fahatokisana

1. poupounesana ( 17/04/2005 12:43)
hita moa fa ny olana anisany tena goavana eo @mpifankatia ny hasarotampiaro!mampiady, mampikorontana! refa misy ahiahy d mifamaly ny mpifankatia, mivoaka matetika eo ny hoe : "enao tena tsy matoky ahy mihitsy"
fanontaniana:vao miaraka v ny olondroa dia tonga d tokony hifampatoky araky ny hevitrareo?
novalian'i fijo ny 10/05/2005 21:52
2. namanao ( 17/04/2005 16:55)
valiako @ fanontaniana le izy: ianao ve miaraka @ olona tsy atokisanao?
3. pika ( 18/04/2005 07:03)
tsy maha-tsara zv ny tsy fifampatokisana eo @ olo2.
raha vao miaraka ianareo ka mbola tsy mifankahalala tsara dia aza aseho @1 na oviana na oviana hoe tsy mahatoky azy ianao fa manjary tsy mahatoky anao koa izy dia mety ho rava ho azy.
4. randjy ( 18/04/2005 07:42)
nena aloha tonga de matoky 100 isan 100
na tonga de tsisy
5. palmbeach ( 18/04/2005 07:46)
Ny fahatokisana no tena ilaina be indrindra amin'ny fitiavana. Atomboy amin'ny tenanao izany, aona moa no atokisanao ny olona nefa ny tenanao aza tsy atokisanao. Matoky ny tenanao ianao fa ianao irery no tiany,... sûr aho fa hatoky azy amin'izay ianao. Sa tsy izany ve? mety ho marina iany an!
6. mamzelkely ( 18/04/2005 08:25)
ekeko tokoa fa ilaina ny fahatokisana eo am mpifankati
7. mamzelkely ( 18/04/2005 08:35)
miala tsiny fa diso bouton
ilaina tokoa ny fifmpitokisana eo am mpifankatia fa raha toa ka misy tsy fahatokisana ao aminao dia diniho tsara alo we inn ny olana sao avy aminao
8. tnice ( 18/04/2005 08:47)
:oops: azafady ry zareo fa ny fifampitokisana d, tena sarotra raha eto amitsika no jerena @ ara-pitiavana fotsiny. Saino ange ry zareo fa olona miaraka aminao aza hono tô endry eo imasonao nefa rhf tsy eo imasonao manao ny tsy fanaony any ambadiaka any, tsy hainao anie izany e! fa oe efa engaze zany d, aleo manararaotra ihany ary tsy vitsy ireo manao izany na lahy na vavy e! d, aôna moa ny hifampitokisana ahitsinao amin'ny zvt iray izy nefa avy eo averiny ary zvt tsy mba fanao na zvt norme akoty ilay izy? hmm!!! aleo mahina ihany an! :wink:
9. eddj ( 18/04/2005 11:14)
Ny tena tsara indrindra dia ny mifampatoky kanefa rehefa hita ve fa mampiahiahy be ihany tsy ho sarompiaro ka mety hanary ilay toky?
10. ari.malala ( 18/04/2005 13:18)
poupounesana:

hita moa fa ny olana anisany tena goavana eo @mpifankatia ny hasarotampiaro!mampiady, mampikorontana! refa misy ahiahy d mifamaly ny mpifankatia, mivoaka matetika eo ny hoe : "enao tena tsy matoky ahy mihitsy"
fanontaniana:vao miaraka v ny olondroa dia tonga d tokony hifampatoky araky ny hevitrareo?



Eny, tokony hifampatoky tokoa ny olona roa raha vao miaraka. Tsy hisy fiarahana ho vanona eo raha hifampiahiahy lava eo ianareo.


11. poupounesana ( 18/04/2005 15:40)
zany v? ka tsy tokony hisy intosny anie zany ny hasarotampiaro raha izany e
12. sonwin ( 18/04/2005 17:15)
tsy tia matoa tsy sarom-piaro fa ny fanehoana ilay hasarotam-piaro no mila fandanjalanjana satria mety hivadika tsy fahatokisana. ..ohatra akaiky raha manana fananana iray ianao, moa ve tsy ho sarotiny amin'ny fanananao?...ka ny olon-tiana sarobidy lavitra raha samy fananana e.
13. sonwin ( 18/04/2005 17:17)
tsy tia matoa tsy sarom-piaro fa ny fanehoana ilay hasarotam-piaro no mila fandanjalanjana satria mety hivadika tsy fahatokisana. ..ohatra akaiky raha manana fananana iray ianao, moa ve tsy ho sarotiny amin'ny fanananao?...ka ny olon-tiana sarobidy lavitra raha samy fananana e.
14. yonikafopl ( 18/04/2005 20:06)
nga mou raha saropiaro dia tsy matoky izay??? :roll: asa tokotrany
fa ilaina kalou le fifampokisana e!!tsy hisy zava banona raha tsy mifampatoky.
15. fijo ( 18/04/2005 22:01)
le fanontaniana anie ka hoe fahatokisana raha vao miaraka e.izany hoe vao homaly no nanomboka nifanaiky fa hiaraka.amiko aloha tsy mbola misy tena fahatokisana izany eo e.olona roa tsy mbola mifankahalala tsara ve hifampatoky be toa inona;fa tonga miandalana eo ihany io.saingy matoa nifanaiky koa dia efa misy zavatra hiraisana kely ao.ka miantomboka eo ny tantara.
hiy le V
16. poupounesana ( 19/04/2005 07:20)
sali V fijo
ela ela mihitsy enao zao no tsy teo han! zà aloh miombonkevitra aminao ry fijo. zà manko mahita hoe sarotra b ilay tonga d hatoky oll sady tsy havanao fa oll sendra hitanao teny d lasa tianao d niaraka t@nao.
misy ity hevitra ity ohatra : ny confiance tsy maintsy meriter-na! mila maneho amiko ohatra ilay oll miarak@ko hoe tena azoko atokisana izy zay aho vao mahatoky azy! diso b v za @zany hozy nareo?
17. moi ( 19/04/2005 07:44)
Miaraka aloha izany, dia avy eo vao jerena ny fifampitokisana ?
Amiko, jerena aloha raha azo atokisana izy vao hiarahako. Mety tsy 100% ny fahatokiana azy, fa efa mba tsy mampijaly e !
18. poupounesana ( 19/04/2005 08:00)
sali V fijo
ela ela mihitsy enao zao no tsy teo han! zà aloh miombonkevitra aminao ry fijo. zà manko mahita hoe sarotra b ilay tonga d hatoky oll sady tsy havanao fa oll sendra hitanao teny d lasa tianao d niaraka t@nao.
misy ity hevitra ity ohatra : ny confiance tsy maintsy meriter-na! mila maneho amiko ohatra ilay oll miarak@ko hoe tena azoko atokisana izy zay aho vao mahatoky azy! diso b v za @zany hozy nareo?
19. mamzelkely ( 19/04/2005 09:35)
raha vao miaraka kosa alo sarotra be ny hahafantara we azo hatokisana ve ity ol ty sa tsy satria ny olona anie mety mahafinaritra ambohalohany fa avy eo miseho ny toetra ratsy e!!! fa aleo alo mi se méfier kely ambohaloany fa eny andalana eny ho hita fôna ny fandehanjavt :wink:
20. siso ( 19/04/2005 09:53)
amiko aloha raha tsy miaraka tsy ho hitanao sy tsy azo atokisanao ilay olona tsy mety ny miteny hoe tsy atokisako ity olona ity na hoe atokisako ity olona ity mila miaraka mifankahita tsindray ndray miresaka mazava refa tsotsa @ nao le olona de mandeha ho azy ny fahatokisana
fa raha olona tsy tsotsa amiko dia efa tsy azo atokisana
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2125