Torohevitra kely

1. hery ( 07/04/2005 09:49)
Betsaka ny namana mandefa hafatra aty amiko milaza hoe mitady namana (mafy). Koa ireto ny torohevitra kely mety hanampy anareo, sy hanafaingana ny fihazàna :-). Torohevitra avy amin'ireo namana ato ihany.

Fenoy ny Mombamomba anao
http://namana.serasera.org/izaho
Dia ataovy milamina tsara sy mba manaitra ny sasany. Rehefa manoratra mantsy ianao dia io no jeren'ny namana aloha.

Mandehana ao amin'ny antson'ny fo : http://forum.serasera.org/?rub=topic&topid=t3ffe9224ad598
Dia mametraha hafatra, na vakio fa mety efa misy hafatr a mandeha ao.


Mitadiava namana : http://serasera.org/namana/?rub=namana&asa=hitady
Dia vakio tsara ny mombamomba ny namana mety mahaliana anao dia andefaso hafatra.

Midira mivantana ao amin'ny karajia :
http://chat.serasera.org fa misy namana azonao ifampiresahana eo no ho eo.

Mandraisa anjara matetika :
Midira matetika amin'ny site (amin'ny forum ohatra), manorata amin'ny namana tsotra na dia tsy misy resaka hafa aza. Ireo dia mampitombo ny isanao. Ary koa mampalaza anao :-) dia ho mora aminao ny hahazo namana.

Mazotoa ary e.
Hery (Efa nahazo namana)

Nahitsin'i hery
novalian'i Veloo ny 04/05/2005 21:06
2. ftma ( 07/04/2005 12:29)
Hery: hadinonao ny hoe "midira ao amin'ny karajia fa ao no tena hahazoana namana ko" :roll:
3. hery ( 07/04/2005 13:45)
ftma> marina tokoa izany andraso fa ampiako
4. cutie ( 10/04/2005 05:23)
ftma, ao @pv no tena ahitana namana. :-D :-D :-D
5. ftma ( 10/04/2005 20:05)
cutie: ndry tsy mandray pv ko, mety tsy ho azo namana
mahazo namana foana rehefa tena hoe hitady namana no aleha ato amin'ny serasera e na tsy pv aza
:D
6. yonikafopl ( 11/04/2005 00:24)
ireo ftma sy cutie mbola mila namana :-P
za kou efa nahazo namana tovy am hery :-P :wink: :roll:
7. cutie ( 11/04/2005 16:46)
za efa manana namana bedabe kou :)
tao @ pv yonika hihihihihihihi
8. ravatorano ( 29/04/2005 13:11)
cutie angah mandray pv indray
9. kitjo ( 02/05/2005 15:31)
za ko efa nahazo namana bdb sy namana manokana ray.hihiih

torohevitra kely: aza maimaika fa mifankafantara tsara @resaka aloha ary aza mifandainga fa tonga d milamina tsara :P
10. tsondjo ( 02/05/2005 16:33)
mmhhh kitjo izany nga nahazo namana hihi :lol: :-* bibizz akia annn de bonne vacances e! de andefaso voniny avy any e!
11. kitjo ( 02/05/2005 17:09)
hi hi.
nahazo tsara mihitsy k!
Misaotsa betsaka. Tsy haiko raha mamoa zao ny lalana any fa efa ho ririnina..hihihhi...refa tsisy voany d tonjainay tahony
12. fijo ( 03/05/2005 20:57)
ary za tsy misy namana ity izany mba hanandrana ko
13. kitjo ( 04/05/2005 05:59)
Mitadiava dia hahita :)
14. Veloo ( 04/05/2005 21:06)
Cutie a aiza kay zany pv zany? tsy aiko akory...
hery a ary ahona no fanavonareo an'ireny oe "jereo eto ireny kay?"
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 1.9693