ny batisa sy ny zon'ny ankizy

1. fijo ( 10/05/2005 21:29)
azafady ry zareo ,fa zavatra hitako izy ity na tany mada na taty.ny kato tsy haiko fa resaka proteta no haiko.
ao dia atao batisa ny zaza vao mena vava na mbola tsy ampy taona.3 na 4 taona mahery eo.
hita ngamba fa dia mitomany mikiakiaka aby ny ankamaroan'ireo zaza ireo.ny tsikaritra koa nefa dia faly miramirana aby ny lehibe manodidina eo.ka izy io ve hafalian'ny lehibe no tadiavina sa inna?fa tsy itako mihintsy izay hampijalina ny zaza hizaka ny rano tsy tiany eo.sady tsy hierana akory izy amin'izay
novalian'i marozevo ny 22/05/2005 21:47
2. kally ( 10/05/2005 22:46)
Fa ny zaza entina jerena nify eny @ mpanao nify,ny zaza atao didi-poitra,ny zaza entina tsindromina aza mikiakiaka aby Fijo ka inona ary no dia maha-anon'anona anao amin'izany a?
3. marozevo ( 11/05/2005 00:39)
Raha misy olona mila ny fanampianao, nefa tsy afaka maneho izany faniriany izany, fa ianao no mahita fa mila fanampiana izy. Hamonjy azy ve ianao sa hitazam-potsiny ?
Raha misy zaza mbola tsy afa-miteny, nefa mila misakafo, dia andraso ary aloha ho feno 3 na 4 taona vao homena satria amin'izay izy manana ny heviny.
Raha misy olona voan'ny accident, ohatra, ka safotra na tsy mahatsiaro tena (dans le coma), dia hiera aminy ve ianao vao hamonjy azy ?
Toy izany ny zaza, ny ray aman-dreniny no mahita fa mila ny sakramentan'ny Batemy izy, satria "Raha tsy ateraka indray amin'ny rano sy ny Fanahy dia tsy handova ny fiainana mandrakizay", tsy mangataka ny hevitry ny zaza ny ray aman-dreny satria fantany fa hahasoa ny zanany izany.
4. fijo ( 11/05/2005 04:56)
o ry zareo an,hafa anie ny marary e.za izao tsy misy hilako an'izany nefa dia natao ankeriny fony kely.izao aho manome tsiny ny RaR nanao izany
5. pika ( 11/05/2005 05:32)
tsy misy rad manome vato ny zananay ho ataony sakafo, fa izy ireo dia mikatsaka mandrakariva izay mety ahasoa anao.
tsy tompon'ny aiana isika ka mety vao teraka 1volana aza dia maty koa dia tsy mba lasa zanak'Atra akory ve. nateraka t@ ota isika ka noho izany amiko na vao teraka aza ka misy moyen hanaovana batisa dia atao. fitiavana ny zanany tsy ho very no ataon'ny rad fa tsy fampijaliana azy akory. anjarany avy eo no mampahafantatra anao ny antony nanaovana izany ; ny fanazzavany angamba no tsy ampy ka tsy azonao :roll:
6. hery ( 11/05/2005 06:15)
fijo> misy koa manome tsiny ny ray amandreniny satria nalefa tany an-tsekoly :-) fa izany akory tsy midika hoe tsy tokony halefa any antsekoly ny zaza rehefa mikiakiaka sy mandà.

Nandray ny adidiny ny ray amandreninao t@ maha kristianina azy, rehefa manana ny safidinao indray ianao dia afaka "mitsika-doha laka-nitàna" :-)
7. dadabe ( 11/05/2005 06:38)
ka ilay batisa anie raha ny fahafantarako azy zava-panahy e,de tokony fotokevitra ara-tsoratra masina izany no tokony hanjaka eto raha izany ,hoe de..... :cry:
8. ari.malala ( 11/05/2005 08:57)
fijo ve mahalala fa misy fanahy tokony hokoloina ao aminao ao?

9. pika ( 11/05/2005 09:07)
:-@ :-@ :-@
10. bichette ( 11/05/2005 09:23)
fijo > nenà ny zanako tsy ampanaoviko batisa mena vava izany aloha e, avelako lehibe dia anjarany no misafidy :^)
11. jhouhlambout ( 11/05/2005 10:04)
Ka ilay batisa anie karazana marika fotsiny é, dia na atao batisa ary izy dia afaka tsy miraharaha izany rehefa lehibe (raha izay no tiany).
12. booboo ( 11/05/2005 12:45)
13. Mifenty ( 11/05/2005 13:02)


nen'i fijo ndray dia tena question existentielle mitsy kle.

ary i fijo v tsy mba nanontany ny RAd nao nialoha ny ahatongavana tety an-tany le.

"dada sy neny ah, anontanio ny hevitro vao mihevitra ny hanao na tsy hanao ianareo" :-D :-D :-D
14. Mifenty ( 11/05/2005 13:03)


fa ny ahy ny saika anontaniako de le oe batisan'ny fanà masina kle. Tsy aiko tsara na batisa am fanà masina na batisan'ny fanà masina le izy io.

15. dadabe ( 11/05/2005 16:27)
hmm miha lalina indray izy izany le
16. annie ( 11/05/2005 19:50)
tsotra ny havaliko an'i fijo: aza hatao batisa na batemy ny zanakao de vita :!:
jhouhlambout!Miankina aminao io ka!tsy hifanerena akory.Ny ahy aloha efa vita satria matahotra aho sao tsy mahazo ny fanjakan'Aa ny zanako raha sanatria ka maty tampoka hoatra eo @ fahazazany
17. fijo ( 11/05/2005 21:55)
hoy i hery.manao ny adidiny ny RaR dia anjaranao ny manda an'iny avy eo.ka raha anjarako ihany ,naninna raha nadrasana ny hevitro?
mifenty,za nga no naniry ny hoety an tany.
bibi marina ny andy.
hiy jhoul io marika fotsiny.izay indrindra no tsy hitiavako ny ampijaliana zaza momba azy.
ari malala;ny tsy vita batisa ve tsy mananmpanahy.???dia ahoana ny hafa finoana?
18. hery ( 12/05/2005 09:44)
rehefa miteraka i fijo dia izay hanaovanao ny zaza eo indray. Raha tiana omena sakafo izy dia omeo, raha tiana hatao batisa dia ataovy, raha tiana ampianarina dia ampianaro... sa aleo aloha andrasana mihitsy ny heviny fa sao dia tsy te hisakafo akory izy (tsy hainy akory hoe atao in sakafo) sao dia tsy te hatao batisa akory izy (inona no ivakiany loha @ zany?) na sao dia tsy te hianatra akory izy (vao mainka loza)
19. jhouhlambout ( 12/05/2005 10:44)
fijo > Ka tsy misy dikany anie ilay marika raha toa ka tsy rarahina é! Tsy manova n'inoninona akory...
20. Mifenty ( 12/05/2005 17:19)


tena manenina ny fisian'la ety an-tany ela zany ry fijo le.


hikarakara alim-bavaka sy fifadian-kanina ho an'ny fanahin'la sy ny mety ho zanak'lah aho kle.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1842