fahandro akoho

21. sipagasy ( 18/06/2005 18:00)
mmhhh kay ato isika tena manan-talenta aby kouuuu
22. chipie1 ( 18/06/2005 18:53)
alona aminy ketchup koa ilay akoho alohany ny hanatonona azy ,
23. dadabe ( 25/06/2005 18:26)
booboo > mendrika ny omena talenta ise (lasy ravinala zany an ):D
aiza ary i yonika amizao kle tokony enarany ity re7 n'i booboo ity:-w:-w
24. booboo ( 19/07/2005 15:05)
Poulet sauce Satay.

-1 c.à s. menaka
-nofon'akoho voatetika
-2 oignons + tongolo gasy voatetika
-60 ml bouillon de volaille (tsy haiko fandika azy)
-160 ml lait de coco
-180 ml de sause satay (eny @ épicerie asiatique reny)


1-Hafainana anaty wok ny menaka. Atao @ afo mahery. Arotsaka tao ilay akoho avy eto. Atao mendy tsara. rehefa izay dia atokany.

2-Endaso ao anatin'ilay wok io ihany ny tongolo efa voatetika (oingons sy tongolo gasy) dia avereno tao indray ilay akoho. Arotsaka aby avy teo ny ambin'ny raha (lait de coco, bouillon, sauce satay). Avelao hangorovitsika vetivety.

Bôna bôna
25. nanourand ( 21/07/2005 23:21)
GASY :
akoho sy henakisoa! (pardon Allah)
- akoho iray, (poulet de ferme na kokolahy fa akohogasy no tena tsara)zany hoe akoho mahia de préf.
- henakisoa 1/2 kg
- voatabia 2 atonony, dia concentré 2 sotrokely
- tongolo gasy hasiny telo,
- menaka 1 sotro
- pousse de soja vitsvitsy, na champignon kely (raha tinao)

tetehana atonony ny hena kisoa ny akoho atao tetika gasy, zany hoe isaina ny isan'i ankizy dia tetehihina arak'zay ny fehany :lol:

rehefa zay, sasany ny henakisoa atao anaty cocote dia asiana sira dia atao ambony afo, feu vif au départ, ny rano nanasana azy ihany zany hoe sasana ny hena dia atao ambony afo. tetehina en kartié ny voatabia, potserina @ fousety ny tongolo gasy dia voasana ary tetehina majinika, rehefa somary mendy ilay henakisoa, dia arotsaka menaka 1 sotro ary tapohina rano kely, ahidina ho atonony ny afo, rehefa miverina mendy fanindroany, dia arotsaka ny voatabia sy tongolo, avela hendy kely dia arotsaka ny voatabia concentré, arorona ary arotsaka ny akoho, tsy mijanona ny mangaroharo, rehefa izay dia tapohina rano mandifotra azy na raha mora malemy ny hena dia kendrena tsy ho betsaka ny rano, rehefa mangotraka dia arotsaka ny pousse de soja kely na champignon, saromana ary avela ho ritra tsara! (afo malefaka)

Vary maina sy lasary voatabia misy sakay mena ary ro mazava, divay somary brut mena de préf. miaraka aminy! (jereo tsara lé couleur :lol: vary fotsy be, lasary menabe, divay menabe, dia ilay laoka atao mendimendy somary menamena) raha hainao tsara mi-présenter an'ireo dia ho mahafinaritra tokoa.

(aza asiana oignons mihitsy fa manimba ny tsiron' i Henakisoa ny oignons)


26. nanourand ( 23/07/2005 01:21)
saika hadinoko raha hasiana oignons ihany dia ataovy miaraka @ cocombre ilay oignon, lasary concombre zany atao, ary tsy vinaigre ampiarahina aminy fa kosa citron vert (lime).
sauce :
- menaka 2 sotro
- citron vert 1
- tongolo oignon tetehana fisaka 1
- hasina tongologasy 1.
- dipovatra voany somary totona vongambogany
- kotomila kely ary tongoloraviny samy tetehana majinika.

aza asiana voatabia fa ratsy ny voatabia raha miaraka @ citron mais cela va de soit.

raha aty france enao dia tsartsra tsy dia famaofy ny concombre fa mitondra ny tsirony iny hodiny iny.

Mazotoa.


27. Liltax ( 25/07/2005 11:46)
mampilendalenda dôly izy zany fa zao ary eh!
raha tsy misy afa tsy akoho kely de ahoana ?????:-P:-P
28. mandrindra ( 25/07/2005 12:42)
fahano aloha hitombo izay vao mieritreritra ny hiketrehana azy !!
29. chipie1 ( 25/07/2005 15:33)
hihihi
30. booboo ( 29/08/2005 11:41)
Poulet Basquaise

-Akoho iraika
-voatabia 1 kg
-Oignons 2
-Poivrons 2 (ataovy loko samy hafa)
-Hasina tongolo gasy 3
-Persil
-1 c. paprika
-Sira sy dipoavatra


1- Zarao 4 aby ny voatabia, teteho madinika ny oignons sy ny poivrons ary ny tongolo gasy dia miara endaso anaty cocotte. Arotsahy ny paprika, asio sira sy dipoavatra avy eo. Avela eo mandritra ny 20 min ary tsy saromana.

2-Teteho ilay akoho. Endaso anaty lapoaly. Asio sira sy dipoavatra. Rehefa izay dia arotsahy anatin'ilay cocotte. Saromy sy avelao ho masaka mandritra ny 40 min eo ho eo/

3-Rehefa handroso azy dia ilay hena klou atao voalohany anaty plat dia araraho teo amboniny ny légumes sy ny sauces izay vao "parsemer"-na persil.

bôna bôna. (oups hadino, divay mena tsara ampiarahana aminy :°))
31. chipie1 ( 29/08/2005 17:32)
ny ana tsy asiko paprika fa tsy tia manko fa tsara kou an:wink:
bôna bôna
32. booboo ( 22/09/2005 15:09)
gratin de pâtes + akoho

-4 nofon'akoho (escalopes)
-500 g na paty
-champignos de paris
-crème fraîche ( lé 500g no fampiasako :°))
-sira + dipoavatra
-1 sachet gruyère râpé

1- Andrahoina ny paty

2- Mandra-paha vitan'ny paty dia tetehina madinika ilay nofon'akoho ary endasina miaraka @ dobera kely. Rehefa izay dia afangaro tao ilay champignons de paris voatetika madinika (émincés) ary farany vao ny crème fraîche

3-Avela haridridrihatra tsara.

4-Rehefa masaka ilay paty dia afangaro ao anaty plat à gratin ilay paty sy ilay akoho sy ny tariny. Asiana sira sy dipoavatra. Rarahina ilay fromage râpé @ zay teo amboniny avy teo.

5-Atao anaty lafôro (efa nafanaina mialoha) th 6/7 mandritra ny 25 min eo ho eo.

Bôna bôna.
33. booboo ( 23/11/2005 19:05)
Poulet au fromage

-Akoho 1
-3 c. menaka
-20 g lafarinina
-2 c. vin blanc sec
-150 g gruyère râpé
-2 c. moutarde forte

-Tetehina ilay akoho ary endasina anaty cocotte misy menaka. Rehefa izay dia araraka ilay lafarinina ary afangaro tsara
-Arotsaka ilay divay sy ny moutarde ary sira sy dipoavatra. Masahina @ afo antonony mandritra ny antsasakadiny eo ho eo ary saromana ilay cocotte.
-5 min alohan'ny hahavita azy dia esorina ny tako-bilany mba hamparidrihatra tsara ilay saosy. Arotsaka ilay gruyère ary aroharoina tsara.
-Rehefa niempo tanteraka ilay fromage dia afaka aroso @ zay ny motika.
34. larissa ( 15/12/2005 18:59)
Préparer tous les ingrédients.


2 Découper le poulet en 10 morceaux.


3 Mettre les morceaux de poulet, 1 gousse d'ail haché, 1 cube de bouillon de volaille émietté, la moitié du verre de moutarde, le sel, le poivre et la noix de muscade dans un cul de poule.


4 Bien mélanger et laisser mariner 30 minutes.


5 Placer les morceaux de poulet marinés sur une plaque allant au four et faire griller le poulet pendant une trentaine de minutes sous le grill du four.


6 Émincer les oignons et hacher l'ail restant.


7 Les faire suer à l'huile d'arachide pendant quelques minutes.


8 Baisser le feu afin que les oignons ne colorent pas.


9 Ajouter les morceaux de poulet grillé.


10 Ajouter le restant de moutarde et mélanger.


11 Mouiller à l'eau froide jusqu'à hauteur du poulet.


12 Laisser mijoter une quinzaine de minutes.


13 Ajouter les deux cubes de bouillon de volaille restants.


14 Laisser cuire une trentaine de minutes à petit frémissement.


15 Au terme de la cuisson, rectifier l'assaisonnement.


16 Le Yassa se sert avec du riz blanc, de la banane ou de l'igname bouilli.


© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.314