Iza no afaka hitoky @ fitondran-dRa8

1. Tanala ( 09/05/2005 13:44)
- Ireo gasy mahatsapa fa ny hatsembohan'ny tavanao no hinananao fa tsy isan'ny olona fantatrao.

Raha tsy mahatsapa izany ianao dia atao zany hialan-dRa8 fa ianao no faha8ny.
novalian'i Tanala ny 23/05/2005 18:54
2. cheboman ( 09/05/2005 13:46)
3. isambilokely ( 10/05/2005 03:47)
tsy mazava ny tian'i TANALA ambara.

Mbilo
:lol: Youpiiiiiiiiiiiiie
www.amontana.com
4. ravatorano ( 10/05/2005 08:26)
marina ny anelah ry mbilokely hihihihih
5. rtsoa ( 10/05/2005 08:54)
Aza mba miteniteni fona ry reto à! :P
Mba jereo aloh ny fivoarana entiny é! fa hatramin'ny ovina zao no nisy mpitondra antsika ka nampivoatra sy nanatsara toy izao sa le fahasahiranana hita maso mety mandalo io no hitsanareo azy,fa tsy le zavtra ataony hanatsarana ny firenetsika no jerena, sady rah ohtran'ah aloh de aleo izy hanao ny asany de rehefa vita oh: io mandat io de eo no hitsarana azy, fa isika koa anie toa tsy mahandry tantana é!
6. lilbon ( 10/05/2005 08:54)
aahhh ravato
kou efa we ny hatsembohan'ny tavanao no hihinanao fa
tsy ny hatsembohan-dra8 na ratsiraka ko inn ndray moa :) :twisted:
7. Tanala ( 11/05/2005 18:22)
Fanazavana:
Sarotra be hoan'@ ireo olona zatra "mpinono fotsiny ihany" izany hoe "mino fotsiny ihany" fa raha miasa tsara izy dia mihaina tsara.
8. mandrindra ( 16/05/2005 14:32)
raha toa ka ampy ny hoe miasa tsara dia miaina tsara dia tokony tsy ilaina izany ny fanjakana.
9. cheboman ( 17/05/2005 17:32)
refa mianatra tsara sy hendry tsara koa ve zany ny zaza dia hoe tsy ilaina koa zany ny ray aman-dreny?????
10. mandrindra ( 20/05/2005 14:52)
cheboman, vakio tsara fa hoy aho hoe :"raha toa ka ampy". Ny tiako ho lazaina dia samy manana ny andraikiny daholo na ny vahoaka izay tokony hiasa na ny fanjakana izay tokony hametraka ny drafitra hiarahana sy hanentana amin'ny fanatontonsana izany. Ny azoko eto mantsy dia toy ny hoe ny vahoaka ihany no asaina miasa.
11. Tanala ( 21/05/2005 14:41)
mandrindra:
raha toa ... tsy ilaina izany ny fanjakana

Aza miasa ary ianao hahitao azy. Sa inona no tokony ho tenen'ny filoha hoe: Aza miasa fa homeko vary.
Amiko adidy ny filoha ny manentana ny vahoaka toy izany.
Marina ny lazanao hoe drafitra. Misy io fa tsy hoe tsy misy na ny fitondrana teo aloha ary nanana an'io. Ny drafitra misy @zao dia mianga @ chef de region.
Ny tena tiana tsindrina @ ty lohahevitra ity dia ny hoe aza moramora ny fiainana.
12. xxx ( 21/05/2005 23:27)
Tsy mazava amiko ny objectif-n'ilay mpanao sujet. Hidera ny asa vitan-dravalo sa ny hanentana ny olona tsy hitoky amin'ny fanjakana. Tsy vitan'izany atsembohan'ny tavanao izany lesy ry tanala ny fiainana fa indraindray, refa ratsy ny fitondrana dia ny atsembohan'ny tavanao no ihinanan'olona. Ary tena mbola manjaka tanteraka any Dago izany zavatra izany (Kolikoly, dahalo, soloky, fanendahana, fanambakana), tsy mbola resy.
13. mandrindra ( 23/05/2005 08:02)
Tanala fa maninona no nasiana teboka telo eo anelanelany, manajary tsy ampy anie ny hevitra tiana havoaka e.
Izaho tsy niteny hoe tsy tokony hiasa fa vakio tsara ilay hafatro eo ambony.
Dia hoy i tanala hoe miainga any amin'ny faritany ilay drafitra, dia mba omeo ohatra hoe azafady.
14. Tanala ( 23/05/2005 18:49)
Mandrindra> Nasiko teboka telo satria efa novakiko le tery ambony aza matahotra ianao fa mivoaka voa ny hevitrao, fa mba efa ezao ho azo koa ny hevitry ny hafa.
Ny tiako tenenina dia ilay tapany farany @ lay phra se voalohany "fa tsy isan'ny olona fantatrao".
Aza miodina eo @ lay minoa fotsiny ihany.
15. Tanala ( 23/05/2005 18:54)
Toy izay i Xxx aza mijanona fotsiny @lay hoe hatsebohan'ny tavanao fotsiny fa tohizo lay phase.
N'aiza n'aiza alehanao dia tsy maintsy ny hatsebohanao ho hinananao sy ny mpampiasanao.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3138