Miss Mada modely hoa an'ny Miss France

1. mandrindra ( 29/04/2005 14:37)
Nanome hevitra ho an'ny Miss France ve ilay Miss Mada nalaza tamin'ny sarimihetsika iny?
Ilay Miss France 2004 mantsy no eo amin'ny pejy voalohan'ny playboy mai 2005 dia misy sary maro samihafa ko hono ao antin'ilay magazine. Efa niova angaha ny tanjon'ny Miss.
novalian'i stephan ny 14/05/2005 13:57
2. maditra ( 29/04/2005 15:34)
Raha firenena mandroso (ara-toe-karena) anie no resahina dia efa zavatra mihitsy ireo mpanao miss no sady mpivaro-body io eh. Tsy misy tanjona niova izany fa ny teo ihany no miverina. Mba jereo moa ny fiankanjony izay izy vao mba lany. Tsy maintsy atao mizitizity be ny lamba vao lany koa inona koa! Fa ity Gasy kely tonga dia nitsambikina ity no mba mampalahelo.
3. tsondjo ( 29/04/2005 15:42)
eisy e! alahelon-kanina no be kay ny anareo???? inona anefa ny olana @ izany e! samy manao izy tiany io tssss :}
4. mandrindra ( 29/04/2005 15:54)
fa aiza ny olana hitan'i tsondjo eo?
5. kally ( 29/04/2005 16:19)
Raha ilay miss France safidiny iny hahazoany vola be vetivety.
Fa ilay ex-miss Mada safidiny marina ve?
6. mishou ( 29/04/2005 17:06)
sahiran-doha @ izay fiainan'olona tsy hihinan-kanina any koa nareo ka
sa efa tsy de misy atao intsony e
:-D :-D :-D :-D :-D
Fa angah moa tsy slogana gasy intsony ilay hoe samy manao zay mahafaly2 ny sainy
samy manao izay mahamirana2 ny fiainany

Sa tsy manana fahafahana intsony ny olona fa misy anareo mpitsikilo sy mpitsikera avy ato aoriana

raha tsy diso aho toa ny mpanenjika anie hono ka aty aoriana foana e.

Sa mahafinaritra be ilay gisitra lava eo @ fiainana


:{ :{ :{ :{ :{ :{
7. maditra ( 29/04/2005 23:01)
mishou> adray! Angamba raha mba miss zah vao ianao milaza fa manenjika azy aho. Tsy manenjika fa mba mandroso hevitra fotsiny. Sao dia tsy hainao aloha ny dikan'ny hoe manenjika e! Aleo mianatra teny Gasy indray raha izany. :{ :-D
8. sipagasy ( 30/04/2005 08:44)
araka ny fahafantarako azy tokoa ry mishou ny mpanenjika dia tsy mba any aloha izany fa avy aty afara foana annn hihihi, tohanako ny hevitr'injiko hihihih :lol:
9. lanto ( 30/04/2005 08:56)
Manaitra kely le titre : modely gasy :)

le miss tantely kosa toa tsy nivaro-tena fa mba nanao le ataon'ny maro aminareo be resaka ireo fotsiny e!
10. sipagasy ( 01/05/2005 20:16)
hihih lanto eny wa kouuuu izy aza mba tratran'ny patsa 1 tsy omby vava :cry:
11. isambilokely ( 08/05/2005 03:06)
Misy tsy azoko kely ilay hoe patsa iray tsy omby vava. Zany ve tsy langouste sa ? Tsy de maharaka fombafiteny malagasy loatra e. Fair Play ny antsika ry Sipagasy

Mbilo
:lol:
www.amontana.com
12. welie ( 11/05/2005 15:53)
mishou> Ka i MiSS France saika mba ho zobaviko ihany dia tena tsss..... lol .......
13. stephan ( 14/05/2005 13:57)
Misy koa ania ny miteny fa ny miss dia fivarotan-tena ankolaka sy mihaja e! ahoana ianareo amin'izany?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1691