Miely loatra ny virus

1. hery ( 12/05/2005 10:25)
Betsaka ny bibikely informatika (Virus) izay miparitaka be mihitsy amin'izao fotoana izao. Isanandro dia mandray emails anjatony maro misy tovana (zip, scr, exe sns). Soa ihany fa miasa tsara ilay sivana ao amin'ny gmail ka tonga dia any anjaoridira daholo ireny.

Fa ho antsika indrindra dia ireto misy torohevitra kely, ary mety hanampy koa ny namana hafa.

- Aza manokatra tovana (pièces jointes) raha tsy ianao no nangataka azy... ary tokony efa nifanarahanareo tsara hoe asio sonia sns. (Zah ohatra tsy mandefa tovana ho an'olona mihitsy raha tsy mampilaza mialoha hoe handefa taratasy misy tovana aho.)

- Aza manindry rohy ao anaty email mihitsy raha tsy hitanao mialoha hoe mandeha aiza ilay rohy (Aleo aza manao dika-petaka/copier-coller). Ohatra misy toa izao ao anaty email.

"Vous avez reçu un message. Cliquez sur le lien ci-dessous pour aller dans votre boite de reception

www.serasera.org/inbox/votrenom



Hitanareo avy hatrany fa hafa ny adiresy mitranga ary hafa ny zavatra asehony rehefa tsindrina.

- Aza manome tsiny avy hatrany ilay olona nahazoana ilay hafatra... satria metsy tsy izy akory no nandefa azy. Anisan'ny asan'ny bibikely amin'izao fotoana izao ny mindrana adiresy hafa amin'izay sarotra ny mahalala hoe iza no tena voa.

Raiso ary ny poizim-parasy :-)
2. Ralay ( 12/05/2005 12:43)
Zah dia efa nahazo email avy t@ hery@serasera.org ary dia voadetecté fa virus ilay izy :lol: ataoko fa tsy i hery no nandefa an'iny fa mpindrana sa ve tena ise? :lol: soa ihany marina fa misy ny mpanivana mahery vaika.
3. hery ( 12/05/2005 15:11)
Raha mahazo email avy aty amiko misy tovana dia tonga dia fafao... na dia miteny aza hoe "You won 2.000.000 dollars"
4. Ralay ( 12/05/2005 15:21)
Hihihih ka sao de mba 2.0O0.OOO$ marina kou :roll: raha ampidirin'ny garde ve moa tsy efa voasava zany fa tena izy :lol:
5. kally ( 12/05/2005 16:43)
Dia mba inona ary ry reto no antivirus sy firewall sy spyware (izaho moa tsy mahalala ny atsimo sy avaratra)mba tena tsara?Tsy maninona na vidiana na omem-potsiny fa izay tena tsara.
6. fraz ( 13/05/2005 04:50)
Resaka antivirus, firewall sns
Jereo ato sao mahasoa

Antivirus

AntiSpyware

Misy firewall ihany koa ao

Afaka manampy ao nareo raha misy zavatra hafa tsy voatanisa nefa ilaina sady maimaim-poana


Mahereza ary
7. kally ( 20/05/2005 15:10)
Misaotra betsaka fraz ,nampiasa avast aho fa tsy namely loatra,ary ahoana ilay kapersky ve tsara?
8. fraz ( 21/05/2005 05:50)
kally> tena ilay kapersky mbola tsy nampiasa aho,Toa misy milaza hoe tsara koa hono
9. McFy ( 22/05/2005 01:08)
kally> ny atsimo sy avaratra kou d tsy haiko mhitsy fa ny atsinana kosa mba haiko ihany hoe avy any masoandro no miposaka :lol:
10. rhevinilsen ( 13/08/2005 19:38)
antivir guard koa mamely ry zalah
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5495