Ajesaia champion du monde

1. Narilala ( 08/05/2005 18:46)
miarahaba manokana ny mpialalaon'ny Ajesaia isika fa nahazo ny amboara t@ modial pupilles du Plomelin. resiny t@ isa 1 no ho 0 ny FC Nante. Voninahitra ho an'ny afirenena izany. Marihina fa tsy resy mihitsy izy ireo nandritra ny lalao rehetra.
novalian'i DotMG ny 12/05/2005 08:16
2. iartistika ( 08/05/2005 18:53)
=D =D mahafinaritra kosa izany ah! tsara fa tohizo..;
3. Narilala ( 08/05/2005 20:31)
jereo ho an'izay liana: www.madamaki.com
4. Narilala ( 08/05/2005 20:31)
jereo ho an'izay liana: www.madamaki.com
5. Ralay ( 08/05/2005 21:15)
Mahafinaritra izany fa dia arabaina ireo tanora malagasy izany fa nahazo ny laharana avo indrindra ary tokony mba hatao ho exemple ho an'ny sport malagasy ny zavabitan'ireo tanorantsika ireo fa tsy mena-mitaha @ hafa isika na dia lazaina fa firenena mahantra sy tsy ampy "infrastructure" mihoatran'ireo firenena efa mandroso.
Bravo et merci e
6. totty ( 08/05/2005 21:46)
tena faly be ahoraha nahitaizao vaovao izao,maneho fisaoranaho an ireotompon andraikitra rehetra ao amin i ajesaia nytenako indrindrafa i maitre Yves izay tsy nikelysoroka tokoa.
7. ravatorano ( 09/05/2005 05:59)
Tsy nofinofy marina fa tena azon'ny pupilles malagasy ny tompondaka era-tany teo amin ny foot U-13 tany Plomelins-France.
Izao anefa raha vao miakatra eo amin ny junior ny malagasy dia tsy hita intsony ny fahaizana nananan'ilay ankizy taloha nohonny tsy fisianny fanarahamaso;hany ka na ry Malawi na ry Lesotho dia mandresy antsika amin'zao.
Mila fanaraha-maso,mila fanohanana ireny katita kely ireny ary mila encadrement sy fandraisana antanana manomboka izao ka hatramin'ny hahatongavany senior ho ao amin ny scorpion izany
8. Narilala ( 09/05/2005 06:06)
Fa ny mahagaga sy ny mampalahelo dia ity: tsy mba misy fitenenana na lahatsoratra momba ity vaovao lehibe ity ny gazety mpiseho isan'andro any Dago. Dia tsy misy mahalala ny fisian'izao vaoavao izao ve ireo mpanao gazety ireo, na farafaharatsiny tsy mba misy mijery internet? mampalahelo. Dia efa firy andro any aoriana izany vao hahalala izany ny vahoaka Malagasy? dia ho gaga hanontany hoe fa angaha nisy an'izany?
9. naritsimba ( 09/05/2005 06:09)
Enga anie ka ho tsapan'ny mpitondra fa mampandroso ny fanatanjahantena ka tsy hatao ankilabao intsony.
Aleo ny kely no hananatra ny lehibe.
BRAVO AJESAIA
10. Chuan ( 09/05/2005 16:57)
Deraina manokana ny Ajesaia U-13 fa manentana ny hambo-po maha-malagasy ny vokatra tsara ohatran`izao ka mendri-pideràna ! Raha ny mikasika ny ho avy araka ny hevitro dia tsara raha ezahina hatao taniketsan`ny foot Eropeana mihitsy ny eto amintsika ka hanaovana karazana pub amin` ireo klioba vaventy any Eropa dieny zao ireny katita kely ireny satria tsy azo afenina fa matoa mihendanja ireny ekipantsika ireny na dia manantalenta aza , rehefa miakatra cadet na junior dia tsapa eny ihany fa mitaky ilay vesatry ny fahantràna ( tsy ampy fitaovana , tsy ampy sakafo , ...sns) hany ka tsy lasa lavitra foana .
11. ravatorano ( 10/05/2005 07:38)
Narilala
12. DotMG ( 12/05/2005 08:16)
Tsara fa aoka isika tsy hanitsaka be loatra.
Tsy fifaninanana eo ambany fiahian' ny FIFA mantsy ny fifaninanana tany Plomelin, ary tsy mampandroso ny filaharan' ny firenentsika eo amin' ny filaharana eran-tany akory ny vokatra tsara azo tany.

Ny tokony himasoana dia ny hahazoana vokatra toy ireny amin' ny fifaninana andraisan' ny ekipam-pirenena, ohatra ny Cosafa Castle Cup, nefa ny federasiona eto ambany loatra ny tanjona kendreny (Lalaon' ny Nosy.)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1961