clonation humain

1. felicia ( 28/04/2005 21:49)
ahoana ny hevitrareo mikasika ny clonation humain????
novalian'i pitchou ny 13/05/2005 20:19
2. aristar ( 28/04/2005 22:12)
Tsy fantatro ny "clonation humain" (clonation humaine) fa raha ny momban'ny "clonage humain" dia mba manana hevitra kely aho. Tsy misy antony ny hanavana lalàna momban'io satria indray andro any isy firenena na "chercheur fou" hanao azy
3. fijo ( 28/04/2005 22:18)
mety diso fiteny tokoangamba ilay namana fa raha io voalazan'i aristar io no dinihana dia ilaina ferana amin'ny lalana io ka.satria ekeko fa mety hisy hao any ambadika any,fa raha misy lalana mifehy azy dia tsimaintsy hatahotra ihany izy ary azo arahina koa izay zavatra ataony amin'izay
4. aristar ( 28/04/2005 23:01)
Ny lalàna dia tsy hanakana an'io mihintsy na hampatahotra an'izay te hanao azy satria rehefa nataony tanmin'ny ondry (Brebis Dolly) dia rahampitso na rahafan'ampsitso dia hiisy hanao azy @ ny olom-belona
5. poupounesana ( 29/04/2005 07:10)
mampatahotra ihany le intelligensan'ny olombelona ndray2 kah! io mikarokaroka io ihany zao no nahavitana bomba, basy d efa eo @ fanamboarana olombelona isika izao! te ho andriamanitra kely manko ny sientifika sasany! aleo marina io fehezina fa mety hampididoza ny tany iray manotolo
6. sonwin ( 29/04/2005 12:54)
Fehezina amin'ny lalàna io dia vita ka! rehefa voafehin'ny lalàna io dia tsy tafa mihitsy satria ts hahita ressource hi-finance-na ny fikarohana izay chercheur adala mitetika hanao an'io.
poupounesana> io mikarokaroka io ihany izao no nahavitana fanafody maro hamonjena ny marary :wink:, io mikarokaroka io ihany koa no nahafahatsika miserasera rapide be mitsy... :-P
7. kally ( 29/04/2005 13:57)
Sonwin> Raha nahay namehy tokoa ny lalàna efa ela no foana ny fanondranana rongony,ny fangalarana sy herisetra isan-karazany...Na misy lalàna aza ,betsaka ny hirika hahavitana an'izany.Eo koa ny tsy fitovian'ny lalàna mifehy isaky ny firenena,ny lalàna any Chine tsy lalàna any Etats-Unis ary tsy mitovy @ any Suisse ets.Misy foana ny hirika
8. sonwin ( 29/04/2005 14:11)
resaka recherche nge no atao e! fa tsy resaka hafa.Voafehin'ny lalána io hoy aho..fa refa misy ny lalána mamela malalaka azy de azo ato izy.Ny fikarohana sahala amin'io tsy possible atao clandestin izany...kozy zany an!
9. mamzelkely ( 29/04/2005 14:15)
zany ozizy ny scientifique :wink: hihihi
10. mandrindra ( 29/04/2005 15:41)
Ny lalàna anie ilaina na inona na inona e. Misy lalàna aza misy irika koa aiza izany rah tsy misy, tsy ho baranahany sy soavaly tapakofehy daholo.
11. kally ( 29/04/2005 16:14)
mandrindra>ekeko fa ilaina ny lalàna fa saingy i Sonwin milaza ery ambony fa raha vao voafehin'ny lalàna hono io dia vita.
Ary izaho milaza marina an'i Sonwin fa ny olona manao zavatra miafina (clandestin) aza no tena manambola noho ny fikarohana "ara-dalàna".Eritrereto fotsiny ohatra ny fandrobana banky ohatra mety hahazoana ohatrinona?Tsy mampaninona ny olondratsy no mandoa vola ho an'ny mpikaroka hanao clônage-na dahalo gaigilahy maromaro hiaraka hamaky banky maromaro indray mandeha,vola izany an!!!mampihoron-koditra.
12. aristar ( 29/04/2005 16:48)
Ny lalàna dia tsy hanakana mihintsy an'ilay izy ! rehefa ainy ny manao azy @ biby dia ho hainy ny manao azy @ ny olombelona... Ny hataorako fotsiny dia tsy ny olona intelligent no cloner-vany fa ireo olona ndoato sy tsy mieritreritra hazony hampiasaina maimaipaona. Tandremo soa dia ianao no cloner-vanin'eo
13. iartistika ( 29/04/2005 20:07)
loza marina! lasa ankiroa zà! :roll:
14. felicia ( 29/04/2005 22:48)
ny fieritreretako moa ilay science efa tena lasa lavitra,ary positif raha mba hahafahana mamonjy olona mikasika ny cancer ecc...fa na izany aza @ maha kristiana indraindray mahalasa heritreritra hoe ny olombelona efa mitady hitovy amin'andriamanitra hoe hamorona olombelona...tsy hay intsony e!
15. pitchou ( 30/04/2005 04:38)
sarotra ny mieritreritra hoe tokony azo atao ve sa tsia satria marina fa mety ahafahana mamonjy ain'olona le izy (oh resaka organes) nefa misy foana ny paramètres tsy mbola voafehy ka mampidi-doza!
d mety lasa hirongatra be izany ny olon-dratsy? oh zao michael jackson mety efa nampanao clones ny tenany d mitandrema daholo ny RAD @ zanany lahy kely! na i hitler koa nisy nahita hevitra ... d mitandrema daholo isika jiaby
16. sonwin ( 01/05/2005 11:54)
Kally> Ny lalána ihany no mitondra anio na azo atao na tsy azo atao. Na hisy jiolahy milliardaire aza hanakarama fikarohana miafina momba io ..impossible io raha tsy fikarohana officiel, ny antony dia tsotra ihany: taona maro be io vao ho mis au point raha hatao (au moins 20 ans) mety efa maty ilay mpanakarama amin'izay, izao aza clonage ondry no natao mbola tsy au point fa misy blem génétique...nefa efa firy taona izay??? ka averiko ihany , refa hoy ny lalána hoe azo atao io fikarohana io de tantara mitohy (afaka taona maro be vao hisy resultat) refa hoy ny lalána hoe ts azo atao io..tsy possible atao clandestin io..tsy robot tsinona no amboarina fa zava-manan'aina.
17. pitchou ( 01/05/2005 14:52)
ny zavatra efa neken'ny anglisy (moa???) d ny zazakely fanafody (bébé médicament) izany hoe zaza ateraka ahafahana mitsabo zaza na olona hafa! asa na metimety kokoa izay @ sain'olombelona noho ny clones na ahoana? satria hevero hoe vao tsy teraka akory le zaza d efa programmé ho vonoina
18. sonwin ( 02/05/2005 15:03)
Fitiavan-tena sy famonoana olona aloha zany amiko e..ohatran miteny zany hoe miteraha elah hamelomako ny zanako..dray marina :!:
19. pitchou ( 02/05/2005 17:51)
izay le izy! fa raha manoloana an'izay ve sao mba misy azo ioriranana ihany le clone, saingy ferana @ production d'organes? asa!
20. sonwin ( 03/05/2005 09:33)
ilay clone mbola akamantatra ange e! raha mila organe indray toa efa mahita solution ny amin'io ry zalahy. Fe io resaka organe io koa ange ka tena efa misy circuit na mafia mihtsy manao azy io e.Hatreo aloha fa manjary hors sizé klé
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3643