fa maninona kay

1. routa ( 30/03/2005 12:19)
mba mandehandeha tokoa aho an-trano ary tspako fa tena miasa daholo ny vatako rehetra nefa tahaka ny tsy ampy sport zany ny tenako
2. cheboman ( 31/03/2005 09:34)
firy m2 ny tranon'ise aloha e? lavany , sakany? de impiry miodina isan'andro ijerena we nahavita firy km
3. routa ( 31/03/2005 11:21)
ataoko ahooooana aaary ny handrefy ny tranoko sy hameeetatra ny fivezivezeko ao tsy ho ataon ny ankizy fa nagnino no de nivezivezy ra mama?
lehibe hiany ny trano fa tsy azo atao hoe kely de manomboka @ 8 maraina manao raharaha ka hatramin ny 12 atoandro vao vita, gaigy be eeee!fa zao e ny ao andakokozy no ijoroako ela be fa miodikodina kely hiany koa an! .de ny ariva mba mitsotsotra kely, mipasoka mitsangana daholo zany
4. majakely ( 31/03/2005 13:40)
De tsy aleo ve akia mba mivoaka kely eny ivelany, mba mitsangatsanganakely toy izay ao an-trano foana ? fa hafa ihany anie ny mitsangatsangana à l'air libre eh ! eny fa na dia une demie heure fotsiny aza izany ! :)
5. routa ( 01/04/2005 14:31)
ory cheboman: aiza no aharefesako ny tranonay ary ahoana no ahisako ny fiodikodinako eo?????

majakely mety ho vahaolana koa alou zay e! nde hivoaka kely ndray aho ho jereko
de misaotra ny namaly e!
6. mandrindra ( 01/04/2005 14:36)
routa :"nde hivoaka kely ndray "
tandremo sao mipiriritra an :-D :-D
7. kally ( 01/04/2005 16:55)
routa> azo refesina tsara ny trano kah! ny tranoko izao fantatro tsara ny refiny :D

Fa maninona tsara aloha i Routa e! sempotsempotra tsy mahazo aina sa ahoana no mahatonga anao milaza hoe tsy ampy sport?
8. iartistika ( 01/04/2005 17:19)
sport mafy koa sa sport malefaka no tsy ampy?
9. routa ( 03/04/2005 14:52)
mandrindra>hivoka ny trano hitsangatsangana fa tsy hivoaka any @wc akory an :-D :-D

kaly> otrany fanina sy sempotra tsy ampy rivotra angamba de ny hatoko marary fona .ny ranjoko ny
sandriko koa.
iartistika> fa ahoana aloha ny mafy ,ahoana ny malefaka tsy azoko .

ny fahatsapako azy mila mandeha2 otrany manao la marche angamba.
sa ahoana ny mety?
10. kally ( 03/04/2005 17:54)
routa> Tsy te-hampitahotra anao aho fa ny tsara aminao dia MIJERY DOKOTERA haingana, milaza tsy fahasalaman'ny fo na ny lalandrà mantsy izany hatoka sy sandry marary amin'izao fotsiny izany.Haingana dia haingana ianao mankany @ dokotera.
11. routa ( 04/04/2005 17:07)
ay zanyan!
misaotra ry reto a! zany mihitsy angamba ka!
12. iartistika ( 05/04/2005 16:28)
de mirary fahasalamana eh!!
13. routa ( 06/04/2005 12:26)
misaotra eh!!
14. iartistika ( 06/04/2005 18:23)
tsy misy fsôlana...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2891