Prince Rainier maty!!!

1. welie ( 07/04/2005 13:46)
Mba lasa ny saiko hoe mba nanohina ny fon'ny maro ve ny nahafatesan'ny Prince Rainier III de Monaco e?
Raha izako manokana manko dia tena nalahelo tokoa raha nahare ny fahalasany satria izaho dia mpanaraka ny momba azy tokoa. Ankoatr'izay dia maro dia maro koa ny fanampiana avy @ Principauté monégasque ho an'i Madagasikara (fanorenana làlana, sekoly etc...)

Mba manontany aho satria mety hoe variana @ nahafatesan'ny Pape daholo angamba aloha ka tsy hifanomezan-tsiny e! Sady samy manana ny antony manokana avokoa ny tsirairay.
novalian'i fijo ny 21/04/2005 23:17
2. domoiina ( 07/04/2005 14:47)
Ie nahavita zavatra ho an'i Madagascar toko ry zareo, fa na lasa aza i Prince Rainier de efa eo i Albert hisolo azy
3. sonwin ( 07/04/2005 16:44)
tsy fantatro izany olona izany...ouuyyy mahazo miteny eto aloha ve za e?
4. fijo ( 07/04/2005 20:44)
za koa nalahelo kely fa rabemananjara no tena nampalahelo ahy
5. welie ( 07/04/2005 21:27)
sonwin> Efa mahazo wa fa efa vita le resaka ka !hihihi.... Enao kosa ve dia tsy mahafantatra azy????

6. ainaheri ( 08/04/2005 07:08)
Betsaka tokoa no tohina fa saingy nifanojo t@ JPII ny fahafatesany d otrany nangingina zany ny fahalasanany fa nirona tany @ Pape doly ny ol na dia
samy nalaza teo @ sehatra nisy azy aza izy 2
7. xxx ( 08/04/2005 15:42)
Prince amin'ny ahoana koa aza izany...fa nalaza taiza hono izy izany e?Prince Ravalo izao no mba prince fantatro
8. booboo ( 08/04/2005 16:04)
:roll:
9. iartistika ( 08/04/2005 16:17)
nenà le prince,biskoia lu moa???
10. xxx ( 08/04/2005 17:52)
Tamin'izahy tany Akatso koa misy hoe Prince izay mpitarika grevy, dia izay koa prince haiko
11. iartistika ( 08/04/2005 17:56)
ao koa le prince mpihira...
12. ftma ( 08/04/2005 17:57)
Maro tokoa ny tsy mahalala ny zava-bitan'ny Prince Rainier tany M/car ary ny zanany lahy Albert mandeha matetika any amintsika, misy lycée mitondra ny anarany aza any,miara-miasa akaiky amin'i Père Pedro ry zareo.
Welie: ny teto France dia variana tamin'ny nahafatesan'ny Pape ka na ny Télévision aza tsy nanomana fadaharana momba azy akory, ny télévision ao Monaco ihany no nandefa fadaharana momba izany.
13. yonikafopl ( 08/04/2005 22:16)
za mahafanatra le prince tam le stephanie de monaco nalaza be reny, fa ny zavatra vitany tany dago no tsy fantatro.
14. sonwin ( 09/04/2005 10:08)
Hay ve nisy Prince nahavita zavatra tsara ho an'ny gasy e?...dia i Albert tsy misy hifandraisany amin'i Albert Zafy io an? sa miara-miasa koa?
15. sonwin ( 09/04/2005 10:09)
Hay ve nisy Prince nahavita zavatra tsara ho an'ny gasy e?...dia i Albert tsy misy hifandraisany amin'i Albert Zafy io an? sa miara-miasa koa?
16. ftma ( 10/04/2005 08:55)
Sonwin: tsy misy hifandraisany @ Albert Zafy i Albert de Monaco.
Yonika mbola malaza Stephanie ka, tsy dia heno firy ny zavatra ataondry zareo any amintsika,toeram-pitsaboana, fanampiana ny hopitaly, sns...
Asa raha henonareo fa misaona mandritra ny 3 herinandro ny mpiasa aty dia tsy maintsy manao akanjo matroka.
17. iartistika ( 10/04/2005 09:48)
mpiasa aty aiza zany misaona zany????
18. sonwin ( 10/04/2005 12:30)
aiza ilay "aty" misaona io?
19. sonwin ( 10/04/2005 12:30)
aiza ilay "aty" misaona io?
20. pitchou ( 10/04/2005 14:52)
tsy haiko aloha fa ny vaovao henoko momba an'i monaco farany d ny fitehirizana vola tsy fanta-pihaviana sy ny paradis fiscal e!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.272