FAMPIANARANA KABARY MALAGASY(Katôlika sy Protestanta)

1. naritsimba ( 19/04/2005 07:13)
Miarahaba anareo eh!

Niara niasa foana ny EKAR St Jean Bosco Mangasoavina sy ny Sampana Mpikabary Hanitra Nentin-drazana avy ao @ FJKM Ambohipo tao anatin'ny taona maromaro izay teo @ sehatra fampianarana satria dia t@ anaran'ny Hanitra Nentin-drazana foana no namoahana ireo mpianatra rehetra nivoaka teo @ io sehatra io hatramin'izay.
Ankehitriny dia nanapa-kevitra r'izareo mpitondra ao @ Fiangonana Katôlika fa hatsangana eo anivon'ny EKAR rehetra ny seha pampianarana ny Kabary Malagasy. Koa dia mahafaly ny milaza fa namafy voa tsara izany izahay, ary naha lehibe ny zaza tinaiza ka nahatsiaro fa tafita ny hafatra ary tena ilaina izany ny nanapariahana ny foto-kevitra hoe: Afaka miaraka tsara ny maha Kristiana sy ny maha Malagasy.

Koa raha ny sitrapon'Andriamanitra dia @ ity volana ity no hahaterahan'izany @ fomba ôfisialy.

Ny tiana ho marihina dia ny fiaraha-miasa nisy teo @ EKAR sy ny Sampana hanitra Nentin-drazana avy @ FJKM izay tena matotra tokoa.

Mirary antsika hahay hikolo ny kolontsaintsika eh!
novalian'i sonwin ny 20/04/2005 09:11
2. sonwin ( 20/04/2005 09:11)
milay izany
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6079