Ny Katolika sy ny Baiboly...

21. maditra ( 04/04/2005 14:46)
xxx> ino koa mba dikan'io fanontaniana io?
Ho an'ireo izay manana eritreritra amin'ny zavatra nosoratako tao amin'ny lohahevitra iray ao ambadika ao. Amin'ny maha-Kristianina Katolika aho, dia manaiky izay lazain'ny Papa zah ary izay lazain'ny mompera koa (raha mbola manana hasina maha-mompera azy izy). En plus, amin'ny ankabezany, mety ho diso fitondran-tena ny mompera sasany fa tsy mampianatra blasphemie izany ireo.
Mamaky Baiboly koa zah satria nomen' Atra saina hanao izany, mba ho fanampiana izay lazain'ny mompera sy ireo mpitondra fiangonana amiko io fa tsy hoe hentiko hitsipaka izay voalazan'ireo. Noho izay famakiako Baiboly izay dia mahita aho fa mitory izay tena tian'i Kristy tenenina ireo, dia ny fitiavana izany. Na ho tianareo zay na tsy ho tianreo dia miaraka amin'ny Papa sy ny fiangonana Katolika aho. Izay no atao hoe "disciplinship" miala tsiny amin'ilay fiteny. Averiko koa, tsy hoe tsy mamaky Baiboly izahay fa mino koa izay lazain'ireo mpitantana fiangonana. Asakasaka izay "trano hiady an-trano" mahatonga fitomboan'ny secte amin'izao fotoana izao. Sady mahaosa finoana izany no tsy dia mifanaraka amin'ny tian'i Tompo hotenenina.
22. dadabe ( 04/04/2005 14:51)
sahary>i lotera iza klou noresahinao e?lotera eto @serasera ve? :-D :-D
hhmmmm taona firy marina tokoa mou ny vatika II?sao de mba t@ 1963sa moa 1967 ?ahitsio hoe zah sao diso azafady oo. :D de ampy a
23. annie ( 04/04/2005 15:46)
Tsy haiko aloha fa za tsy katôlika e!
24. majakely ( 04/04/2005 20:17)
Fa isika katolika aloha kamo mamaky baiboly!!asa aloha ianareo!! :lol: tokony mba manao effort eh !
25. fijo ( 04/04/2005 20:56)
marina ireo fanazavan'i hery ireo,fa ny tiako ahitsy ngamba raha izay tokoa ny hevitra tian'i welie lazaina dia izao.ny vatican dia manao izay azony hatao foana raha vao misy fandaharana mikasina ny fandalinana ny baiboly.matahotra ry zareo sao hampiova ny finoan'ny oona io.hita izany tamin'ny fivoahan'ny fandaharana "corpus" izay mandeha isaky ny alohan'ny paka.io fandaharana io dia mampitahy ny voalazan'ny baiboly sy ny zavamisy (profo)siantifika.oh nisy marina ve ny fanokafan'i mosesy ny ranomasina mena?
taiza tamin'ny tanan'i lery marina no tena nofantsihina tamin'izy nombohina?
zavatra maro fa toaizany no halalinina ao ka dia nosakanana'ny vatican io.fa dia ny fitondrana frantsay no tsy nanaiky ny hanakanana azy.
fa ilay hoe tsy mahazo mitana baiboly kosa aky ry welmie tsy mitombona an.
26. dadabe ( 05/04/2005 08:34)
ahan hay ve misy an'izany e,fa tsy mbola novalianareo ny fanontaniako "hoe oviana ny vatikaII? sao de mba katolika sandoka aza nareo zany ?/hihih
27. haingo23 ( 05/04/2005 08:38)
Fa inona izany vatikana II izany e? nisy inona ???
28. dadabe ( 05/04/2005 08:44)
haingo23>fivoriana fara-tampony ataony kardinaly sy ny eveka r'ise izany eo ambany fitarihan'i papa a,(ahitsio aho r'izareo sao de diso a),sady zah anie maharaka fa aleo mba ny tena olona ao anatin'ny fiangonana katolika no hilaza azy,sao indray lazaina fa manenjika eo hihih :D de ampy a
29. Mifenty ( 05/04/2005 13:23)
mbola ho avy aza ny oe rhum II kou

sa resaka konsily io sa oe inn e.
30. sonwin ( 05/04/2005 16:18)
welie> ary ianao liana mihitsy amin'ny momba ny katolika an!!hanambady katolika ianao io fa hitako eto.
31. Mifenty ( 05/04/2005 17:30)
ka i lery io anie ka frera fa mody mampiesona eto fotsiny e
32. welie ( 05/04/2005 18:00)
sonwin> aleo za tsy be kozy aminareo tsony fa lasa mihitatra any ambadika any le kozy!


Mifenty> hihihihihi........
33. welie ( 05/04/2005 18:20)
Mifenty> ary toi elaela tsy hita an! Hihihi.....
34. Merinaforever ( 05/04/2005 21:31)
NY MAHA KRISTIANNA

Tandremo ihany leiretsy ny maha kristianna
Fa raha tsy mailo amin’io isika dia ho fanina
Lazaina fahotana ny fiharian-karena
Fanompoan-tsampy ny maha olom-pirenena

Mailaka ery na maopera na mpitandrina
Mampianatra antsika mba hitadidy an-kandrina
F’izay rehetra tsy araky ny baiboly
Dia vokatry ny nofo sy asan’ny devoly

Raisontsika ohatra eto ny resa-pirazanana
Ny mpahary antsika dia nanao ny karazana
Ireo miseho ho mpino, manao izay tsy hampisy
Ka mandrisika aok’izany ny fanaovana metisy

Ohatra koa izao ireny fomban-drazana
Tsy tokony haisotra amin’ny fanabeazana
Azo atao izay mety ahafahana mandrindra
Ny tantara sy finoana hiaraka mamindra.

Nahoana koa moa ,raha ny litorjy
Ampiarahana amin’ny hain-teny sy dihy?
Soson-kevitra ihany iny ka dia ambara
F’isika mianakavy no hahita izay tsara.

Mbola eo koa ny valiha sy ny amponga
Hiderana ny Mesia izay andrasana ho tonga
Tsy lazaina intsony ny ranjan-kabary
Ho enti-midera,mankalaza ny Nahary.

Satria tsy ny finoana no tsy milay
Fa ny fanjanahan-tsaina no tena mavay
Lazaina tsy an-kiato fa ny farandro tsy ho ela
Ny an'ny hafa lolohavina,ny an'ny tena avela.

Izany no anton-javatra tena mampialona
Aza gaga loatra raha nitroatra Ranavalona
Ny hany mba natao dia fitsarana sy taraina
Fa lavitra ny tena izay mba ho tonga saina

Ka ny finoana ve, azo omem-boninahitra ?
Sa halam-baraka toy ny zezika any am-pahitra ?
Kendreo ary izy tsy hatao fanangolena
Ka hanamaivanana ny fiainam-pirenena

Merinaforever
35. fijo ( 05/04/2005 21:56)
tena tsara ary mahafehy ny zavamisy ity rindranteny eto ity ka dia mankasitraka ry namana e
36. maditra ( 06/04/2005 01:08)
tsara aloha e!
betsimisarakaforever! lol
37. dadabe ( 06/04/2005 03:20)
vakinakaratra forever,sa tsimihetyforever sa tandroyforever hihih
fa tsy hamelako klou e,aiza le valiny oo ?ovina hoa le vatika II kouuuuuu nareo kounkou tssss!
sonwin>medy hanambady katolika lesy izy a hihi
welie>raha lasa resabe any ambadika any de aza atao mahakivy izany ee,zah aza faly fa ,mba nahazo fahalalana teto ,misaotra an'i welie :D de ampy e
38. dadabe ( 06/04/2005 03:29)
merinaforever merci an
39. maditra ( 06/04/2005 03:40)
Fa ino problemen'i dadabe amin'ilay vaticanII. Bon raha interresse ela dia nisokatra tamin'ny andron'ny Papa John XXIII en 1962 ilay izy ary tapitra tamin'ny andron'ny Papa Paul VI en 1965! Izay !
analanjirofo forever!
40. dadabe ( 06/04/2005 04:12)
maditra >merci fa diso aho hay mou tsy 1963 hih misaotra e
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.654