andeha hanohitra ny fanavakavahana

1. pika ( 09/05/2005 07:15)
lohahevitra 1 dinihina ao @ fiangonana... @ ity volana mai ity io. dia mba tiako isarihina antsika hoe: mbola misy ve ny fanavakavahana? @ lafiny inona oh? azo atao tsara ve ny manafoana na miady aminy? azo inoana ve ny tsy isiny izany intsony indray andro any?.....?
dia misaotra antsika miara-mitady vahaolana.
novalian'i majakely ny 12/05/2005 12:38
2. naharyhaingo ( 09/05/2005 10:43)
Ny azoko ambara angamba dia hoe isika tsy tompon-tsafidy amin'ny nahariana antsika, fa novolavolainy, Izy mpahary, araka ny sitrapony, tsy nandahatra isika fa samy nalahatra, ka raha sendra manana tombom-pahasoavana mihoatra noho ny hafa isika dia aoka tsy hikatsaka afa-tsy izay sitrapon'izay nanome azy antsika. Fa tsy hoe hanavaka ny hafa fa tsy mitovy amintsika na sanatria hanararaotra azy.

satrin'ny tsirairay ho tonga lafatra hatrany ankibon-dreniny nefa mety tsy izany akory no mahatsara ny tsirairay.

Ka ny fanavakavahana izany dia tsy maintsy resentsika, mila mampihatra izany fa tsy hoe lazaina fotsiny, mety tsy ho vita mandritra ity volana ity io ( mety ho amantaona, tahaka ny nanafoanana izany tany amerika ) fa efa tsara aloha ny fanombohantsika amin'ity volana ity dia hotohizantsika ihany izany.
koa dia mahereza hanohitra ny fanavakavahana e!
3. naharyhaingo ( 09/05/2005 10:44)
Ny azoko ambara angamba dia hoe isika tsy tompon-tsafidy amin'ny nahariana antsika, fa novolavolainy, Izy mpahary, araka ny sitrapony, tsy nandahatra isika fa samy nalahatra, ka raha sendra manana tombom-pahasoavana mihoatra noho ny hafa isika dia aoka tsy hikatsaka afa-tsy izay sitrapon'izay nanome azy antsika. Fa tsy hoe hanavaka ny hafa fa tsy mitovy amintsika na sanatria hanararaotra azy.

satrin'ny tsirairay ho tonga lafatra hatrany ankibon-dreniny nefa mety tsy izany akory no mahatsara ny tsirairay.

Ka ny fanavakavahana izany dia tsy maintsy resentsika, mila mampihatra izany fa tsy hoe lazaina fotsiny, mety tsy ho vita mandritra ity volana ity io ( mety ho amantaona, tahaka ny nanafoanana izany tany amerika ) fa efa tsara aloha ny fanombohantsika amin'ity volana ity dia hotohizantsika ihany izany.
koa dia mahereza hanohitra ny fanavakavahana e!
4. majakely ( 09/05/2005 11:08)
Ny ahy indray mba tiako holazaina dia ny mba hitsahatra sy ho fongotra aloha ny fanavakavahana isika samy mainty, alohan'ny hijery ny fanakavahana hataon'ireo fotsy hoditra antsika,fa misy tokoa anie ny samy mainty izao dia mifankahala eh!
5. pika ( 09/05/2005 11:39)
betsaka ny fanavakavahana na dia samy isika gasy aza:
- aram-pinoana
-ara-pirazanana
-ara-maha olona oh vavy sy ny lahy any @ faritra atsimo atsinana dia mbola misy ny mihevitra ny vehivavy ho toy ny fitaovana ...
- na samy mpihavana aza dia misy ny manao hoe havana raha misy patsa ......
na ny ao ampiangonana aza dia mbola hita ny hoe ity fikambanan'ny mafy ady sns
koa samia isika tsirairay no ho modely e
6. booboo ( 09/05/2005 13:45)
reo notenenin'i Pika reo aby santionany ahitana taratra ny fanavakavahana. Amiko ny fomba fiadiana tsy hisian'io intsony ( :roll: )azy dé ny "moramora ihany sy ny @ antonontony ihany" @ raha rehetra. Raha tsy zay dé hihitatra ka ho tonga hatrany @ génocide ny fanavakavahana fihaviana (tutsis/hutus; arméniens,...), raha any Irlande ny eo ara-pinoana (catho/protes...),apartheid ny fanavakavahana volon-koditra etc.
7. Chuan ( 09/05/2005 15:35)
Ny fanavakavahana dia teraka avy amin`ny tsy fitoviana eo amin`ny lafiny maro be (volon-koditra, fivavahana , ekonomia..etc ) ka nahatonga ny olombelona nametraka reference sy norme hoe ity no tsara noho ity iray ity . Raha tiana ho ravàna izany ny fanavakavahana dia izay fomba fijery izay no mila ovaina aloha kanefa sarotra be izany satria ny olombelona miketrika ny hisongadina foana miohatra amin`ny namany (izay dia efa endrika hisehoany na tsy mivantana aza) .Fa amiko , ny fomba fijery Rasta no anisan`ny hitako fa mahalaza ny tianareo ambara . Nisy fotoana niarahako tamin`i Zokibe Samy Rastafanahy , fa izy dia tsy misy complexe mihitsy amin`izay olona hifaneraserany satria ny fitovian`ny olombelona rehetra no anisan`ny foto-kevitra hijoroany ka tsy mahagaga raha isan-karazany ny namany na gasy izany na vahiny . Araka ny hevitro , ny FITIAVANA no tsy ampy amin`ny olombelona matoa tsy resy hatramin`zao ny fanavakavahana.
8. felicia ( 09/05/2005 18:27)
Amiko ny fanavakavahana dia tsy ho foana mihitsy mandrakizay,entre réligion,race,politique,sexuelle...ecc...isika tanora no mba tokony hiezaka hampita ny fisainana @ zaza ho avy,izay angamba no fanafody azo atao...
9. fijo ( 09/05/2005 21:21)
marina izany fa tsy hofoana izany io fanavakavahana io saingy hafaka mifanaja kosa na dia samy hafa aza.
10. isambilokely ( 10/05/2005 04:11)
Izany fanavakavahana izany dia tsy misy fa ny manava-tena no misy. Matetika ny erreur no rain'ny sasany ho fanavakavahana.

Jereo any Amérique Avaratra dia tsy mipetraka izany satria ny azy dia ny hoe : Que les meilleurs gagnent ihany no ady ao.

Io no tsy napetraky ny mpitondra teo hatramin'izay fa efa niaina ny quota lava dia raha sendra ny tsy nampoizina dia lazaina fa manavakavana. En fin de compte manava-tena izy fa tsy havahana.

Mbilo
:lol: Youpiiiiiiiiiiiiie
www.amontana.com
11. kally ( 10/05/2005 14:40)
Isambilokely> Misy dia misy na eo @ ankizy madinika aza ny fanakavahana.
Eny an-tokotanim-pianaran'ny T1 sy T2 dia efa hahenoana ny hoe "aza milalao miaraka amin'io fa ratsy kely ny akanjony".
12. pitchou ( 10/05/2005 19:02)
rahatrizay tsy misy intsony ny fanavakavahana dia ts misy ady atao intsony eto
13. felicia ( 10/05/2005 20:22)
pitchou...tsara ilay firariana... :D
14. majakely ( 12/05/2005 12:38)
manomboka izao raha misy kintana mifindra zao :dia izay no mba firariako!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.727