Gazety "La gazette d.g.i."

1. Rainimaharavo ( 17/04/2005 21:04)
Mba ahoana no fiheverantsika ireny teny ataon'ny mpanao gazety sasany ao amin'ny "la gazette d.g.i." ireny mikasika ny "français approximatif"-ny Filohan'ny Nosy tany La Réunion ary ny fanendrikendrehina an'i Madame Hortense ao amin'ny Masoivohom-pirenena Malagasy hoe nilahatra teny amin'ny Trocadéro nanao "holliganisme politique"
Ny manoratra fahatany ireny ve tokony azo ho lazaina ihany fa hoe MPANAO GAZETY?
Jereo "La gazette d.g.i." tamin'ny 15 sy 16 avril 2005 teo.
Misaotra izay manan-kevitra hamaly.
Rainimaharavo.
novalian'i pitchou ny 26/05/2005 18:54
2. Narilala ( 17/04/2005 21:56)
raha ny @ io gazety io dia mba anisan'ny manontany tena ho hoe mba nianatra ve ny mpanao gazetin'itony sa dia fitia te hahalafo gazety fotsiny. Izay tandrifin'ny vavany dia avoakany. Tena tsy ampy fanadihadiana fa mitompo teny fantatra. Nefa rehefa torian'ny olona @ vaovao tsy marim-pototra avoakany dia lazaina fa sakatsakanana ny asa fanaovan-gazety.
3. dadabe ( 18/04/2005 13:31)
zah aza tsy mbola nahita sady tsy mbola namaky an'izany kle 8)
4. raniry ( 18/04/2005 15:23)
Marina ny an\'i Narilala, ny mpanao gazety mihitsy indraindray no mitompo teny fantatra.Ao ambadik\'ireny koa matetika misy tombotsoa voizina foana, ka tsy voatery hoe mari-pototra foana ny zavatra lazainy, na dia marina aza ny vaovao.

Ohatra, raha misy ministra voadonan\'ny aotomobilina ao analakely, ka naratra:

- Ny Midi hampiseho sarin\'ilay minisitra gros plan, sady soratra mivandravandra be hoe \"Ministra x voahitsaka tao analakely\". Ny article momba izay anefa kely dia kely.

- Ny Express @ chronique Vanf dia hamelabelatra ny toetsain\'ny mpamily eto Antananarivo tsy miraharaha, ka na ministra aza voadona noho ny korontana, ary hampifandray ny an\'izany tamin\'ny zava-nisy tamin\'ny Andron\'dranavalona, na zava-misy tamin\'ny tantaran\'i Hitler ohatra, na boky filôzofika asiana reference.

- Ny la gazette indray dia hanome tsiny mafy ny fitondrana hoe tsy manao na inona na inona, azony mety tsisy panneau stop ilay toerana, na koa hoe ny toetran\'ilay ministra mihitsy no ho lazainy hoe zatra manao lalan-dririnina ka fahavaratra avy manao hitsindalana, na koa hoe efa mafy ny zakain\'ny vahoaka ka dia nerveux ny saofera ary voahitsaka i ministra.Bref, hadisoan\'ny fanjakana io.

- Ny TVM indray hampiseho ny firaisan-kinan\'ny mpitondra, ka hampiseho filohan\'andrim-panjakana mamangy na mikarakara azy. Voin-kava-mahatratra indray io.

Fehiny ? Ny tena vaovao dia hoe: Voadonan\'ny fiara ny ministra, fa ny mpanao gazety samy manana ny filazany, mpivaro-jabo ka samy manao izay hahalafo ny azy.Tsy ifanomezan-tsiny io.
5. pitchou ( 18/04/2005 18:16)
tena marina ny voalazan'i raniry! ary raha mahamarika nareo d arakaraka ny firehan'ny tompon'ny gazety ara-politika no comportement ny mpanao gazety sy ny vontoatin'ny lahatsoratra avoakany!
Ny mampalahelo dia manao mpanao gazety à scandala ny ankamaroany fa tsy mahitsy (objectif)
6. Rainimaharavo ( 18/04/2005 19:36)
Misaotra ny mpanome vali-teny.
Ny mahavariana ahy dia hoe aiza marina ry zareo sasany ireo no mianatra manao Mpanao Gazety. Sa tsy misy toerana mahafa-po amin'ny fanaovana sy fianarana gazety ho antsika Malagasy.
Raha ny tena marina dia tokony hahazo fibedesana avy amin'ny tompon'andraikitry ny gazety ilay mpanoratra. Ny fahitako azy anefa dia toa tsy misy izany fa miverimberina ny teny tsy voahevitry ry tsisy saina!
Aiza ho aiza no tena toetram-piasana sy fisainana araky ny mpanao gazety "déontologie" hoy ny teny faranan'izay tsy hay (frantsay)
Misaotra ny mahay manazava re tompoko ô!
7. pitchou ( 19/04/2005 18:19)
ka ny eto ange hoa tsy gazety filazam-baovao no misy fa fitondrana ny firehan'ny ny tompon'ny gazety e! ko iza no hibedy azy eo? ny tompon'andraikitry ny gazety efa manara-maso tsara d ze tsy mi-servir ny heviny d efa tsy mivoaka, moa raha ny fanjakana no miseho manao rappel à l'ordre d efa ady saritaka @ izao fahalalahana izao! izay hono hoe no atao hoe demokrasia sy fahafahan'ny mpanao gazety e (liberté de presse)tsy koi na marina na diso
8. Rainimaharavo ( 20/04/2005 20:42)
mba ahoana anefa ny fandraisan'ny besinimaro ny vaovao tahak'ireny. Sa dia mividy gazety ho vakiana dia 'zay no vita?
9. ravatorano ( 22/04/2005 06:17)
ny gazety eto dia izao :
ny an ny mapanohitra dia manohitra marindrano fotsiny ka na misy zavabitan ny fitondrana aza dia lazaiana fa efa tamin ny andron ny teo aloha no azo io vola io fa ny taty aoriana manatontosa fotsiny.Manakiana fotsiny io.
Ny an ny fitondrana indray dia la voix de son maitre io na misy inn na misy inn dia ny fitondrana ihany no marina sy manana ny fahamarianana madio tsisy pentina dia izay no arovana mafy.
Misy gazety mba mitonona ho ampovoany eto fa mbola tsy zakan ny tsenany satria rehefa te hamely ny fitondrana izy dia manovokovoka ery ,mahery vaika izany raha lahatsoratra fanakianana ah nefa kosa rehefa hanasohaso ilay fitondrana dia andalan kely ihany ka raha izay dia mbola anisan ny gazetin ny mpanohitra ihany ireo milaza sy mitonona ho eo ampovoany fa resabe ny ambiny.
Eto ny filazana vaovao amin ny gazety dia miaro commerciale sy marketing fitadiavam bola fa ny tena votoanton iloay vaovao zara raha tena tafita any amin ny mpamaky. :p ^:^
10. manjary ( 28/04/2005 08:56)
marina ny voalazan'i raniry, fa ny gazety eto ko anie de manamarian ny hoe" la voix de son maître e! fa raha ny mbs fotsiny izao no nilaza io resaka io dé hoy izy we misy ambadika politika ny fandomana minisitra tetsy analakely, na ko we élimination physique tsotra izao :lol:
11. rakotokely ( 01/05/2005 17:02)
amiko ry zareo dia soa ihany fa misy ny la gazetty a , marina fa indrindray milaza zavatra tsy maripototra dia avy eo ry zareo manitsy , fa io no tena gazety mba tena sahy milaza ny tsy mety eto @ tanana , ary milaza ny marina ko anefa
12. Rainimaharavo ( 02/05/2005 23:42)
Ny mahavariana ahy amin'io raharahan'ny "la gazette d.g.i." io dia ny fomba entiny manaratsy izay zavatra rehetra ataon'ny mpitondra amin'izao fotoana izao. Ry zareo ve tsy mba afaka manome ny heviny momba ireo mpitondra taloha sa dia manana fifandraisana akaiky dia akaiky amin'izireo ny mpanoratra ao amin'io gazety io ka tsy afa-manoatra?
Ny tsinjoko mantsy hatramin'izao dia izay atao rehetra toa tsy misy dikany daholo. Tsy misy zava-mahafinaritra mihitsy ve eto amin'ny tanana hatramin'izay sa ahoana ê?
Maninona moa raha mba mandray fitondrana ry zareo dia hohitantsika eo izay tena vitany.
Raha izao mantsy ny fandehany dia tsy hisy zavatra vanona ao amin'ny tanana fa dia tsikera atsy, tsikera ary. Toa tsy misy andro mihiratra mihitsy na dia kely aza. Ankoatr'izany ny fanenjehan'olona ara-gazety dia mafotaka dia mafotaka. Aiza re izany rehefa tonga ao amin'ny fitondrana ny sasany ê!
13. fijo ( 05/05/2005 21:15)
mila fanofanana ny gazety any amintsika e.ra ry isambilokely ve no hanao gazety ohatra tsy ho loza be.aoka letsy ry canada an.
14. Rainimaharavo ( 06/05/2005 23:06)
fijo:

mila fanofanana ny gazety any amintsika e.ra ry isambilokely ve no hanao gazety ohatra tsy ho loza be.aoka letsy ry canada an.




Ahoana aloha ity hoe ry "canada an" ity ê! Inona no tian'i FIJO ambara amin'io?
fa hamaly ny hoe "fanofanana" aho : ilay hoe fampianarana mihomana ho mpanao gazety ve tsy misy intsony sa ahoana ê? Izao indray dia miseho ny sarin'ny mpitsindroka zoridira (la gazette 06 mai 2005) fa hoe miha-mahantra tanteraka ny Malagasy. Io sary io anie efa nisy hatry ny tamin'ny taona 1975 fa tsy vao androany ê ! mba asehoy ary ny sarin'ny trano hionenan'io mpanoratra an-gazety io dia ho hitantsika raha toa ka nirodana ny tranony, na niala ny tafony na tsy niloko intsony nandritry ny telo taona. Izany anie no mahatonga ahy hanontany hoe : Tsy misy zava-mahafinaritra mihitsy ve eto amin'ny tanana hatramin'izay sa ahoana ê?


15. pitchou ( 07/05/2005 03:31)
rainimaharavo sy rakotokely> fantaro hoe iza no tompon'ilay gazty d hazava aminao hoe maninona izy no manao an'izany! raha ny eto @tanana aloha d efa samy mahafantatra hoe ny lagezette an'i ...., ny l'express an'i ... fa tsy an'i ... intsony, ny le quotidien an'i .... d arakaraka ny fanalana andro tiana atao sisa no ividianana ny gazety!
ny mpanao gazety hoa d izay fotsiny: izay tian'ny tompony teneniny no TSY MAINTSY teneniny! tsy problemana fanofanana io fa problemana fahalalahana: fahalalahana tsy mahazo miteny afatsy izay tian'ny tompony tenenina
16. isambilokely ( 08/05/2005 02:42)
Ary i Fijo anie tena tsy mahazo resaka e ...
Tsy naharaka film i Rainimaharavo dia lasa manontany. fa azavao azy ry fijokely ô ... fa in hono zany resaka canada zany fa very izy. De aza mora tezitra sa ve hono ise te ho any Canada konko dia manendzika Canada be ...

Manana ny liberté-ny ny mpanao gazety fa raha mandika ny lalana izy dia iharan'ny lalana.

Lembilo Iraika
:°)
17. Rainimaharavo ( 08/05/2005 22:55)
Tena marina tokoa ry Fijo fa tara be aho amin'io hoe canada io.
mba homeo dinika momba izany ny havana sao miteniteny foana ê!
Ary izao vao fantatro izany fa fialam-boly sisa ny mividy gazety eto amin'ny tanana. Izaho no te hoenti-po amin'ny tsy antony.
Misaotranareo ihany manazava fa ny tena moa mandray antendrony loatra amin'izay lazain'ny sasany ka sorena amin'ny tsy tokony hahasorena.
Fa mba azavao amiko ihany ry Fijo ilay Canada an!
misaotra
18. fijo ( 09/05/2005 21:48)
rainimaharavo.tsy izany fa ry zalahy canada ireo mantsy somary misy mikainkona kely ny sainy amin'ilay hatsiaka any ka izay no maha tonga andry zavavy ireo hanondrana kely toa io.ary dia lasa manaratsy gasy foana no ataony ato.kamba tarihako kely e
19. isambilokely ( 10/05/2005 04:47)
Ka i Fijo anie te ho any Canada dia tsy mahita fika dia manenjika Canada toa an'ilay iraika lahy manenjika Bekintana io satria refizé ny visa dia narary fo fa mba te ho aty Bekintana.

Ary i Fijo aza mirediredy sao dia iantsoako dokotera eo.. mpiandry mantsy e. I Dadabe anie mpiandry e. I Hery ihany koa hono toa hoe mopera dia afaka manala devoly

Mbilo
:lol: Youpiiiiiiiiiiiiie
www.amontana.com
20. Rainimaharavo ( 10/05/2005 13:57)
misaotra ry fijo amin'ny fanazavana momba ny canada.
marina fa mangatsiaka be any fa na izany aza...
amin'ny manaraka indray momba ny gazety ê! ny faniriko fotsiny dia hoe : aoka anie ireo milaza azy ho tena mpanao gazety ao amin'ny "la gazette d.g.i..."tsy asiana "D" amin'ny farany sao lasa dgid, ho tonga saina hampandroso ny saim-bahoaka.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2115