Very angaha ilay teny gasy?

1. hery ( 06/05/2005 15:49)
Manomboka misesisesy ireo teny frantsay eto amin'ny forum (dinika) dia gaga aho hoe very angaha ny teny gasy? Raha ohatra ka zavatra nalaina tamin'ny takelaka hafa dia azontsika atao tsara ny manao rohy ( http:... )rehefa avy milaza ny andinindininy amin'ny teny gasy. Raha ohatra moa ka soratra nosoratana dia azo sainina amin'ny teny gasy tsara alohan'ny handikana azy amin'ny teny hafa.

http://serasera.org/forum/index.php?rub=policy fa mbola manankery ilay fitsipika izay iezahana indrindra amin'ny fampiasana ny teny gasy.

Raha toa ka mila dikanteny ianao ka tsy fantatrao dia misy fitaovana azontsika ametrahana ireo teny tsy fantatra ny dikany @ teny gasy. http://mg.wiktionary.org/w/index.php?title=Template:Fanangonana/Teny/Frantsay&action=edit§ion=100 ny fanangonana teny.
fitsipika:
Mba hisian'ny fifampitaizana amin'ny Teny malagasy dia ezahina ho teny Malagasy ranoray no ifandraisana ao amin'ny forum.serasera.org. Azon'ny mpandrindra ny lohahevitra esorina ny hafatra tsy mifandraika amin'izany. Azo leferina kosa ireo vaovao nalaina tamin'ny loharano hafa ka tsy voadika amin'ny teny malagasy.
novalian'i momona ny 10/09/2005 09:21
2. kally ( 06/05/2005 16:08)
Izaho moa dia gaga fotsiny saingy efa naverimberina teto foana ny resaka sy adihevitra momba an'io ka dia aleo mitazam-potsiny.
3. mahatehotia ( 06/05/2005 16:10)
Marina mihitsy izany!
4. iartistika ( 06/05/2005 16:25)
mandreraka eh! ref'izany tokony asiana an-jorony hoan'izay hiteny vahiny...
5. Veloo ( 06/05/2005 17:08)
Izay ary ny anareo ry ireto a! mba mitenana gasy hono eee.. sa aloha dia miteny gasy foana ato e :lol: :lol: :lol:
6. Veloo ( 06/05/2005 17:12)
hery a misy resak'i veloo be dia be eto @ momban'ny takelaka.. mba valio kely anie eeeeeee :wink:
misaotra betsaka oooo :lol:
7. hery ( 06/05/2005 17:15)
veloo> aiza sy aiza?
8. Veloo ( 06/05/2005 17:25)
Hery a jereo ao izay misy veloo ao lesy a :lol:
9. booboo ( 06/05/2005 19:41)
ny @ hatsikana sy ny kaly ve terrible lôtra raha tsy atao teny gasy ?
10. maditra ( 06/05/2005 22:09)
hihi, mety ataon'olona manohitra izay miseho rehetra zah fa tsy ahoako izany.
Fa maninona ary ohatra indraindray raha mba mandeha kely ny teny vahiny e! Amin'izay sady misy fanabeazana kely ho an'ireo izay mba te hianatra manko. Sa ratsy izany?
Maditra
11. iartistika ( 06/05/2005 22:34)
maditra> raha teny iray sendra mandalo de marina ny anao,ary raha resaka fanabeazana,maninona raha mifanabe amin'ny teny gasy,ny teny frantsay sy ny anglisy anie betsaka no mahay eh!fa rehefa mba mba hifampitaiza am teny malagasy de mbô atao eh!Marina mihitsy le tenin'i booboo io hoe ary am hatsikana ary no tena misy an'le olona miteny voanjo! asakasakareo ze manao fiteny baiko... :roll: :roll:
12. mishou ( 06/05/2005 23:08)
hery, asio tri koa ilay teny farny tsy hay e, raha tonga eto koa mantsy ny teny sinoan-dry dadabe de ahitana faisana isika fa de aleo aloha dieny izao dieny tsy mbola mivoaka ny clavier @ teny sinoa any aminy de ferana ilay teny tsy gasy e

dadabe> sa ahoana hoy élà :-P :-P :-P
13. maditra ( 06/05/2005 23:25)
iartistika> hevitra ihany ny ahy, ary tsy zah koa anie no mpampiasa be an'izany teny "baiko izany ato e! Fa zah koa tsy mahita ny faharatsiany koh. OK, mifampitaiza amin'ny teny gasy dia.
Zah saika hiteny hoe, tsy aleo ve mba misy hevitra mandeha na dia amin'ny teny Frantsay na Angilisy aza toy izay tsy misy mihitsy fa, efa bete trop izany ny hevitray dia najanona.
Azafady raha nanelingelina ny dinidinika sy ny fiarovana teny Gasy nataonareo.
14. hery ( 07/05/2005 07:15)
maditra> efa antapitriasany ny site miteny frantsay... mandehana any ange dia mampidira hatsikana amin'ny teny anglisy e? (mba tsy hataoko hoe teny gasy) fa ho sahirana ihany ianao rehefa avy eo.
Ny anglisy koa tsy manaiky hampidirana teny frantsay ao amin'ny site-ny (na dia misy mahay teny frantsay aza ao) etc. etc.
Koa maninona ny malagasy no manao an'izany? (na dia misy mahay fratsay koa aza)
15. ainaheri ( 07/05/2005 07:53)
Tsy very ny teny Gasy fa aleo dia tsoriko fa miankina @ mpiandraikitra ato ihany io ka raha
manao teny baiko izy d tonga d fafao d tonga aminy
zay lay hafatra mba diniho tsara moa e raha izaho zao manao teny ratsy b eto d ekenareo ve???????
16. kally ( 07/05/2005 08:34)
Izaho koa manohana an'i ainaheri,ny fitsipika natao hamerenana izay mivoaka ny vala,fa tsy natao ho dinganina,ka nahoana no tsy ampiharina ny fitsipika?Any ambadika any misy takelaka hafa miteny frantsay anglisy sy izay teny rehetra tiana,dia ity tokana ity ve no mba sisa miteny gasy dia simbaina indray?
17. notron ( 07/05/2005 08:49)
Tiako ialana ilay hoe "Teny baiko" satria ny nahatonga io fitenenana io dia hoe "Teny mba haiko", Izany hoe avy amin'ny "Fiteny frantsay" na "Fiteny faran'ny tsy hay".
Izaho eto dia mihezaka ihany na dia tsy ampy ary izany.
Ny mahavoa matetika dia eo amin'ilay fanafohezan-teny.
Tsy dia mba tiako loatra mantsy ny manoratra lava.
Manentana antsika hiezaka ihany anefa fa zava-dehibe ny "Tenin-drazana" indrindra aminan'ny maha "Tenin-dreny azy".
18. kitjo ( 08/05/2005 15:13)
Tsy mba mahafaly ve ilay hoe takelaka @ teny malagasy manontolo e?

Sady maro @ namana ato ny mipetraka aty ivelany. Misy ny mba miezaka manoratra teny malagasy na tsy mety tsara aza. Dia mbola teny faran tsy hay sy anglisy ihany ve no ifampiresahana ato?

Raha hatsikana sy sakafo azo iafiana satria mety tsy ho voadika nefa tsy tokony atao be lotra fa betsaka koa ange ny hatsikana gasy e.

Nareo any Dago mbo andefaso le hatsikana @ gazety Ngah reny anay na le mandeha @ Kidona maraina. Sa tsisy tsn znay fandaharana zany?

Fa le mahay teny gasy aloha nefa mi style reny no tena ttssss....
19. mishou ( 08/05/2005 21:01)
zahay rangahy tsy manaiky an'izany an, ny hatsikana indrindra no tokony atao teny gasy satria samy te hihomehy daholo ny olona rehetra
sady ny sasany @ io manoratra @ teny faran'ny tsy hay fa diso tsipelina vao maika mahamenatra tsy aleo mba teny gasy ihany :°) :°) :°) :-P :-P :-P
20. kally ( 09/05/2005 16:28)
Izay mantsy ho'a ry mishou,vao misokatra @ izay ilay takelaka dia teny frantsay be no mameno azy.Aleo teny gasy ihany,ampiharo ry Hery ny fitsipika fa izao ihany ange no tsy mampandroso ny firenena e!atao inona fotsiny ary io fitsipika io? :wink:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0745