RNS : Nanahoana ihany?

1. hery ( 29/03/2005 10:37)
Dia miandry ny tatitra avy aminareo izay nanatrika ny RNS tany vichy indray ary izahay e.
novalian'i fijo ny 26/04/2005 21:36
2. welie ( 29/03/2005 16:02)
slt hery...
Nafinaritra ny tany na dia somary nisy orana kely fona aza... Nisy namana vitsivitsy hitako tany... Au fait, ilay fotona teo @ McDo tsy raikitra satria ilay McDo aza may kou!... Fa sou fa nisy namana nahafantatra ahy dé izy no niantso hihihih....
3. sipagasy ( 29/03/2005 17:52)
Faly miarahaba antsika rehetra indray e!

NY zava niseho nandritry ny RNS tany Vichy aloha dia nahafa-po ihany na dia tsy dia izay loatra aza no nieritreretina azy e!, nanantena mantsy ny tenanay ny mba hahita namana maro avy ato @ serasera.org, nefa dia indrisy fa dia ankavitsiana ihany no hita e!
Azaka ny voalazan'ny namana Welie io moa izay dia tsy nisy ny fihaonana tao @ Mc Do nohon'ny antony tsy miankina aminay e! fa na dia izany kosa aza dia niezaka ny nitety ny kianja isan-karazany ihany aho niaraka t@ ilay "sac au dos" misy ny soratra hoe "serasera.org" fa dia vitsy no nanantona ahy e!naheno kosa anefa aho ny ankamaroany dia nahita fa saingy tsy sahy nanantona fa dia nitakoritsika ny hoe "iny izany ilay sipagasy..."(mba tiako ho fantatra kosa ny antony e! hihihi) sa kosa ary ve dia tena hoe namana virtoaly no tena ifanaovantsika eto???
Ny namana nifanena tamiko tany izany dia : kanto, ds, dagoless, welie,fijo, la_douce, riffeur, swp,ny namana ralay kosa dia tazako ihany alavitra fa noho ny antony arak'asa indray dia tsy afaka ny nifampiresaka izahay.
Nahafinaritra ny nametraka endrika teo @ ireo solonanarana tsirairay avy ireo .
Izay angamba aloha no azoko hanbara fa dia ny manetsa be mbola ho avy e! :-*
4. hery ( 29/03/2005 20:50)
sipagasy> ianareo no isaorana nijoro tany e.

Mahagaga koa ilay hoe "iny izany ilay sipa gasy"... dia aleo hijanona virtoaly izay virtoaly fa ze efa manomboka mivoaka ny virtoaly dia mbola hifankahita indray amin'ny manaraka e.
Amin'ny été izany dia hisy hiteny hoe "iny izany ilay hery" :-) tonga dia jereo dieny izao ny sariko fa sao diso fanantenana... zah le bandy gasy donto indrindra :-)
5. fijo ( 29/03/2005 21:43)
salit aby e,
ny tany amin'ny kanety be dia tsy nilay fa tsy tonga ny namako fa nisy mariazy tsimaintsy nalehany.diananao ekipa hafa aho,saingy hadinoko ny nanova ny ora ka dia raikitory koa aho dia natao resy ny ekipanay.hi hi hi
ny andro tsara nohon'ny tamin'ny herintaona.
dia tonga tamin'ilay fotoana tokoa moa ny tena fa te ahita ny namana.ary gaga aho fa kay tsy nisokatra le Mc do nanaovana fotoana.dia lasa aho nitady tany amin'ny baskety sy ny efitra fandraisana,satria tao no be olona fa dia i sipagasy irery no hitako.
somary vitsy olona noho ny tamin'ny herintaona le izy.ny baskety ihany no tena nilay sy ny volley.
ny ahy moa dia ny ahita olona koa no tiako e.nefa asa lavitra loatra ny toerana ka niha kamo ny olona
6. yonikafopl ( 29/03/2005 21:57)
sipagasy hihih njy aza zany mbo efa nahita reo olona 9 reo, za mbola vo 1 no hitako hihihihih, hivavaka amin-janahary mba ho afaka am ete de mahita betsabetsaka de hahita an ilay hery hihihihih
7. Ralay ( 30/03/2005 09:08)
Salut daholo indray ary vitasoa ny paka daholo.
Araky ny efa voalazan'ny namana hafa moa dia toa io ny fizotran'ilay fety tany Vichy. Ny tenanay moa dia tsy nahita na namana iray aza fa mety ny namana no nahita ahy fa tsy nisy nanantona nohon'ny fahasahiranako t@ fikarakarana ny lalao angamba ka tsy te hanelingelina.Niezaka nandeha tany @ McDo ihany koa aho na dia efa tara² aza kanjo moa dia niveri-maina fa nihidy ilay izy :lol: Dia isaorana ireo izay nifankahita izany fa dia mbola ho be ny ho sisa e.
ralay
8. rvoulah ( 30/03/2005 11:08)
zay tsy naharaka fa misy inona @ été ?
9. welie ( 30/03/2005 12:09)
ny ahy indray ny namana hitako tany dia i sipagasy sy jonathan_ ary setounet irery ihany...
I Riffeur koa hitako fa tsy nanatonako aloha e! Tsy hoe niavona zà an! Fa.. efa hainy ny antony hihihi...

Fa i sipagasy dia nampalahelko mihitsy miaraka @ le sac à dos transparent misy soratra hoe serasera.org iny....
Au fait, soa aloha fa nantsoinareo za sipagasy sy swp fa tena tsy tazako nareo... sady vao tonga kou zay t@ iny...

Nisy namana mba tiako nojerena sy notadiaviko kou saingy indrisy tsy tazako...
10. welie ( 30/03/2005 16:17)
Mba tiako soratane eto fotsiny ity zavatra ity an: Zà nefa tany nandray tànana star aaaaaa!!! :-P sipagasy, swp, Riffeur> hihihihihihi.....
11. sonwin ( 30/03/2005 20:56)
za tany notsokan'ny olona fa hoe be loha be mihitsy
12. fijo ( 30/03/2005 22:18)
za nitady an'i welie sy ladouce fa tsy hita e.i mumu de mon (l) moa dia tsy tany
13. chipie1 ( 31/03/2005 10:40)
hihihi sonwin :{
14. sipagasy ( 31/03/2005 11:13)
??? be loha ahoana izany ry sonwin??? hihihih misy tsy mazava ao??? :roll:
15. welie ( 31/03/2005 12:03)
sonwin> Za mintsy no nitsoka anlà voalohany tao anie leisy e! Gaga daholo ny olona hoe \"Fa angaha ry reto carnaval izy ity a? Toa manao masque manko io bandy io\" hozy zareo... hihihi....

fijo> zà nitady an\'i la_docue kou fa indrisy....
16. fijo ( 01/04/2005 21:01)
eeeee de tsy itako nama ianareo le
17. welie ( 04/04/2005 11:25)
fijo> hita wa! Any @ Tana In Love njay mifanena e! Dia tandremo miafina an! hihi....
18. sipagasy ( 04/04/2005 16:44)
aiza ny hifankahitana ao?? injinja fa any Paris????? mmmhhhh aleo tsy miteny.........ny efa mifankahalala ihany no hiaraka ao fa ny tsy mbola hay hahagaga ahy raha hanantona ??? mety ho diso koa anefa aho!!!
19. fijo ( 05/04/2005 20:43)
any paris kosa ve retsy.tsssss tsy hafaka hoany aho e.lavitra be any
20. Oully ( 05/04/2005 20:56)
Sarotra ny hametraka hafatra eto taorian'izay RNS izay: Fifonana no voalohanteny, tampoka tsy maha ... hoy ny Ntaolo ka sembana ny dia!
Mankasitraka ireo izay tonga, sy midera eram-po eran-tsaina. Bizz sipagasy! kanto, ds, dagoless, welie,fijo, la_douce, riffeur, swp,ny namana ralay
Ny manetsabe mbola ho avy! ...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3975