Mpanohana mavitrika

1. betty ( 22/04/2005 09:52)
Efa ela ny namana sasany no nanana projet hanohana ny site serasera kanefa mbola tsisy occasion nanaovana an'izany. Koa nanapakevitra izahay namana vitsivitsy hanao antso eto ho an'ireo mpanohana mavitrika.

Amin'ity tranche voalohany ity dia miantso namana 20 izahay handefa fanohanana 20 euros par personne hanampiana ny paiment-n'ny serveur. Izay vonona dia manoratra message aty amiko manokana. Ny 20 personnes vonona voalohany ihany no raisina fa ny hafa dia miandry ny tranches manaraka indray.

Ho afficher-na eto amin'ny forum ny mpandray anjara.

Miandry anareo mpanohana mavitrika ary.
novalian'i betty ny 25/04/2005 05:31
2. isambilokely ( 23/04/2005 06:00)
Tsy ratsy aloha ilay hevitra nalefan'i Betty.
Raha tsy diso izahay dia toa gratos io serveur io fa tsy an-doavambola satria feno pub be isaka ny vao mivoha.

Na izany na tsy izany dia feno serveur mora manerana izao tontolo izao. Raha toa ka hebergement tsotra no atao. Ny any Amerika Avaratra dia feno dia feno ka asaivo mikaroka any ry zareo tompon'ny takelaka. Eo amin'ny 20 à 30$ par an (isan-taona) any ny hofan'ny hebergement hatrany amin'ny 1 à 2Go any ho any ka tsy aleo ve any no mandeha toy zay hameno paosin'ireo olona ireo ianareo. Raha 20 personnes no alainareo ka sany handoa 20Euro par personnes dia efa ho 400Euro zay ... nefa dia 30$US ny hofana hebergement ...

Misy aza eo amin'ny 5$ par mois eo ka izany ve dia tsy ho voaloa ka hanangonana 20Euro isan'olona. Jereo anie ny an'i SIMICRO e .. aty aza mahita mora kely ka tsy aleo ve miditra amin'izay zakan'ny ao am-paosy toy izay hanao rakitra toy ny fanao hatramin'izao. Jereo ity ohatra fa tena mora dia mora tokoa www.netclub.mg/hb.htm fa nahoana raha miditra amin'izay mora zy zakan'ny karama.

Sao dia tsy mahalala an'io resaka io ianao ry Betty izay nanolotra ny hevitra ? Na sao dia hampanankarena ny sasany ? Jereo ary itony ry Betty :

www.vistapages.com/?ref=gtfw-apr05-websitehost
www.westhost.com/special.html?goo=unix

Jereo tsara fa sao dia asain'ny olona manangona vola ianareo ... hameno ny paosiny. Tena tsy mbola mahalala ny tantara ianao angamba ka manainga ny olona hanao rakitra ho an'ny serasera.

Tandremo ry Betty ô ... Arnaque izao anie e ! Fa iza no mampanao anao an'io rakitra entina hanampiana ny serasera io ? Mampigadra anie izany e.

Afaka mba atoro eto ny vola lany amin'ny fikarakarana ny serasera vao mitaky vola entina hanampy, mangataka moa izany fa tsy mitaky; indrindra ny vola lany amin'ny momba ny hebergement dia ho hita eo ny vola azo anampiana azy. Fa mino aho hoe tsy hihoatra ny 20Euro par ans. Io 30$ io anie ry Betty ka mahazaka ny rehetra e.

Fa iza ary aloha ny serveur hoster na ilay hoe hebergeur no dia 400Euro no takiana (Efa ho 600$UA latsaka anie izany e) sao dia mba ... tsy rariny.
Aza manaiky ataon'ny olona fitaovana fa sao dia anenena sy harary fo !

Mba valio tsotra azafady !
Mbilo. :lol:

take time to be friendly, it's the road to happiness
3. sipagasy ( 23/04/2005 10:12)
:twisted: miteniteny foana i Mbilo
4. hery ( 23/04/2005 13:48)
Tsy miova mihitsy isambilo :-) :-) eisy e e...
5. betty ( 23/04/2005 19:52)
Isambilo > hevitro manokana io, fa inona no tsy aritrao amin'izy io aloha.
Mbola mamerina ny fisaorana ho an'ireo izay namaly tsy ampisalasalana ny tenako. Efa misy olona maromaro izao nanome fanantenana ahy ka dia isaorako manokana izy ireo. Ary dia misaotra mialoha koa ho an'ireo izay hanolo-tena amin'izany.
Averina ihany koa fa ny anaran'ireo izay nandray (handray :) )anjara rehetra dia ho afficher na @ ity forum ity.
6. Riffeur ( 24/04/2005 01:33)
atovy hebergen'i simicro dia hitan'la zany mikapouty lava zany, hiiiiiiiiiiiii Tsy haiko aloha fa za na tsy mahay informatika aza ohatsany tsapako fa mavesatra be le site sy ny membre-ny ary ny fifanakalozana ato donc, ca veut dire quand on veut avoir une bonne chose qui est securisant et de la bonne qualité dia aleo mi-investir à fond meme si c'est pour le fun aza ity satria la vie c'est toujours le serieux qui l'emporte mais le funnnnnnnnnnnnnnnnnnnnnnnnnnnn :-D
7. sipagasy ( 24/04/2005 08:48)
izay manko wa riffeur tsssss ny teknisianina ato koa anie tsy hain'isambilokely ve fa miasa maimaim-poana ho an'ny mpandalo rehetra e! fialam-boly io fa tsy asa andraisam-bola akory!!!!! :wink:
8. betty ( 25/04/2005 05:31)
Fanazavana fanampiny :

Ny fanampiana rehetra dia avantantana any amin'i ds :

Randrianary Nirina
8 rue Kellermann
67300 SCHILTIGHEIM
FRANCE

ka azo atao ny mandefa mandat na cheque bancaire (na postale).

Hisaorana ihany koa i ds amin'ny fitantanana ara-bola ary marihiko eto fa tsy nitantana ihany no nataony fa mbola namoaka ny tao amposiny koa izy ho fanampiana ny serasera.
Merci ds!


© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3639