Gazety "La gazette d.g.i."

21. pitchou ( 13/05/2005 20:53)
rainimaharavo> ny gazety aty hoa tsy natao ilazana vaovao fa natao hanohanana ny foto-kevitra politika
22. Rainimaharavo ( 13/05/2005 22:55)
dia mihonona amin'izay indray aho fa angamba gazety avy any ivelany no hijereko ny vaovaontsika (raha toa koa ka tsy mitongilam-pijery koa ny gazety vahiny)
mihezaha ianareo TANORA amin'ny fianarana fa IANAREO SISA no azo antoka hampandroso ny FIRENENA.
23. pitchou ( 13/05/2005 23:07)
arakaraka ny correspondant-ny ihany io
24. Rainimaharavo ( 14/05/2005 20:06)
eny àry fa manafatra ny faramandimby aho hoe : mianàra tsara ianareo TANORA hitondra ny FIRENENA tsy hivaro-lavo amin'ny fitiava-tena sy ny fanaratsiana tsy mitombona ary fiatsara-mbelatsihy asehon'ny SASANY
25. pitchou ( 14/05/2005 20:14)
hum! hiandry ny faramandimby ve fa tsy hanomboka dieny izao? :-w
26. Rainimaharavo ( 15/05/2005 07:56)
Misaotranao amin'ny fiaraha-midinika fa ny ataoko hoe "faramandimby" dia ireo TANORA mivoatra ara-pianarana sy maontona ara-pitondra-tena (intègres) ka afaka hanohitra ara-kevitra sy ara-pahaizana ireo SASANY milaza azy ho "dadany" amin'ny politika amin'izao fotoana izao.
Tsy hoe "faramandimby" araky ny nampielezan'ny kominista azy tamin'izany andro izany...satria hita amin'izao iainantsika izao fa tsy nahomby velively ireny hevitra ireny.
ka mamerina indray aho hoe : IREO TANORA MAHAVITA AZY NO AOKA HIKAON-DOHA HANAVOTRA NY FIRENENA FA NY GOAIKA ANTITRA TSY MANANA FIREHANA AMIN'IZANY INTSONY ARAKY NY NOLAZAIN'IZAY OLONA IZAY HOE : HIKARAKARA NY FIANAKAVIAKO AMIN'IZAY AHO...
hitantsika izao ny valiny ka asa raha mbola hanohana izany toe-tsaina izany isika.
Rainimaharavo.
27. isambilokely ( 20/05/2005 05:16)
Ka ireny ilay nolazain'ilay iraikalahy teto zay hoe vorombe tsy fihinana ireo goaika antitra rao sady mafy vaolana no efa miongo-bolo fa nihinana varin'apango angambany ... Moa tsary zay ve ?

Le-Mbilo iraika hafa njay ty
:lol: youpiiiiiiiiii
spoopy01.skyblog.com
www.amontana.com
28. pitchou ( 20/05/2005 19:33)
tssssss! iza indray no niteny anao hoe mampiongo-bolo ny fihinanana varin'apango? raha manitra tsara aza io dia fanafody
29. isambilokely ( 25/05/2005 15:22)
Tena mampiongo-bolo io ry Pitchou a ...
Ataovy fanao matetika anie ... indrindra raha hoe zazah de efa vokisana apango fa tena sola alohan`ny fotoana.

Mbilo
:lol: Youpiiii
30. pitchou ( 26/05/2005 18:54)
resaka kosa izany! ko ahoana zahay tsisy sola izany?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1251