Protestantisme

41. jooko ( 14/04/2005 12:03)
sonwin zany masina dia azo antsoina hoe "Sa Saintété Sonwin I" :lol:

Filazana hevitra ny eto fa za manonkana tsy sura hoe marina ny finoako na diso fa conviction perso le izy, tahaka ny convictions rehetra...

Ireo convictions protestantes eo ambony ireo no manazava ny positions'ny protestanta :

1) a dieu seul la gloire :
2) des eglises toujours à reformer
3) Chaque baptisé a une place identique dans l’Église
....
42. iartistika ( 18/04/2005 16:53)
jooko> siora lesy! :wink:
43. pitchou ( 18/04/2005 18:58)
Misy fanontaniana ity raha mba misy afaka manazava! Inona no fiangonana voalohany indrindra (kristiana)? Ny katolika ve? d ahoana no ilazana fa ny katolika? satria otran'ny misafotofoto be ihany!
Ny protestanta dia ny fanoherana ny fitondran'ny papa sy ny vatican izany! fa tsy hoe izay rehetra tsy kato! (sao hisy hanita-kevitra eto hoe rehefa tsy kato d tsy mandova ny lanitra an!)
Ny fiangonana jiosy aloha d tsy kristiana ny fahafantarako azy fa mivavaka direkta @ Andriamanitra, ary ny fiangonana dvantista dia zanaky ny fiangonana jiosy ny tena izy (tsy izaho no nilaza an'io fa mpitondra fivavahana advantista an!) fa tsy hoe kristiana! les autres tsy mbola naheno aho satria tsy nisy nanazava!
d raha le lazain'i haingo (14-04-2004 ; 15:14:39) d protestanta daholo zany! oupssss relatif be daholo izy izany! samy manana ny point zero-ny sy ny repère-ny
44. fijo ( 21/04/2005 22:51)
kabarytsy valiana hoy ny namana ery ambony ery.taiza tao ampiangonana moa no mba nisy kabary novaliana e.midradradradra eo rapasy na damopa dia alefa ny rakitra dia bye.amin'ny manaraka koa manova misimisy
45. marozevo ( 26/04/2005 23:38)
Ity misy loharanon-kevitra anankiray sao mety hanampy antsika hahazo ny teny hoe "Protestant". Ilay convictions voalaza ary ambony dia tena marina io, fa raha ny nahatonga ny teny hoe protestant(s) dia izao. Taorian'ny Concile de Trente, rehefa tafasaraka tanteraka i Lotera dia hozaraina ny fananana : tany, trano fiangonana sns... dia nandà izany ireo nanaraka ny hevitr'i Lotera. [Mandà = Protester] . Io no nahatonga ny anarana hoe Protestant fa tsy ny hoe misindaka, nna manohitra na zavatra hafa koa.
Talohan'io dia marina tokoa ny filazana fa hoe "Eglise reformée" ilay naorin'i Lotera, ary tsorina ny marina fa tena nanana ny rariny mihitsy anie i Lotera tamin'iny fotoana iny e. Saingy, ny marina itompoana hono, .... Ary moa ve fantatrao fa i Lotera, na dia tsy nanaiky afa-tsy ny Batemy sy ny Eokaristia aza, dia NIKONFESY tamina Pretra Katolika hatramin'ny fara fofon'ainy?. Dia ahoana io ?
Ary moa fantatrao ve fa ankehitriny atsy Allemagne dia tsy misy olana kely akory ny anarana hoe Protestant na Katolika. Misy aza ao, trano Fiangonana iombonan'ny Kato sy ny Protest (Mifandimby ny fotoam-pivavahana), misy koa, noho ny fandaminana sy ny fifankatiavana misy dia ifanarahana hoe ity Fiangonana ity na iry dia an'i Kato aloha mandritra ny ... taona, dia avy eo an'ny protestants indray.
Tsarovy anefa fa tao Allemagne no nirehidrehitra ny fahasamihafana sy ny fankahalana tamin'ny 16eme siecle, fa hainy ny MIHAVANA AO ANATY FAHASAMIHAFANA.
Enga anie mba ho toy izany koa ny Tanindrazantsika..
46. routa ( 27/04/2005 13:52)
:-w 8)
47. dadabe ( 27/04/2005 14:28)
marozevo>ka na le esty ampahibe koa aza anie hifandimbiasan'ny prote sy kato ny trano fiangonana e
pitchou>raha ny baiboly no jerena dia izao no fandehany,t@andron'i Kristy dia ny antokom-pivavahana jiosy izay notarihin'i fariseo sy ny mpanora-dalana no nalaza,notoherin'i Kristy io (maro ny antony ),ary natsangany ny antokom-pivavahana Kristianina,fa nandritra izany ao @asan'ny apostoly de mazava fa ny anaran'ilay antokom-pivavahana dia Efesosy (ao no misy ny Diane efesianina ilay mpanjaka vavy )taorian'ny efesosy dia nisy an'izany antokom-pivavahana smyrna zany ,izay vao ny pergamosy,izay vao ny fiangonana Tiatira(fiangonana Katolika ankehitriny izay tarihin'i Papa,ary io dia niforona t@taonjato faha 5 torian'i Jesosy Kristy (476 apres JC),rehefa nomen'ny emperora romaine Justinian fahefana ny evekan'i Roma mba ho filohan'ny eglizy erantany )...de zay klou fa @manaraka tohizina,manana document maromaro aho raha ilaina ny fanaporofoana izay voalaza :D
48. marozevo ( 28/04/2005 23:13)
Dadabe ah > Efa nilaza taminao aho tany ho any (..?..) fa tsy tamin'ny 476 izany ny Fiangonana no niorina, fa tamin'ny Pantekoty, taona nahafatesan'i Kristy. Tsy dia azonao loatra ilay Eglizy fito voalazan'ny Apokalipsa, ka miova be ny heviny. Io Apokalipsa io dia mila fahamalinana ny mamaky azy, satria toetr'andro sy toe-tsaina hafa mihitsy no nentina nanoratra azy. Raha fintinina amin'ny teny fohy dia ny fanenjehana no niainana tamin'izany.
Tsy avy amin'ny Amperora anie ny fahefan'ny Papa fa avy amin'i Kristy eh. Jereo ny hoe : Omeko anao ny fanalahidy... sy ny hoe Ianao no Piera.. sy ny sisa. Fa angaha ny Amperora no niteny an'izany ?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2861