FIANARANA TENY VAHINY

1. mcnyh ( 19/04/2005 09:48)
IANAREO VE RY RETO TSY MAHATSAMPA HOE TENA MIRONGATRA BE NY FIANARANA TENY VAHINY ETO AMIN-TSIKA KOA INONA NO TOKONY HATAON-TSIKA HIAROVANA NY TENIN-DRAZAN-TSIKA??
novalian'i shha ny 29/06/2012 08:08
2. sechat ( 19/04/2005 10:08)
mmmmhhh... Raha mahay miteny (sy manoratra) malagasy tsara isika dia tsy maninona izany. Izay ilay hoe andrianiko ny teniko, ny an'ny hafa koa feheziko.
Fandrosoana daholo izany. (Raha tsy izay no loza ooopppsss???)
Ny azo atao, hamafisina ny fampianarana ny taranja malagasy (tsy maintsy manao daholo, na dia ireo mpianatrin'ny lycée français sy ny tariny aza, raha vao mbola fianarana eto Madagasikara).
Faharoa, miezaka manaparitaka ny teny gasy any am-pita @ alalan'ny fampianarana.
Be dia be mihitsy no zavatra azo atao e! :^)
3. xxx ( 19/04/2005 10:12)
F'angaha kosa mou dia ho very ny tenintsika raha mianatra sy mahay ny an'ny hafa isika e. Tsy atahorana io fa amafisina fotsiny ny fianarana sy ny fahaizana ny antsika (kabary , etsetra)
4. kally ( 19/04/2005 13:24)
Arakaraky ny hahaizana teny vahiny maro hafa no hahaizanao mifehy hatrany ny teninao fa raha tsy miteny afa-tsy fiteny roa fotsiny oh hoe malagasy sy frantsay ianao dia izay izy no mifangaro fa rehefa sady miteny anglisy,frantsay,zaponey,rosianina ets ianao dia miavaka ho tenim-pirenena iray madio tsy mifangaro no teneninao.
5. pitchou ( 19/04/2005 19:26)
tsy vao maika ve mifangaro aza ny voambolana? genre genre-n'ny hoe handeha hanao rollers koa fa sympa be ny tary any, sady de marque yamaha ny boots-ko?
6. kally ( 19/04/2005 22:09)
Io koa aloha arakaraky ny faharanitan'ny sain'ilay mpiteny e!
Mazava ho azy fa ny saina fohifohy tsy hahafehy na dia teny iray aza!
7. aristar ( 19/04/2005 22:41)
...KOA INONA NO TOKONY HATAON-TSIKA HIAROVANA NY TENIN-DRAZAN-TSIKA ?

Ka inona ary noho hataon-tsika hiarovana ny tenin-drazan-tsika ? Tsy havela hianatra teny vahiny izany ny gasy ? Jereo ny vokany atramin\'ny \"malgachisation\" nataon\'ilay ry atramin\'ny taona 1975... Lasa anisan\'ny tany mahantra 10 era izao tontolon\'izao i Madagasikara.
Tsara ny mahay teny gasy, tsara kokoa ny mahay teny gasy sy teny frantsay ary mbola tsara kokoa ny mahay miteny gasy, frantsay sy anglisy na espaniolina na allemand na sinoa na izay teny hafa tsy fantatro.
Manorisory aho mihintsy ireo gasy mba nahita fihanarana kely nefa mampatsiaro @ko @ Le Pen hoe \"Les français d\'abord\" na ny extrème-droite any Autriche na sahako lazaina eto ny nazi miteny hoe \"Deutschland über alles\" dia hadika hoe \"Madagaskar über alles\".
Asa raha fantatran\'mcnyh ny dikanin\'ny manaoratra @ litera vaventy (tout en majuscule) eo @ \"netiquette\" faha izaho tsy te hivazavaza.
A bon entendeur salut !
8. naritsimba ( 20/04/2005 08:05)
Salama daholo eh!
Raha izaho manokana aloha dia miteny gasy foana raha mbola eto Madagasikara.
Mba jereo ange fa ireo olo manankaja vahiny dia miteny @ fiteniny daholo rehefa tonga eto, ary tsy ny fiteny ihany fa hatramin'ny fitafy ihany koa.
Fa isika Malagasy no menatra rehefa mampiasa ny fiteny malagasy sy manao ny Fitafy Malagasy.
Isika ihany no manambany ny antsika sy menatra mampiasa ny fombatsika.
Koa aoka samy handini-tena ny tsirairay.

9. kally ( 20/04/2005 08:31)
Fa na dia eto Madagasikara aza ange ry Naritsimba dia miresaka @ vahiny,mijery fahitalavitra vahiny,misokatra @ kolotsain'ny hafa mba hahitanao ny mahatsara sy maha-ambony ny kolotsaintsika.
Dia raha izaho dia hoy aho hoe mianara teny vahiny,hahitanao ny fahatsaran'ny teninao.
10. sonwin ( 20/04/2005 09:09)
ekena
11. mcnyh ( 02/05/2005 08:50)
amiko aloha ny tokony hatao mba hiarovana ny tenin-drazanrsika dia : aleo rangah samy hianatra teny Malagasy daholo ireo vahiny miditra eto amin-tsika an!! mba efa niditra tamin'ireny orin'asa tantanan'ny Sinoa ireny ve ianareo ? jereo ny hanimbany ny tenin-drazan-tsika ? kanefa raha ny an'i Frantsay no hatao taha ireny ho loza angamba no hataon'ny Mpampianatra , dia ho very hasina ve ny laza maha-Malagasy e!!
12. kally ( 03/05/2005 21:01)
Aleo hianatra teny vahiny ny gasy fa ny sinoa sy ny vahiny tsy olana raha tsy mahafantatra ny tenintsika,tombony ho antsika izany : hisy asa ho an'ny tanora satria hitady mpandika teny foana ireo vahiny ireo, tsy afaka hanjakazaka izy satria tsy mahalala izay kononkononin'ny malagasy-raha sanatria misy ny tsy fifanarahana- noho ry zareo tsy mahay ny fitenintsika.
13. Veloo ( 04/05/2005 21:00)
Ilaina kosa ny teny vahiny ka fa anjaran'ny tsirairay ny miheritreritra oe gasy anie ity izaho ary tiako ny tanin-drazako ka na aiza aho na aiza dia hikolokolo ny teni-mamiko (gasy io an :lol: )
14. Veloo ( 04/05/2005 21:01)
Mijaly rehefa mandeha any am-pita ka tsy mahay ilay tenin'ilay tany aleha an... Tsy mahita asa an :lol: :lol:
15. kally ( 05/05/2005 09:56)
Angaha moa vitan'ny hoe tsy mahita asa fa tsy mahita izay atsimo sy avaratra mihitsy.Ka izay no ataoko hoe hianaro ny teny vahiny fa asa ho anao foana izany,aleo zareo vahiny tsy hiteny afa-tsy ny fiteniny rehefa tonga eto amintsika fa asa ho antsika dhaolo izany.Sa ahoana ozy enao?
16. Veloo ( 05/05/2005 15:58)
kally a ie misy an'izany oe rehefa sosotra ny tena teneniko teny gasy ka :lol: :lol: :lol:
17. mcnyh ( 19/05/2005 08:15)
ka sao dia izao indray ary ny marina e!! isika Malagasy ihany no mieazaka hanimba ny tenin-drazan-tsika satria toa hitako fa mitongilana be any amin'ny teny vahiny avokoa izay nandalo teo

Hoan'i Aristar manokana tsy mazava amiko ny tianao hambara fa raha tianao dia andefsao mailaka @ ity aho : nynih@yahoo.ca

"Aleoko tsy mahy toy izay Teny Malagasy asina Teny Frantsay, ary aleoko tsy misy toy izay Teny Malagasy afangaro amin'ny Teny Anglisy"
18. mcnyh ( 19/05/2005 08:18)
ka sao dia izao indray ary ny marina e!! isika Malagasy ihany no mieazaka hanimba ny tenin-drazan-tsika satria toa hitako fa mitongilana be any amin'ny teny vahiny avokoa izay nandalo teo

Hoan'i Aristar manokana tsy mazava amiko ny tianao hambara fa raha tianao dia andefsao mailaka @ ity aho : nynih@yahoo.ca

"Aleoko tsy mahy toy izay Teny Malagasy asina Teny Frantsay, ary aleoko tsy misy toy izay Teny Malagasy afangaro amin'ny Teny Anglisy"
19. kally ( 19/05/2005 13:47)
Ka ny vahiny indray ary ve moa no manimba ny tenintsika fa tsy isika ihany e?Ary ny tena mahakamo dia ireo milaza ho tsy mahay miteny gasy nefa teraka sy monina eto Madagasikara, dia saritsarina frantsay disodiso izany koa no mba teny vahininy.Asa re!:roll:
20. welie ( 20/05/2005 13:36)
Ilay fianarana teny vahiny aloha angamba tsy midika hoe fanenana ny lanjan'ny teny malagasy kosa e!

Fa ny mandreraka fotsiny dia ilay teny malagasy lasa tonga teny vary amin'anana (tsorina fa na izaho aza dia manao io ary inoako fa ny ankamaroan'ny malagasy dia manao io daholo... :roll: ). Izao moa dia efa mba miezaka ny mianatra ny voambolana malagasy vaovao ny tena (satria mila hianarana tokoa satria marobe ny vaovao) :-P... Fa izao koa anie e! Maro be ireo teny no tsy misy dikany ("définition" no tiako lazaina eto an) amin'ny teny malagasy... sa mety hoe izaho koa no tsy mahay anefa... :-)

kally> Tena isika ihany mihitsy no manimba ny tenintsika fa tsy ny vahiny izany ka! ;-)

Dia zavatra tena mandreraka ahy mihitsy dia ny Malagasy tsy mahay teny Gasy ... amiko na aiza izy no teraka sy mipetraka na aiza...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.251