mba mahalasa fisainana ihany

1. Narilala ( 14/04/2005 10:54)
asa ry zareo fa toa Anjely latsaka an-tany avokoa angamba izay tsy katolika satria toa tsy mba mahita ho resahina sy ho tsikeraina afa tsy ny Katolika ianareo. Izay rehetra sujet mivoaka eto dia tsy maintsy idirana fankahalana katolika daholo. Tsy dia mampihontsona anay katolika akory izany fa vao mainka aza fahasoavana ho anay izany, fa ireto ianareo dia tsy mba mahita resaka hatao raha tsy hanaratsy sy ny hanenjika no mampalahelo sy mampahonena. Izahay dia miaky fa tena mpanota ary na ny mpitondra fivavahana ao aminay dia mpanota avokoa.
Tsy mba tsara kokoa ve raha resaka hampitomboana ny finoana sy ny fiombonana no atao raha tena mahatsapa tena isika fa kristianina.
novalian'i fijo ny 20/04/2005 23:05
2. haingo23 ( 14/04/2005 11:01)
Ka ny olana anie ry Narilala dia izao : rehefa lazaina anareo ny mety sy ny zavatra mifanaraka @ baiboly dia miezaka miaro tena sy manao valy boraingina ianareo e! fa hoe izay ny anay. Tsy mba misy na dia iray aza miaiky (afatsy hery angamba) fa na miaiky aza dia mbola mametraka ny nefa,...
3. sonwin ( 14/04/2005 11:29)
haingo23> olana ahona koa? ranga indray ve no hanoro ahy baiboly? tsy misy tena arovana zany ao ry leiry e...ka izay ny anay dia izay fa ahona aza.F'anga haingo23 manantena hoe refa misy ireny toko sy andininy tsipotsiponina ireny dia hivadika ho mpanohitra koa izahay hi hi hi sao dia midelira aza leity!..miaky inona koa aza zany?...aza miteniteny foana eo leisy rahaingo a...ny tena Kristianina leity mifampizara fa tsy mifampitsikera an! mifankatia fa tsy mifanohitra! mifanitsy fa tsy mifampitsara! ..sahala aminay mivady e :lol: za kato izay prot..zahay anefa an...milay.
4. hery ( 14/04/2005 11:39)
haingo23> miaiky hoe inona alou? :-)

Ny fomba fisainana no mbola tsy mitovy e. Ny protestant mou efa mi-protesta foana :-)
Ny ahy dia izao hatrany no mba teniko. Avoahy sy aazavao ny finoanao... ny momba anao sns (raha tianao) dia ny olona koa avelao hanazava ny finoany sy ny momba azy... dia aza tenenina hoe diso ny anareo :-)

En fait, inona mou ny tombotsoanao raha marina ny azy? ary inona no fatiantokao raha diso ny azy? Ny tombotsoa kosa anefa rehefa manazava ianao dia hoe mba mahafantatra zavatra ny olona sns.

Ohatra fotsiny izao. Au lieu de miteny hoe Tsy mety mihitsy ny an'ny Katolika ny mompera tsy manambady satria wawawa... dia mitenena hoe "Ny anay, ny pasitera manambady satria izao sy izao..."

Au lieu de miteny hoe "Nareo katolika tsy mety fa mivavaka amin'i Maria"... Dia mitenena hoe Ny an'ny Protestant dia izao ny foto-pinoany... sns
5. booboo ( 14/04/2005 12:00)
Zà koa mba lasa fisainana ihany. Ny tsikaritro aloha dia misy tsy mahay ny dikan'ny hoe "adi-hevitra" fa raisiny hoe izy no asiana raha tsy mitovy hevitra aminy ny olona sasany e ! lamentable beeeeee !!! Dia io tenenin'i Hery io koa. Misy tsy misaina kely @ fampiasana ny voambolana ampiasainy dia tsy tonga saina mihitsy hoe mandratra na midaroka ankolaka ange ny zavatra teneniny !
Tsy manisy antokom-pinoana précis zà raha miteny sao misy mahatsiaro ho "visé"eo indray :roll:
6. jooko ( 14/04/2005 12:39)
narilala tsy misy anjely latsaka antany zany eto ka. Resaka finoana ity, dia resaka convictions zany, tsy midika akory hoe mifanaratsy rehefa manana convictions tsy mitovy.

Vaste loatra ny baiboly ka possible samy mahita izay hitany ao, dia samy hiteny hoe ny "ahy no marina". Za aloha mino ny finoako, dia antenaiko fa ianao koa mino ny finoanao dia izay...



7. dily ( 14/04/2005 13:23)
tsy blem zany e. Mifanajà fotsiny fa aleo hanenjika izay hanenjika.
8. pika ( 14/04/2005 13:31)
everiko fa ny tena kristianina dia manaja ny an'ny hafa. matoa ianao izay lany andro mitsikera sy manenjika dia tsy hivoatra mihitsy. Samia mankatoa ny azy, tano ny finoanao, ary hajao ny an'ny hafa.
Atra 1 ihany toy ny hoe handefa ttsy any isika fa ny paositra no samy hafa.

tokony zv hafa no tena iadina hevitra fa tsy ny finoana. ireo mbola tena ivelan'ny vala re no andao taritina ho ao anatiny sa tsy izany???????

























9. radriana ( 14/04/2005 13:40)
"Vaste loatra ny baiboly ka possible samy mahita izay hitany ao, dia samy hiteny hoe ny "ahy no marina". Za aloha mino ny finoako, dia antenaiko fa ianao koa mino ny finoanao dia izay..." hoy i Jooko
Fa iza no tena milaza hoe ny "ny azy no marina" araka ny hitanao hatramizay dinika momba ny katolika izay mahasarika ny maro izay ??? Ianao izao hitako nanisy dinika momba ny protestantisme il y a quelques jours, nisy nitsikera ve hoe diso ny anao ???
Tsy mifanaratsy mihitsy fa misy mpanaratsy kah, sens unique ilay izy, sa tsy izany ???

10. jooko ( 14/04/2005 13:50)
radriana i jooko tsy sura hoe manana ny marina, ary ny tsy nisy nitsekera izy na tsy nahatsapa hoe nisy nitsikera. Izy koa nefa tsy nahatsapa hoe nitsikera ny hafa. Indrindra moa ny hifanaratsy dia tsy ho ataony mihintsy izany. Fanazavana ny ambiny.

Hinoako fa ny resaka eto amin'ny forum dia tsy ampiova ny finoan'ny tsirairay avy fa raha toa ka izany dia tsy hitako indray izay lazaina..
11. dadabe ( 14/04/2005 14:29)
fa zao aloha no mba hanotaniako antsika namana e"inona no atao hoe milaza ny marina sy ny atao hoe mitsikera ary ny manenjika??
zao mantsy t@andron'i Kristy dia nolazainy teo imasom-bahoaka ny Fariseo sy ny mpanora-dalana hoe "ianareo dia fasana milalotra,feno rombaka sy taolan'ny maty ao anatinareo,......arindrinareo ny fanjakan'ny lanitra ...ianareo tsy miditra ny olona tsy avelanareo miditra ...ets ets.vakio ny evanjely Araka an'i matio.aminao nanenjika ny fariseo sy ny mpanora-dalana ve i Kristy teto ?sa nanaratsy ny fariseo sy ny mpanora-dalana ?sa nitsikera ny mpanora-dalana?sa nilaza ny marina t@fiainan'ny mpanora-dalana?
miandry ny valiny aho oo :D
12. xxx ( 14/04/2005 14:40)
Dadabe mihitsy no anisan'ny Fariseo ato ka inona indray. Ivereno vakiana daholo izay nosoratanao dia hohitanao fa mila fibebahana toa anay mpanota koa ianao.
13. dadabe ( 14/04/2005 14:47)
aoooooooo ,misaotra ihany aloha nampatsiahy ahy e,andeha hibebaka aho izany :lol: fa angaha efa tonga ny farany no mitsara sahady xxx le ?
14. welie ( 14/04/2005 15:15)
dadabe> Hihihi aloeko mimé alou ka! Ary ahona ilay cours de maths alou e! Supposons que x=6... hihihi....

Mbola mieritreritra izay ho soratana izaho io an! ;-)
15. jentilisa ( 14/04/2005 15:20)
Mandalo aho dia miteny, salam aloha!
Samy hafa mihitsy anie ny fomba fijerin'ny olona ato e! Misy ny mandray ny baiboly ho mibaiko ny fiainany ary raha vao tsy voalaza ao dia heverina ho manohitra ny baiboly. Misy kosa ny mandray ny baiboly hanamarinana ny finoany. Dinoho tsara izay lazaiko izay dia ho fantatrareo ny fahasamihafan'izany. Baiboly hanamarinana finoana sa baiboly mibaiko izay hatao?
16. Tiana1 ( 14/04/2005 15:31)
Io ara fa ady sy fitsikeràna fotsiny no be. Efa niteny anie I Kristy e ! Inn ary no fivavahana marina :?: ... Tena mihevitra ve isika fa A/tra dia kely dia kely ka ho Katôlika na ho Protestanta ? Ireo ary samy kristiana ! Fa ahoana ny Jiosy ? Efa namaky Torah ve ianareo ? Ary ny fivavahana hafa ? Samy mino ny azy ho marina. Nefa A/tra irery no marina. Ary angamba Izy tsy Katôlika/Protestanta/Jiosy/Slamo... Lehibe loatra Izy. Ary Lehibe ny Anarany. Mistery Izy. Ny hany ekena dia Fitiavana izy. Na dia tsy hazotsika antsaina loatra na tsy hitatsika loatra aza. Aza miady sy mifampitsikera. Mandehana @ làlana izay hitanao mampandroso anao. :)
17. welie ( 14/04/2005 15:36)
Mistery zany Anaka...
18. dadabe ( 14/04/2005 15:44)
AMEN (l)
welie>ca fait xxx=666 hahahaha
19. Chuan ( 14/04/2005 16:27)
welie ! hihihii ! Raha ho anah manokana klou ry zalahy de tsy mba hiady hevitra am`resaka fivavahana zah satria ny antokom-pinoana tsirairay avy samy milaza ny azy ho favy daholo de ny an`ny hafa tsy mamely ka na de haraina eto aza ny andro tsy ho tapitra hihihihi ! Konferansa be tsisy farany . Kozy tsotra no omeko ! mahaiza daholo mifankatia tsika rehetra (FITIAVANA no base ) fa azo antoka fa hahazo place any am`paradise na de owe strapotin fotsiny aza !!! Kozy vrai e !
20. welie ( 14/04/2005 16:31)
Chuan> Ka ahoana kosa aza no tsy mba hiady hevitra e! Ny fifankatiavana raha izajho manokana dia mbola eo fona izy ka! Fa tsy tokony hanakana ny konferansa akory... hihihi....
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4536