Namana version 2.0 (beta)

1. hery ( 25/03/2005 21:57)
Efa mivoaka sy azo andramana tsara ary izao ny site Namana Tao 2.0 Beta (Version 2.0 beta) Antsoina hoe Beta satria mbola tsy vita tanteraka kanefa efa azon\'ny daholobe andramana ( http://en.wikipedia.org/wiki/Development_stage ny fanazavana momba ny beta release)


Aiza no ahitana azy?

Inona avy ny zava-baovao?

Amin'ny ankapobeny

  • Novaina ny endriny ety ivelany izay mbola hatsaraina.
  • Nohafainganina ny takelaka. Hitanareo ery ambany ery ny hafainganany.
  • Tsy mampiditra tenimiafina isaky ny miova takelaka intsony.

Momba ny hafatra

  • Natao ho mora jerena ny lisitry ny hafatra voaray ary azo fidiana ny lisitra hojerena
  • Ny famakiana hafatra dia tsy misokatra varavarankely hafa intsony fa nohamoraina kosa. Rehefa mamaky hafatra ianao dia tsy miala eo ambany ny lisitry ny hafatra voaray ka tsy voatery manindry bokotra hafa
  • Toa izany koa ny famaliana hafatra. Tonga dia mipetraka eo ambanin'ny hafatra ny toerana famaliana azy.
  • Azo atao amin'izao fotoana izao ny manoratra ho an'ny namana maro. Asio faingo fotsiny manelanelana ny solonanarana tianao handefasana hafatra mitovy.

Momba ny sary

  • Tsy noferana intsony ny isan'ny sarin'ny namana azony apetraka. Marihana anefa fa hiha matotra kokoa ny sivana ho an'ireo izay mametraka sary tsy ara-dalàna.
  • Napetraka eo akaikin'ny mombamomba ny namana ny sariny. Marihana fa raha sary nataony ho an'ny namany manokana dia ny namany ihany no hahita azy.
  • Napetraka eo amin'ny pejy fandraisana ny boaty misy hoe sary notsongaina. Io dia miova isaky ny 15 minitra ka mitsabo sary iray ao amin'ny sarin'ny namana... ankoatran'ny sary natokany ho an'ny namany ihany.

Momba ny biz'oroka

  • Naverina indray ilay fomba fampitomboana tahiry biz'oroka izay tsy nandeha teo aloha teo. Mandehana ao amin'ny Biz'oroka - Hampitombo tahiry (30/03/2005 12:32)

Ny zavatra mbola hatao?

  • Ho afaka mandefa tovana (pièce jointe) toy ny sary na tahirinkevitra (documents) miaraka amin'ny hafatra ho an'ny namana
  • Azo ho sokajiana ny namana manokana (namana bebe kokoa, namana tsotra, namana tsy foy sns)


Nahitsin'i hery
novalian'i Revimanja ny 13/09/2005 17:46
2. pissoa ( 26/03/2005 09:03)
Milay an! :o :idea:
3. hery ( 26/03/2005 15:27)
Tss lagy be zah mitady couleurs :-)
4. iartistika ( 27/03/2005 11:38)
Salut hery!tsara le fanovana fa le loko mazava be loatra ka mankarary maso
5. hery ( 27/03/2005 21:22)
Mitady loko 4 indray e :-)
6. hery ( 27/03/2005 21:59)
:-)

Kay moa misy namana atao hoe beta ato...
7. felicia ( 27/03/2005 23:07)
:D bello
8. jerico ( 28/03/2005 12:13)
OK ra hery an!!!misaotra,fa de ny vadika ny lohanay,ary noheveriko fa ny net-nay no misy blem,kay ve niove eeee!!!!!merci
9. iartistika ( 28/03/2005 15:35)
Zay vao vao ao tsara ny loko! marevaka tsara..
10. David ( 28/03/2005 16:29)
Aleo hilamina am'zao ny couleur f'aza ovana zany ntsony f'io no milay e
11. jarry ( 29/03/2005 17:42)
slt hery! milay eeehhh!manavao fotsiny eh!
12. eh ( 30/03/2005 06:37)
:D rehefa misy fanatsarana dia fandrosoana izay,tohizo
13. soikel ( 30/03/2005 08:05)
:-D aiza ny chat fa tena mbola tsy hitako kay azafady
14. hery ( 30/03/2005 09:46)
chat = karajia, Jereo ery ambony havia ery.
15. routa ( 30/03/2005 11:09)
tena mahafinaritra ny fivoaran ny sera2 misaotra izay tomponandraikitra rehetra mihitsy =D>
16. bonaka ( 31/03/2005 04:14)
slt Hery,misaotra fa tena afapo daholo ny namana jiaby :*
17. rasl95 ( 31/03/2005 09:28)
dia misaotra an'i Hery ny tenanay amin'ny nanaovany inty namana version 2.0(beta) inty dia mirary soa sy fahombiazana amin'izay zavatra mbola ho eritreretinao atao izahay e!!
18. xxx ( 31/03/2005 09:45)
slt! efa eo @ ny resaka eritreretina ihany, maninona raha asiana site-na lalao @ izay eto @ ny namana beta ity eh! aiza ve rangaha de handeha @ ny site vazaha foana.
Fa manja aloha ny fivoarana kah! tsara fa tohizo ô!
misaotra ny tompon'andraikitra. 8)
19. hery ( 31/03/2005 10:48)
xxx> ohatry ny ahoana izany site-na lalao izany? Azo atao tsara kah. fa omeo ohatra. Dia raha misy afaka manampy amin'izany koa dia vao mainka tsara.
20. iartistika ( 31/03/2005 17:24)
ary maninona kay no toa tsy tafiditra ary am le fandefasana hafatra mihitsy fa misy soratra foana hoe ampidiro ny solon\'anarana ,de ampidirina de ny eo ihany no eo..
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6734