Madagascar, un pays africain

21. Merinaforever ( 06/04/2005 09:53)
-Devant la virulence de la francophonie,qui n'est pas seulement une entité politico-économique mais aussi identitaire,et culturelle.
-Devant le "chauvinisme de proximité et de promiscuité" representé par l'Afrique et la France(Phénomènes de Miss Manja,Malaika etc...allez les bleus!Centre Albert Camus;Juliens Lepers....)
-Devant l'acharnement de l'UA et d'autres entités économico-commerciales à integrer Madagascar (l'Imerina inclus) dans France-Africanité...(entre autre ex monnaie unique avec l'Afrique en 2016)
-Devant la toute puissance de madame "économie" qui ,seule veut faire la loi...(avec une pensée particulière pour nos frères de taiwan)
J'estime qu'il est opportun de tirer la sonnette d'alarme en posant la question fondamentale dans nos pensées:"qui sommes nous fondamentalement?".

Nosantara

Maraina indray ity ny andro,ny hazavana tomaratara.
Mitopy aminao ny fisainako,lavitra anao ry Nosantara.
Indro ilay masoandro mitsidika,vimbinin'ny fotoana.
Avy any antsinanana any,lavitra tsy hita manoloana.

O rey Razako,aiza ianareo,no tsy miteny tsy mivolana?
Sa ny saiko no lasam-borona,maro sento nohon'ny olana!
'Zao ventsoko izao nefa dia ataoko ho fifandraisantsika,
Na dia 'zaho irery aza no mimalo,f'ianareo rehetra tsisy hita.

Mahatsiaro tena angamba aho hatreto,satria toa teritery
Ka iniako alalahana kely indray kosa izato fomba fijery.
Ary inoako fa ny vetsovetsoko izay mipololotra avy ao anaty
Dia tsy ahy irery ihany fa iraisako amin'ny velona sy ny maty.

'Nareo zanan-tany,zana-drano,zana-drazana,tsinjoko eto daholo
Na Antananarivo,na Taipei,na Manille,na Jakarta na Kuala Lumpur.
Ny miaina Ankehitriny,na ireo ho Avy,na Masoandro amam-Bolana
Ireo Havana,Ray sy Reny,Zoky,Zandry,Zanaka ary Zafitsitorana.

Amiko ny lasa,ny ankehitriny sy ny ho avy, iray ihany
Ireo Razako,ireo havako,ireo ho taranako,ny rano sy ny tany
Anjara lovako,tinolo-janahary mba ho tiavina,ho lalaina
Tsy atakalo,tsy amidy,fangao hampalahelo,haningotr'aina.

Merinaforever
22. iartistika ( 06/04/2005 18:16)
madagascar forever 8O
23. fijo ( 06/04/2005 22:06)
ary aiza i gasy for love
24. sonwin ( 07/04/2005 10:27)
merinaforever> tsara ka
25. jhouhlambout ( 07/04/2005 15:18)
26. fijo ( 07/04/2005 21:12)
milay wa io
27. Merinaforever ( 07/04/2005 23:57)
Hoy i herveoulah
amiko koa laoha de afrikanina isika na de tsy manana ny loko koditra toy ny andry zareo aza.
ny zavatra tsapako de ny olona mipetraka any amy côte any amitsika de misy itovizana betsaka amy afrikanina.
ny culture koa de betsaka no itovizatsika aminy.
manana naman afrikanina maro aho de hitako fa betsaka zavatra iombonana isika.
ny nahataitra kely ahy de misy namako Burkinabé , de ny bonjour amitsika gasy manao ahona , de bonjour ko amindry zareo burkinabé manao ahona


Efa novakiako in-droa daholo ireo voalazanareo rehetra ery ambony,hitako fa mitovitovy amin\'ity an\'iHervéoulah ity daholo,ny valinteny.
Io ilay antsoiko hoe \"chauvinisme de proxi et de promiscuité\".
Tsy dia manome tsiny loatra aho satria ny vazah no mametraka izany ao an-dohantsika.Rehefa hoy ny vazaha hoe \"nègre\" ianao dia mino ianao izay fa \"nègre\".Firifiry ny resaka efa henoko,ary mbola ho henoko manao hoe:\"eo anatrehan\'ny vazaha ialahy (na ten\'isany) dia black (na nègre)foana fa mangina ty vava,izay ifankatiavana sy ifanampiana atao fa....\"
Miala tsiny fa izay te ho \"nègre\",na \"black\",na \"afrikanna\" dia atao tsara tso-drano.Soava dia fa ny ahy dia lakan-drano Masombika no vala farany andrefana indrindra amin\'ny tontoloko.Izay mankatoa ny hevitro dia mankatoa,ary aza miteniteny foana intsony satria ny antsika dia tsy \"continent\" no fihaviana fa TANAH-AIR =tanin-drazana.Azavaiko kely io.Mpianakavy daholo ny tanah,tany,tanàna,Antananarivo,Tanaberu,Tanatorajah...Ny AIR(indonesia)no azavaiko :air=rano,toy ny ranomasina.Air putih=rano fotsy (nampangotrahana).Ny razana anefa dia alevina any anaty rano.Ny rano sy ny razana izany dia iray ihany.Izany no nahatonga an\'i Rasoabe sy Rasoamasay (any Ambila) satria nalevina tao ireo olona ireo.Rehefa atao ny kaonty dia ilay \"tanah-air\" n\'ny indonesianna dia \"tanindrazana\" ho antsika.Samy \"patrie\" daholo ny dikany.Izay mila fanazavàna fanampiny dia mbola misy,eo koa ny tahirin-kevitra,eo koa ny kapila raha misy te hianatra bahasa indonesia.
28. sonwin ( 08/04/2005 15:52)
Merinaforever> tohizo ihany fa tena mbola mila fanazavana fanampiny e
29. Merinaforever ( 10/04/2005 11:09)
sonwin:

Merinaforever> tohizo ihany fa tena mbola mila fanazavana fanampiny e
Ankoatr'ireo dia mbola betsaka fa raha tsy miaiky ny fisian'ny "affinité" amin'ireo isika dia efa azo lazaina fa "débousollés".Ary mbola ny teny fotsiny aza ireo fa ny fomba amampanao be dia be ny mitovy.Ohatra fotsiny izay ny resaka ramanenjana.Betsaka na ny zava-dratsy aza,dia sahala tay voritsihy,soa ihany koa fa misy koa ny tsara...

Nenek=neny be---kekek=dada be-tete=>mitete=goutte---darah=>mendarah=saigner---menuantu lakilaki=vinanto lahy---anak lakilaki=zanaka lahy---morah=mora(prix)---bodoh=adala,vendrana---mata=maso---tumbuh=>mitombo(croitre)---bintang=kintana---tahun=taona---karang=vatokarangana=>tanjungkarang(sumatra)=tanjombato(Antananarivo)---jahit=>menjahit=>penjahit=zaitra=manjaitra= mpanjaitra---Bulan=volana---langit=lanitra---mulut=vava---tarik=>metarik=mitarika---Tuak=toaka---tahi=tay---tanah=sol,terre---meminjamkan=preter---meminjam=mindrana---penuh=feno---bulu=volo---kulit=hoditra---minum=minoma(tangena)---memakan=mihinan-kanina---makan=mihinana---makanan=sakafo---buah=fruit---buahnyiu=voanio---sarung tangan=gant---kayu=hazo---mengubah-ubah=miovaova(variation)---nanas=pus---membuat=faire---buat tangan=fait main---tanduk=tandroka---kerang=akorany(coquille)=rumah kerang---burung gagak=goaika---tali=tadi---memasak=mahandro---arang=arina(charbon)---awan=nuage=>berawan=nuageux---tembok=tamboho(murette)---lesu=lesoka(depression)---berbisik=mibitsibitsika---bersumpah=manompa(jurer)....
30. sonwin ( 10/04/2005 12:43)
merinaforever> he he milay ka, austro-nesien: io no anaran'ny famille misy ny teny Malagasy sy ireo nosy voalazanao etsy ambony.Ary any Taiwan any matetika misy ny festival austro-nosien dia mandray anjara sy mahazo fanasana any foana ny Malagasy. Rehefa misy koa anefa ny hetsika afrikanina dia ao ihany koa ra-malagasy. Ny fiteny Malagasy dia marina ny fototra tantarainao miaraka amin'ny ohatra io, fa tsarovy fa ny teny chawili (ts haiko manoratra azy fa io ny fanonona azy), teny avy ao afrika atsinana dia nanana anjara toerana ihany koa teo amin'ny fanadrafetanany teny malagasy , toy izany koa ny teny arabo.Raha atao ny fehiny dia mandray roa ny Malagasy, tsy azo lazaina hoe afrikanina ary tsy azo atao ihany koa hoe austro-nosien..fa dia malagasy , unik au monde!Ny maha-afrikanina na maha-tsy afrikanina dia arakaraky ny lohahevitra resahina: geogarphie ve? culture ve? etc! raha kolo-tsaina manokana dia maro no hitovizantsika amin'ny afrikanina ary maro ihany koa anefa no hitovizantsika avy amin'ireo razambe avy any atsinana. Tokony ho arakao izany fa ianao toa mpandinika sy mahalala ny malagasy raha ny fahitako azy.
31. Merinaforever ( 10/04/2005 19:47)
Mazava tsar amiko ny fanazava-nao ra-sonwin.Fa ny zavatra tsy fantatrao na odianao tsy hita angamba dia ity:be dia be ny teny nindramina na avy amin'ny frantsay na avy amin'ny Angalisa.Raha ny teny Angalisa fotsiny no resahako dia,ao ny Sekoly,ny solaitra ,pensily .....tsy ho ary ho voatanisa mihitsy.Toy izany koa no efa nataon'ny Ntaolo araka ny efa voalazako teo aloha momba an-dRalambo sy ilay teny hoe "Ngaombe" ohatra.Misy izany ny voambolana vaovao misy koa ny tranainy fa ireny rehetra ireny dia nataon'ny Razana sy ny zana-drazana ary isika "moderna" "fanagasiana" daholo(ny fiteny tena tiako dia hoe fanosantarianana).Noho izany dia eo amin'io lafiny io dia minia mijanona ho tantsinanana isika.Tsy hoe be akory ny teny Angalisa ao amin'ny fitenintsika dia tsy ho fantatrareo intsony na Angalisa isika na Merina.Tsy hoe betsaka akory ny shwahili,sy ny Bantoue ary ny teny arabo dia isika avy koa no lasa arabo na Shwahili na Bantoue.Tsia,ninia nijanona tsatsinanana isika.
Ny fiteny fototra:ny voambolana maro sy ny foto-teny maro,ny firafitry ny fiteny dia nijanona ho tatsinanana tanteraka,satria tsotra,tantsinanana isika.Tsy misy mihitsy antony hitenenana na isalasalana ka hanaovana fangalampiery ny amin'izany.Na ny fanontaniana mipetraka eny amboalohany aza dia tsy tokony hiipetraka akory amiko,fa valiako satria matoa io mipetraka dia misy misalasala ny amin'ny mahaizy azy.Misy ny avy any afrika tsy laviko izany,fa raha ry zareo avy any afrika no hahatonga ny sasany ho "déboussollés" dia hoy aho hoe:samia mankamamy ny azy fa ny anay dia tatsinanana.Eny fa na dia ireo tany Afrika atsinanana aza,ka niampita nankaty Madagasikara,inona no antony?=Nandositra ny Bantoue.Resaka kolontsaina?
Naninona koa ny Merina no niala ny sisin-tany?=resaka kolontsaina?Noho izany dia efa resaka efa ela mihitsy ity tsy te « hifangaro » ity.Sanatria tsy hoe tsy fitiavana akory fa toe-panahy fiahiana.Fiahiana ny maha-Nosantara,fiahiana ny mahasamihafa,fiahiana ny kolontsaina isan-karazany,...fa izany fiahiana izany ankehitriny lasa mivadika « gueguerre d"influence » izay itolomako amin’izao fotoana izao.Ny filozofia nolovaina amin’ny vazaha no manova ny toe-tsain’ny maro ankehitriny ary mandrava ny an’ny tena mba idiran’ny azy,ary izany no « risque » lehibe mety hahazo ny tsirairay amintsika indrindra ho an’ireo izay mihosona betsaka amin’ny vazaha.Ny tontolo misy antsika averiko ihany dia tontolo nosantara ary tsy hitako izay maharatsy an’izany ka tokony hanoloana azy ho tontolon’ny Afrika sy ny Eropa.Na dia manakaiky be an’i Afrika aza io tontolo Nosantara io,tsy antony ampy izany hanomezana lanja ny tontolo Afro-eropeen miohatra amin’ny tontolo nentin-drazana.Ary tsy afa –mahaleotena koa io ka atao hoe : « sady tsy asia no afrika »,fa tsy maintsy miraikitra amin’ny tontolony mba tsy ho kamboty ary mba tsy ho raviravizan’ny Vazaha sy ny zana-bazaha.Noho izany=NOSANTARA.
NB:Tsoriko ny ahy,tena maharikoriko ahy mihitsy ny Merina mandray anjara amin'ny miss malaika."Spécifié" tsara mihitsy mantsy fa natao ilay izy ho an'ireo manana trait,na fiaviana Afrikanna.Dia mino aho misy hilaza indray izany fa rasisma.Amiko izany dia resaka hambo nasionaly fotsiny.Raha misy mpikarakara miss Nosantara (tontolo lehibe io)dia tena milay mihitsy.
32. sonwin ( 13/04/2005 16:33)
imerinaforever> manaiky izay voalazanao aho fa izao ange e, malagasy ve no resahintsika eto sa merina fotsiny , izay foko iray ao anatin'ny malagasy?
Tatsinanana , ekena...fa tany daholo ve? jereo fa na isika samy isika aza samihafa!
Ny teny> dynamique io na teny avy aiza ny teny avy aiza..tsy maintsy misy ny fiovana miandalana.
Dia inona tsara hoe ilay hitolomanao ?
33. Merinaforever ( 13/04/2005 22:06)
sonwin:

imerinaforever> manaiky izay voalazanao aho fa izao ange e, malagasy ve no resahintsika eto sa merina fotsiny , izay foko iray ao anatin'ny malagasy?
Tena tsar petraka mihitsy ity fanontaniana iray ity:ny resahako aloha dia ny Merina satria Merina aho,moa fahotana va izany?Manaraka izay,rah miresaka ny Merina aho dia tokony hahay hanaja ny anaram-pokon'ny hafa toy ny itiavako ny hanajana ny ahy.Raha Malagasy nefa no resahana dia voasarona avokoa izany rehetra izany ary tsy voahaja.Aiza no ahafahantsika mianatra mifanaja raha ny fanononana ny anaram-poko aza atao fady sy atao mahamenatra,ary indrindra endrikendrehina ho mpampisara-bazana sy fandrannitana ady????Noho izany dia mahafaly ahy loatra ny Betsileo raha mitonona ho Betsileo,ny Mahafaly ho Mahafaly,sns sns.
Tatsinanana , ekena...fa tany daholo ve? jereo fa na isika samy isika aza samihafa!
Tsy aretina ny fifahasamihafana,ary tsy henatra sanatria ny fihaviana.Ny zava-dehibe dia ny hisian'ny "rehareha" (lafiny tsara)na avy aiza ianao na avy aiza.Ny tena olana dia ny fieritreretana fa fanambaniana ny hafa ny fanasiana lanjany ny an'ny tena,na ny "inverse".Io no fototry ny olana ka mahatonga ny tsy fifankazahoana am-po ka manjary itediavana vahaolana ka ananana "reflexe" hanototra izay heverina ho hantsana.Resaka lalim-paka be ilay resaka.
Ka eo aho no tsy Dakaoro.Amiko ,na avy atsy Afrika ianao,na avy any Azia,dia samy tokony hirehareha amin'ny anao.Ny tena mahatsiravina ahy dia ry zareo eritreretiko ho "fièrs" amin'ny mahatatsinanana azy,mandefa resaka "feinte" hoe Afrikanna isika ê!Ary ry zareo mpiavy avy atsy Afrika,izay tokony ho "fiers" amin'ny maha Afrikanna azy,manjary manana complexe satria efa navesatra loatra ny fanindrahindrana ny mahafotsy..Izany toe-javatra izany no tokony hahamenatra indrindra.Ka ny kolo nentin'ny vazaha no tena nahatonga an'io aloha fa tsorina.
Ny ankabeazan'ny "Malagasy" kosa anefa dia tatsinanana,ary ny tenako dia maniry ny hireharehan'i Madagasikara amin'ny akapobeny amin'ny mahatatsinanana azy.
Ny teny> dynamique io na teny avy aiza ny teny avy aiza..tsy maintsy misy ny fiovana miandalana.
Ka io no loza indrindra fa tsy maintsy mihosona amin'ny Vazaha sy Afrika isika eo amin'nyara-toe-karena.Noho izany tokony ho mailo.Ny dynamisme dia misy fa tsara ny fitenintsika raha misedra izany dynamisme izany amin'ny fiteny "rahavaviny",izay efa niarahany niaina tany aloha?Zary kamboty izy ankehitriny,ka tokony ahena ny "grand ecart".
Dia inona tsara hoe ilay hitolomanao ?
Dia izany anisan'ny itolomako daholo,ary izany dia hita taratra ihany koa eo amin'ny tononkalo izay alefako.jereo ny takelaka mifanandrify amin'io
34. dily ( 11/05/2005 13:21)
sady afrikanina isika no indianina
35. Veloo ( 13/05/2005 21:08)
Za kosa tsy africana no tsy indianina kle - jereo ity fa io no tena marina
:wink:
Mpandefa : rinah [ Valio ] 03-04-2005 02:34:08
Lohateny : Re : Madagascar, un pays africain
Madagascar est géographiquement situé avec l'afrique mais nous ne sommes nullement africain! Si vous aviez bien étudié votre géographie et l'histoire, avant le big bang, Madagascar a été rattaché avec l'afrique et l'asie! Nos orgines morphologiques sont plutôt asiatique et ceux de nos côtes, africaines
36. Merinaforever ( 16/05/2005 22:37)
http://www.lexpressmada.com/article.php?id=32097&r=2&d=2005-05-14
Adikao dia apetao io rohy io dia ataovy fanadihadiana ny lahantsoratra ho an'izay miteny vazaha.Ataoko fa tsara ho hitan'ny maro mihitsy ny hevitra raiketiny.Dia aoka isika mianakavy mba ho samy hifaly fa zara nomen'ny avo antsika ny maha nosy ny tany onenantsika.Dia samy ho ela velona ny foko isan'isany avy. :)
37. fijo ( 20/05/2005 04:53)
izay izany e
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6573