Ny adidy tsy an olondratsy hoy ny fitenenana.

1. ravatorano ( 04/05/2005 07:44)
Nahavita ny adidiny tokoa isika namana satria nanana solotena tamin ny famangiana an i namana naritsimba tamin ny fahoriana niantra tao amin ny fianakaviany tamin ny nahalasanan ny rainy.
Misaotra antsika namana tonga nisolotena teny ary enga anie ka hitohy ho toy izany foana ny fifankatiavana ary ny fihavanana misy eo amitsika satria ao anatin ny fahoriana ohatran ireny no tena hijerena ny tena namana.
Ireto avy ny namama tongateny :mimich,poupounessana, arimalala ,maithe , voahirana ; notron mivady;glou;capitou;HeryLo ; lo_,mcz;pinous ; jaya;sy izay mety tsy voatonoko ny anarany.
2. mihanta ( 04/05/2005 07:58)
mamangy am fahoriana ry naritsimba d enga anie ho lasan'izay ny lasa rehetra.
3. booboo ( 04/05/2005 08:01)
Zà zao vao nahafantatra dia mirary fiononana feno ho an'i Naritsimba sy ny fianakaviany rehetra.
4. mampikanto ( 04/05/2005 08:55)
Tena miala tsiny aho Naritsimba fa tena zao vao fanatro hie nisy fahoriana taminao.Mahereza fa tombon-dàlana ny azy fa isika rehetra samy ho any ihany avokoa.
Izay fa dia ny soa sy ny tsara indray no ifandiasantsika eto e!

Kanto
5. Dezy ( 04/05/2005 08:57)
mahaiza mihonina naritsimba,dia ho lasan'izay ny ratsy fa ny tsara indray no hiarahana eto
6. ari.malala ( 04/05/2005 10:29)
Tsy nahafantatra aho fa dia miala tsiny ary miray feo @ ireo namana rehetra mamangy @ fahoriana sy mampionona, enga anie holasan'izay ny ratsy rehetra!

7. nikopol ( 04/05/2005 10:55)
Mirary fiononana ho an'ny namana naritsimba.
8. chipie1 ( 04/05/2005 11:38)
mamangy fahoriana ho any i naritsimba dia mahereza
9. pika ( 04/05/2005 13:16)
zao vao nahalala ka dia mialtsiny fa dia mirary fiononana ho anao sy ny fianankavianao. ny tsara indray no enga anie iarahantsika e
10. klemntina ( 04/05/2005 18:59)
zao voa mahalala ka miala tsiny mamangy ny faoriana ka ho lasanizay ny ratsy rehetra dia mba ny tsara indray no hiarahina eto anie. mirary fiononana ho anao sy ny fianakavianao mahereza
11. pitchou ( 04/05/2005 19:16)
miala tsiny raha tsy tonga fa teto vao nahalala! d mahaiza mionona e!
12. mishou ( 04/05/2005 19:46)
nareo kosa tsy mamaky taratasy alefan'ny administrateur mihitsy e,
nampilaza io i hery hoe filazana manjo e
eto daholo vao miala tsiny

mba vakio ihany wa ny taratasy tonga ao aminareo, sady mahazo isa ange mamaky taratasy e, de mahazo isa koa manoratra na mamaly taratasy
13. isambilokely ( 05/05/2005 02:03)
O ry Mishou anh,

Fialana balan'ny tsy nandeha izany hoe tsy nahalala izany. Fa aza omena tsiny izy.

Mbilo
:lol:
14. fijo ( 05/05/2005 19:46)
aoka tsy hifanome tsiny isika ,fa ny zavadehibe dia ny fisian'ny namana tonga tany.amin'ny fotoana toa izao tokoa mantsy no tokony anehoana ny maha mpinamana,ary tanteraka izany ,ka dia fisaorana sy firanriantsoa ary fihononana no atolotra hoan'ny namana naritsimba
15. saotra ( 05/05/2005 19:54)
Marina izany .Aoka tsy hifanome tsiny fa misy koa ny namana sasany na te andea aza dia mety tsy afaka noho ny antony maro samihafa.
Dia mirary fiononana ho any namana naritsimba.
16. ravatorano ( 06/05/2005 06:02)
aoka marina tsy hifanome tsiny fa ny solotenatsika efa nanao izay nahafahan ny iray manotolo eh
17. booboo ( 06/05/2005 06:08)
zay mitsy
18. ari.malala ( 09/05/2005 10:14)
isambilokely:

O ry Mishou anh,

Fialana balan'ny tsy nandeha izany hoe tsy nahalala izany. Fa aza omena tsiny izy.

Mbilo
:lol:



Moramora ihany ilay fanaratsiana betement ry namana azafady fa tena mandreraka be ilay toetsaina an! Fialana bala ahoana koa moa?! Ny fahafatesana anie tsy mampilaza ê! ary ny fotoanan'ny tsirairay koa tsy voafetra ho tsy maintsy afaka foana! Soa aza fa nisy ity sehatra ity ahafahanay izay tsy afaka fa "miala bala" araka ny teninao mamangy azy satria fantatra fa mamangy iyt sehatra "fanalanao azy" ity io namana io. Ary mba akaro kely ilay fisainana fa mirefarefa loatra, manafintohina be, nefa fantatrao tsara fa "loza ho an'izay iavian'ny fanafintojinana, tsara ho azy ny anatonana vato fikosehan-dafarinina ny tendany ka atsipy any anaty ranomasina"!!!

19. fijo ( 09/05/2005 21:26)
ari malala aza miady amin'ny gaigy fa manahirana
20. isambilokely ( 10/05/2005 04:18)
Ary i kala Sylv... koa anie dia mora misendoatra e. Ka efa hita fa nandeha teto io hafatra io. Izahay aza tsy mpiditra eto maheno amin'olona hoe misy tratran'ny fiantsoana any ambony hono ny RADn'ny mpikambana iray ...

Dia aza miala bala rehefa tsy nandeha. FA ataovy fotsiny hoe tsy afaka hoe fa tsy heo tsy naheno. lol.

Moramora ty vava ry Fidzou an ...

Mbilo
:lol: Youpiiiiiiiiiiiiie
www.amontana.com
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5687