Madagascar, un pays africain

1. jhouhlambout ( 02/04/2005 08:55)
I Madagasikara dia ao @ continent Africain, koa araky ny hevitraro: sommes-nous africains?
novalian'i fijo ny 20/05/2005 04:53
2. aristar ( 02/04/2005 09:10)
I Madagasikara dia ao @ continent Africain

Poliquement ? géographiquement ? sociologiquement ? linguistequement?
Ny valiny dia eny sy tsia.
Ho any ireo izay matadidy dia nisy Secretaire d'Etat aux Affaires Aficaines et Malgaches taloha sy koa ny OCAM (Office de coopération africaine et malgache)
3. isrine ( 02/04/2005 18:08)
eny no valiny.
Ao anatin'ny continent africain ve izy koa tsy ho africains isika.
eritreritra mandalo marina!
4. felicia ( 02/04/2005 20:41)
on est dans le continent africain...noho izany dia nous sommes afircains...c'est assez stupide comme question :?:
5. xxx ( 02/04/2005 21:56)
[C'est vrai .....fa ataoko teny gasy angamba .
Ny fomba amam-panao ( culture ) izay angamba no mahatonga ny sasany hisalasala hoe tsy Afrikanina isika, satria isika de manana ny culture Indonesien , raha mijery ianareo ka mahita olona avy any Indonesie dia hitanareo fa saika mitovitovy @ M/ sy ry zareo , ka na ny fombafomba aza dia misy itovitovizana ihany fa izaho mantsy efa mba nadalo kely tany . Fa reha mijery kosa anefa isika dia angamba tsy hisy hilaza hoe ny firenena ( X ) any Afrika dia mitovitovy amin'ny Ma /sy , kanefa isika dia ao anatin'ny Afrika ka Afrikanina tanteraka .

6. cheboman ( 02/04/2005 23:01)
tsy stupide lay question ka, na ny afrikanina sasany koa ary refa miresaka @ gasy misy sahy milaza we nareo nga afrikanina
7. rinah ( 03/04/2005 00:34)
Madagascar est géographiquement situé avec l'afrique mais nous ne sommes nullement africain! Si vous aviez bien étudié votre géographie et l'histoire, avant le big bang, Madagascar a été rattaché avec l'afrique et l'asie! Nos orgines morphologiques sont plutôt asiatique et ceux de nos côtes, africaines.
8. poupounesana ( 03/04/2005 05:40)
manalasala marina alou le mamaly le fanontaniana eh! afrikana tsika satria aty @ kontinenta afrika!raha jerena ny origine nefa d misy avy any afrika ary misy avy any asia!
9. zandikely ( 03/04/2005 05:41)
Zaho ny hevitro momba an'ity ady hevitra ity, fa inona aloha ny atao hoe Afrikanina aminareo e? Izay mipetraka aty Afrika ve? Izay manaraka fomba amam-panao antsoina hoe afrikanina ve ? Resaka fihodirana ve no hamaritana azy, raha io hevitry Rinah io?Mainty oditra ve, ity fihodirana dia tsy mamaritra velively ho Afrikanina satria raha mandeha ao Afrika Atsimo dia misy fotsy oditra ary antsoina hoe Afrikanina.
Ny tany niaviana ve no ilazana fa tsy afrikanina ny gasy? Raha izany tsy tokony hiantso ny Etat-Uniens (Uniennes ) ho Amerikanina isika fa antsoina hoe Europeanina na Afrikanina na kaontinanta hafa koa fa maro tamin'izy ireo no nianga avy tany.
Tiako ho lazaina dia tsotra:
-Misy malagasy sasany mihevitra fa ratsy raha atao hoe Afrikanina.Tsy te-hantsoina hoe afrikanina.
-Tena Afrikanina ny gasy satria any aminy kontinanta Afrikanina.
Aza menatra ny ho afrikanina e !

10. booboo ( 03/04/2005 17:14)
ary ireo oul boobaka mipetraka @ ireo îles manodidina an'i M/car ireo koa ve dé africains raha izany (la réunnion, seychelles,Maurice )? samy eo akaikikain'ny afrika eo aby tsinn kouh ! Samy nanan razambe afrikana sy razambe hafa ohatra antsika ihany.
Mitovy hevitra @ aristar zà : linguistiquement ? politiquement ? géographiquement ? .....
11. majakely ( 03/04/2005 21:22)
Amiko na afrikanina isika natsi dia tsy hitako ny olana ,,, :D
12. felicia ( 03/04/2005 23:48)
zay mihitsy oa io majakely!ndraindrai tsika gasy misy toetra,fa tsy hitako hoe aiza le problème... :D
13. andansonia ( 04/04/2005 08:29)
Atao ahoana fa voasokajy ao anatin'ny faritry Afrika isika. Jereo fa fivorian'ny Union Africaine no atrehintsika, fa tsy an'ny Firaisan'ny Azia na Eropa. Raha misy zavatra na lohahevitra dinihina iraisampirenena dia miaraka @ Afrique foana isika.Na ny lalao sport koa aza
Any @ ireny fivoriana iraisampirenena ireny dia Groupe Afrique no misy an'i Madagasikara. Maningana ny solontena gasy indraindray satria ny afrikana moa dia avy dia fantatra, ry zareo maghrébien koa.Hazavaina fotsiny hoe ny fiavintsika tsinona sady avy any Azia, no afrika no arabo koa aza
14. mandrindra ( 04/04/2005 08:53)
Ohatran'ny manontany ihany io hoe ny anglisy ve eoropeana? Mba antsoy anie ry zareo hoe eoropeana e. Ny toetsainan'ny mponina ao amin'ny nosy iray na aiza izy na aiza dia hafa noho ireo izay mipetraka amin'ny kontinanata.
Ara jeografia dia voafaritra ao antin'i afrika i Madagasikara. Tsara ilay fanontaniana saingy hoe inona no tombotsoa azo na very raha milaza isika hoe afrikana na tsia.
15. rvoulah ( 04/04/2005 09:50)
amiko koa laoha de afrikanina isika na de tsy manana ny loko koditra toy ny andry zareo aza.
ny zavatra tsapako de ny olona mipetraka any amy côte any amitsika de misy itovizana betsaka amy afrikanina.
ny culture koa de betsaka no itovizatsika aminy.
manana naman afrikanina maro aho de hitako fa betsaka zavatra iombonana isika.
ny nahataitra kely ahy de misy namako Burkinabé , de ny bonjour amitsika gasy manao ahona , de bonjour ko amindry zareo burkinabé manao ahona
16. mishou ( 04/04/2005 11:28)
afrikana i dago e, na tiana io na tsy tiana, na manahirana ati-doha io na tsia, na ekena na tsy ekena, tsy DOM TOM, tsy aziatika na nisy une partie t@ gasy aza avy any, tsy aostraliana, tsy amerikana koa, tsy eropeana mazava ho azy, sady tsy eskimô na avy any @ pôle sud na dia aty atsimo aza ny misy azy, tsy îles des caraïbes koa, ka noh izany dia afrikana be izao, black no kilasy misy azy na dia misy fotsy be ohatran'ny vazaha aza.
Raha tsy hoe angaha hamorona antoko hafa indray isika hilazana ny fihaviantsika vaovao :-D :-D :-D :-D :-D :-D :-P :-P :-P :-P
17. iartistika ( 04/04/2005 17:15)
afrikanina isika ka! na ny ethiopiana aza tena mitovy tanteraka am gasy mihitsy ny volo-kodiny..
18. majakely ( 04/04/2005 20:27)
Inona daholo ireo mahalanaka be ry Mishou?? :D Marina ny anao afrikanina isika kno! :D
19. fijo ( 05/04/2005 21:25)
io mitovy amin'ny hoe ny turk ve europeana?amiko tsy europeana ireo.dia toa izay koa isika tsy afrikana isika.raha afrikanina isiak tsy nisy io voalaza ery ambony io hoe sekretera panjakana misahana ny raharaha afrikanina SY malagasy..
maninona no navahana hoe sy malagasy raha afrikanina?
mitovy amin'ny hoe inona avy ny laoka ao?dia mamaly ilay mpivarora hoe gana sy gisa.mitovitovy ireo fa ny gana tsy gisa akory e.
20. aristar ( 05/04/2005 22:03)
Ny turc dia sady europeanina sy asiatika ! Porofo ? manjay anjara @ Europa Ligue @ boalina kitra, Eurovision ary ny taniny dia sady misy eto Europe sy any Asie. Ny Israelianina anefa dia manjay anjara @ Eurovision nefa any Asie manontolo ny taniny.
Ary i Dago ? Résidu-ny dérive des continents (Gondwana) entre l'Inde et l'Afrique. Ohatran'i Groenland pravinsin'ny Danemark nefa tsy ao @ ny Union européenne ary akaikin'y Amerika no ny Europa ary ny teny gasy dia ao anatinin'ny groupe malayo-polynésienne (Indonésie, Hawaï, Tahiti, ...) ary tsy misy fandraisana @ teny afrikanina iray. Tsy mitovy @ ethiopiana mihintsy lava tsy dakana nefa ny gasy katika kely. Ny indonesianina ny mitovy kokoa @ ny gasy
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1514