voninkazo vaovao

1. pitchou ( 01/05/2005 16:36)
mandroso dia mandroso haingana tokoa ny fikarohana momba ny voninkazo ka raha mandeha any ivelany ianao dia mahita karazany vao noforonina betsaka! misy lalana henjakenjana ihany anefa mifehy ny fampidirana an'ireny any @ firenena hafa!
Aminareo tokony hotazonina ve ireny lalana ireny sa tokony alefahana?
novalian'i kally ny 05/05/2005 09:53
2. kally ( 02/05/2005 11:59)
Tokony ho tazonina tokoa ireny lalàna ireny satria matetika dia adinontsika fa tena mampidi-doza ny fampidirana zava-miaina na zavamaniry vaovao anaty firenena iray,jereo fotsiny ohatra ny olana @ algue marine izay "algue tropicale" nariandry zareo any @ ranomasina mediteranea.
Jereo ny loza ateraky ny fampidirana coccinelle asiatique (ilay feno teboteboka kely ohatry ny any amintsika) any Europe.
Amiko tokony hamafisina aza ny lalàna fa raha tsy izany isika rehetra no ho fongotra sy ho faty eto.
3. hery ( 02/05/2005 12:30)
Ohatra fotsiny misy an'izany karazan'anana izany. Belladonna ny anarany raha tsy diso aho. Io hono dia mitovy tanteraka amin'ny anamamy kanefa poizina. Ka raha izany no miely any Dago dia veloma hatreo koa ny fihinanana anamamy.
4. pitchou ( 02/05/2005 19:27)
ka le belladone kosa aloha d atahorana sao hohanina e! fa le voninkazo ange jerena e! :D
manjary otran'ny hoie ny mba voninkazo tsy misy afatsy teto amintsika azon-drizareo any ampita any, d isika ve tsy hahazo ny azy? :?
5. kally ( 03/05/2005 21:13)
Io ange ho'a Pitchou ny olana na zava-maniry na biby tsy hoe noho izy mahafaty raha hohanina fa misy voninkazo rehefa afindra toerana na miova toe-tany dia manimba ny voninkazo sy ny zava-maniry hafa any @ ilay tany nampidirana azy ka ringana daholo vokatry ny pollen na ohatr'izany ny voninkazo efa misy any @ ilay firenena vao idirany.Ary adinon'ny olona matetika ny fisian'io nefa tena mampidi-doza io.
6. pitchou ( 04/05/2005 19:29)
atao anty pot ao an-trano ohatra ve tsy mety?
7. kally ( 05/05/2005 09:53)
Mampihomehy ahy koa i Pitchou te hanana mafy mihitsy.Ka ny olana ange tsy i Pitchou irery no hanafatra fa samy hanafatra daholo ny olona dia samy hamboly azy any @ izay tiany ary na hataon'i Pitchou ao an-trano aza dia ohatr'izao ny fandehany:
ilay voninkazo nafarana moa izany arak'izy vaovao izany dia "génétiquement modifié", io dia natao hamidy noho izany matetika stérile na natao izay haha-stérile azy ny marimarina kokoa.Dia rehefa mamony izy dia mamindra @ ilay voninkazo hafan'i Pitchou ao an-trano nypollen,mety lasa ho stérile koa ilay voninkazon'i Pitchou,tsy hanome taranany intsony dia mifindrafindra ohatr'izay hatrany dia vita hatreo tsy hisy vonikazo intsony i M/kara.Na any ivelany aza dia mbola resa-be ny @ io saingy ny varotra sy ny bfampidiram-bola moa ambony noho ny tontolo iainana matetika ho an'ny zareo matanjaka ka dia...asa izay hiafarana.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1769