005 09:15)
tsy cordon bleu aho fa inty no ataoko rehefa maika sy tsy manampotoana hanamboatra sakafo iny aho :

fen'akoho miaraka amin'ny amboniny iny asiana sira, tongolo sns (izay itiavana azy) dia asiana dibera kely eo amboniny sy ao anatin'ilay plat asiana azy miampy rano kely dia kely dia atao anaty lafaoro, dia rehefa ho masaka sy lokombolamena iny ilay akoho dia arotsaka miaraka ao ny ny legumes (ovy na zavatra hafa)dia andrasana masaka tsara daholo.
:^)=D=D
18. bichette ( 26/05/2005 09:16)
oay adino, asiako ranonà citron "kely" ilay hena
19. kally ( 26/05/2005 20:38)
Akoho natono dia ho hanina eo amoron-drano, dia tandremana tsara ho somary bebe isa-izany hoe akoho maromaro no ajedaka, manjary sao sanatria tsy ampy.Bedinareo ve izaho izao?:?:Fa laniko daholo?
20. bichette ( 27/05/2005 09:01)
Raha hanao barbecue koa na hoe hanao grillade dia izao koa no tena tsara : asiana sira, dipoavatra tongolo oignon sy ail (voatoto tsara) dia asiana huile d'olive kely dia asiana jus de citron dia avela hilona alina tontolo dia izay vao atono ny ampitso fa tena tsara be mihitsy.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4014