ny batisa sy ny zon'ny ankizy

21. fijo ( 12/05/2005 21:16)
mifenty an an za tia ny fiainako aty ka.fiainana milay ity ve.
ka ny zaza anie rahery rehefa rosoana sakafo ka tsy te hikaly ohatra dia tsy hitako izay hanerena azy hisakafo e.rehefa noana izy mitady foana.eo izy vao homena.
22. dadabe ( 13/05/2005 03:39)
fa maninona kosa aza le sakafo no ampitoviana @batisa ?ny iray zavatra ara-nofo ,ny iray zavatra ara-panahy ,tsss tsy mitovy kosa izany e :roll:
23. ari.malala ( 13/05/2005 10:46)
mitovy tsara mintsy izany r'idadabe! nahoana ianao no mamaky baiboly? satria noana sy mangetaheta ny fahamarinan'Andriamanitra ianao, ataoko angamba fa izay no antony (disoy aho raha diso). Ko ny nofonao aza ve hainao omena hanina ko nahoana ny fanahinao no tsy omenao hanina?

24. Mifenty ( 13/05/2005 11:30)


hoy ilay hira

sambatra izay noana,
sambatra izay mangetaheta
ny fahamarinan'Andriamanitra....


25. kinaoly ( 13/05/2005 12:31)
amiko tsy voatery hiaraka eo amny même plan zany :
- ny sakafo besoin primaire, instinct de survie no mahatonga ny ol tsy maintsy misakafo ary efa voasoratra ao anatin'ny gènes maha-zavamananaina ny ol io
- ny batisa , ekeko fa mety ho sakafom-panahy ho an'ny hafa, fa za aloha tsy mbola naheno we maty raha tsy atao batisa ... sa ve efa nisy zany fa za no tsy naheno ?!? :{
26. Veloo ( 13/05/2005 20:26)
O ry reto a jereo ny lazain'i Bichette... dia vita oooooo
27. dadabe ( 14/05/2005 16:45)
marina sady ekeko ihany koa
28. marozevo ( 17/05/2005 23:55)
Raha vao resaka sakramenta no resahina dia tsy hahazo na inona na inoa izay tsy manam-pinoana. Atao Batemy ny zaza, ny mba azony eo dia hoe "mitomany e"; "kotsa e" , "tsy manan-tsafidy e". Ary dia mijanona eo izy satria tsy misy azony ny zavatra ivelan'izay. Ny mahagaga ahy dia hoe nahoana ary izy no tafiditra tao am-piangonana ka nahita an'izany rehetra izany.
Tena sakafo ny sakramenta (Batemy iray amin'ireo), ary tena maty ara-panahy izay tsy mandray azy. "Raha tsy ateraka indray ianareo...." Jn 3. Ny mpino tsy misalasala amin'izany. Na i Fijo aza dia inoako fa mahafantatra an'izany koa saingy .....
29. fijo ( 19/05/2005 22:21)
za lehireto tsy hosambatra izany raha noana ka.
30. pitchou ( 20/05/2005 20:11)
fijo> nefa enao tsy nanome tsiny an'i mamanao nanome anao sakafo fony enao tsy nitaky an'izany an? faly ery ary zao enao hoe soa ihany fa tsy niandrasany ny hevitrao ko!
ary manome tsiny koa ve enao hoe nomeny ny anarana izay tiany nomena fa tsy nandrasany rehefa te-hanana anarana enao vao nomeny dia misafidy ze anarana tianao?
ary tsy ny batisa ihany no mampitomany ny zaza! misy aza mila ho torana mihitsy ampandroina nefa d fantatra fa izay no tsara kokoa sy mety aminy dia tsy maintsy atao!
31. marozevo ( 21/05/2005 00:05)
Fijo > Fa iza no heverinao fa sambatra raha noana ? Raha mijanona ho noana lava tsy mahalala ny fahamarinan'Andriamanitra eo, dia ho sambatra ve ? Tsia !
Nefa kosa "Sambatra izay noana sy mangetaheta ny fahamarinana SATRIA i Kristy no hanome azy ny sakafom-panahy ilainy" Izay no mahasambatra ny noana fa tsy noho izy noana fotsiny.
32. dadabe ( 21/05/2005 15:52)
fijo >tsy ara nofo anie lety io e,sambatra izay mangetaheta ...(ara-panahy lesy io a)
33. marozevo ( 22/05/2005 21:47)
Marina ny an'i dadabe fa "ara-panahy io", saingy aoka ho fantatr'i dadabe fa tsy afaka ho voavonjy mihitsy ny fanahy raha tsy ny vatana no manao ezaka hamonjena azy. Mba diniho kely ange eh!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5085