Tratra ilay mpanendaka sy mpangaro-paosy malaza tao ...

1. isambilokely ( 23/04/2005 08:30)
TANDREMO RY ZAREO FA MISY TSY MILAMINA NY TANY

Sao dia tsy rariny ny fanatazana rakitra eto amin'ny serasera ? Tsy aleo ve manao takelaka entina mampiditra vola manokana hanohana ny serasera toy izay hangarona ny paosin'ny namana efa mahantra ?

20 Euro ve no takiana ? Fa iza aloha ny hoster no dia lafo be sy vola be no takiana amin'ny namana efa samy eny an-tampon'ny samireraka ?

Mba omeo eto hoe ireo mombamomba ny fandaniana rehetra fa aza tonga dia mangarona paosin'ny namana fa tena tsy mety fa mba samy gasy ihany.

Manaova toy itony an'ny namana itony : amontana.org amin'izay tsy mangata-bola. Dia aza mizaka ny tsy eran'ny aina fa mambotry firenena ny toy izany. Sa ve aloha hobotrina ny namana eto am serasera amin'ny fakana 20EURO par personne ry Betty sy ny namany ?

Dia ahoana hoy ianareo ry namana ?
Aza mety hakana vola izany raha tsy mahita ny fandaniana mivantana.

Mbilo.


take time to be friendly, it's the road to happiness
novalian'i sonwin ny 03/05/2005 14:34
2. sipagasy ( 23/04/2005 09:27)
isambilokely afaka manantona ny OMDA & SACEM anie ianao manontany ny tena lalàna e! ary izahay tsy tia handika izany lalàna izany pfffff :twisted:
3. tranokely ( 23/04/2005 09:40)
AOKA NY AZY
4. lanto ( 23/04/2005 09:52)
isambilokely> IZA no NITAKY tany aminao tany ?
5. annie ( 23/04/2005 11:59)
Tsy hifanerena io ry isambilokely a!
Iza aloha no nangarona ny paosinao e!
Rehefa tsy hanome de mangina fa tsy faly te hitsikera ny sasany!
Za aloha an'isany hanome na mihoatra an'io voalaza io aza raha manana hatolotra aho e!
6. betty ( 23/04/2005 12:22)
Hatramin'izao aloha dia efa nisy olona maromaro nanome famnantenana ny hanome vola ka hisaorako manokana izy ireo
Mbola ho hitantsika eo ihany ny anarany fa holazaina eto.
Misaotra hatrany .
betty
7. Fanja1 ( 23/04/2005 13:52)
isambilokely o ! ataoko fa tsynisy nangataka tany aminao ary tsy nisy olona ni forcé-na andoa vola eto! fitiavana an'i Radio Vazo gasy ny anay fa aza itarina ny resaka!
8. perlerare ( 23/04/2005 18:46)
isambilokely,raha misy kosa ny malalatanana hanatsara zavatra inn mou ny olana,soa fianatra d ovay ny fomba fisainana fa mampalahelo loatra
9. xxx ( 23/04/2005 19:26)
ny anareo ry sambilokely vo 20 euros no misy mangataka fa ny ahy 5O euros mitsy a,nde mbo hanao mampalahelo koa aho de mba mahazo
10. isambilokely ( 24/04/2005 03:22)
Io resaka hafatra alefa faobe io anie ilay antsoina hoe fitakiana amin'ny endriny vaovao sy amin'ny endriny malalaka e !

Somary chantage ilay izy hoe raha tsy misy manome vola izany dia hotapahako ny RVG.

Dia ianao no misahirana hanao rakitra raha toa ka te hihaino. Ilay film anie ry zareo efa nandeha e ! Endrika toy izany no antsoina hoe ARNAQUE. Tsy misy mahalala ny vola lany sy miasa ao amin'ny serasera anie ary tsy te hahalala izany ny mpanjifa ry Betty sy ry Sipagasy e. Tsy misy Conseil d'Administration. Iza no hanao control hoe mandeha any amin'ny lalany marina ny vola.

OMDA sy SACEM no malaza dia anaovana motif fa izay izao no tena mamay be.

Dia iza ary aloha izany ny mpangorom-bola. Ny serasera ve société sa entreprise sa inona ? Ianareo toa manitatra ny efa miitatra toy ny rafotsibe mandika tatatra. Afaka mangataka exemption foana raha vao tsy à but lucratif ny serasera. Vakio ny lalana mifehy izay.

Aiza koa no hisy hoe hanao rakitra 20Euros par personne dia nefa tsy mazava ny lalan'ny vola. youpih sarotra be izany ry zareo fa aza mifamitaka fa mba samy gasy kely voa mivelona ihany.

Tsy misy manakana izay te hanome fa sensibilisation ny anay satria film efa nandeha io ary resaka mihodina any ambadika any dia hafa fa tsy hoe noho ny OMDA sy ny fahalafosan'ny SERVEUR. eissssssssss

:lol:
Mbilo

take time to be friendly, it's the road to happiness
11. sipagasy ( 24/04/2005 09:18)
ny anao izany "sensibilisation" diso toerana e! efa voafetra fa tsy ny isan'ny mpitsidika & ny namana rehetra akory ny handoa ilay vola fa voafetra ho olona 10 ihany e! mazava anie izany e! ary hainao moa ny lalàna mifehy ny internet ry isambilo???????? ny radio alefa na ny sary alefa dia misy fanaraha maso daholo izany ka izay mandika lalàna dia mila faizina mafy tokoa, izany ny mahatonga ny Radio Vazo Gasy nifampiraharaha t@ OMDA izay azonao anontaniana MIVANTANA ANY ANTANANARIVO hoe inona moa ny sehetra andoavan'ny RVG vola aty aminareo??? tsy mila mandalo ato @ serasera.org akory ianao manontany izany fa tonga dia any anontaniana dia ilazao eto ny valiny e!!! ianao mantsy no nitondra ny adi-hevitra ka mba farano @ izay koa ilay izy e! aza manasongetaka olona @ tsy misy porofooooooo
12. xxx ( 24/04/2005 09:23)
za miombonkevitra amin'ny mbilokely,
13. sipagasy ( 24/04/2005 09:25)
ko maninona no miafina ao ambadiky ny xxxx eisy e! tsss kanosa mitovy hihihihhih misahoa tava ahafahana miady hevitra e! tsssss :^)
14. lanto ( 24/04/2005 10:20)
isambilokely:

Io resaka hafatra alefa faobe io anie ilay antsoina hoe fitakiana amin'ny endriny vaovao sy amin'ny endriny malalaka e !

Somary chantage ilay izy hoe raha tsy misy manome vola izany dia hotapahako ny RVG.




Tsy azon'i Mbilo akory kay le resaka :)
Iny msg mandeh ao am serasera iny dia tsy resaka RVG. Namaky tsara ve I Mbilo ?
Ny resaka RVG dia efa nilamina talon'io resaka io. Ireo olona folo ireo dia saika ireo efa namana sy mpiara-miasa amin'ny RVG h@ izay ihany ( izay ilay hoe ny manao ihany no manao) Mbola betsaka ireo namana azon'ny RVG antsoina, tsy nahilika akory fa efa ampy ireo tratra antso ireo. Mba ho fisaorana azy ireo no namoahana ny anarany teo am forum RVG. Sahala amin'ny efa nisaorana izay nanaome hira, nanao relais, nanoro hevitra sns... OK ve hatreo rat... oups ! Mbilo ? :)

Ny resaka hebergement dia ....efa betsaka ny resaka momba an'io teto fa tadiavo any kah !
15. hery ( 24/04/2005 11:09)
:-)

Ny interessé wah tena tsss... te hitavana fotsiny dia rehefa mahita hoe mandeha ny an'ny olona dia hoe wawawa.

Tsy nangataka 20 euros i betty raha ny famakiako azy... fa rehefa bilo saina dia tsy mamaky tsara. Olona 20 afaka manampy @ ity taona ity dia ampy... isambilo moa tsy afaka satria ny trosan'olona aza tsy voaloa angamba. Sao dia hanaovana tatirakitra koa?

Tahaka ny projet gratuit rehetra dia mila mivelona amin'ny donations ny serasera. Jereo daholo ny projets gratuits rehetra misy santionany ato http://sourceforge.net fa ny projets rehetra ao dia mivelona amin'ny donations fa tsy misy manery hoe mandoava vola.

Rehefa tsy mahaloa isambilokely dia mijanona fa ny namana mahatsapa hoe misy vidiny daholo na dia ny courant ampiasaina sy ny connexion aza (fa tsy gratuit tahaka ny iveloman'ny sasany any Canada)... dia avelao hanampy.

Mazotoa hatrany e... mbola ho lava ny andro hiainana eto :-)
16. majakely ( 24/04/2005 12:14)
Aza mivaky loha min'izany sipagasy ah!! sao dia harary fo eo ka !!
17. isambilokely ( 03/05/2005 05:01)
Marina ny an'ny manjakely fa izay tsipolitra anie no mandray ny tsy raisina eto. Izay mahana ihany no misavoritaka avy hatrany nefa teny natsipy iny dia midonaka avy hatrany ny vovonana.

Sady ny site internet izany boaikely dia efa mahavita milay be sy tena mahavariana mihintsy aza. KA tsy hoe izany no ireharehana fa betsaka no mitovy aminareo raha izay. Fa mba izay tsy itovizana amin'olona no aseho sy ihavahana ohatra dia mba mankasitraka ny besinimaro.

Fa ny mpanala azy toa anay dia betsaka be mahitsiny. Atao toy ny entana tsy manaitra ilay resaka rehefa tsy te harary fo. Fa ireo mamaly ireo anie ry Majakely dia tena ilay olona voadona e, izany hoe marina ilay voalaza.

Mbilo
:lol:
18. lanto ( 03/05/2005 07:49)
njôôôôô ! tsy reraka :)
19. sonwin ( 03/05/2005 14:34)
njooooo! mbola rovina vo mbilobe :)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6366