vahiny karamaina amina miliara?

1. milliara ( 22/03/2005 23:04)
gazety:
Tena tsy misy Malagasy mahavita ny asa nampiantsorohana an’ireo vahiny ao amin’ny Lufthansa Consulting nampitantanina ny Air Madagascar ve eto amintsika? Ny iray amin’izy ireo ihany mantsy dia efa karamaina maherin’ny 1.000 tapitrisa ia (1 Miliara fmg) isam-bolana. Toraka izany koa na ireo mpampianatra vahiny mamita asa fampianarana eny amin’ny Oniversitre aza dia mandray karama avo telo heny amin’ny raisin’ny mpampianatra Malagasy mitovy lenta aminy.


karaman'olona iray amin-dry zalahy amam-bolana fotsiny izany ny budget omena ny ministera sasany? tsy mahagaga raha tadiavin'ny mpamatsy vola hakatona ny université
2. milliara ( 22/03/2005 23:05)
mahantra ianao ry taniko,... satria ampahantraina
3. Tanala ( 23/03/2005 11:39)
Marina mihitsy le teninao io ry Milliara saingy tsy ampy kely fotsiny nampahantraina.
Raha miteny mantsy enao hoa ampahantraina de toa midika nanakareny izy taloha.
Mahazava ilay hevitra ery ambony angamba koa io. Ny ahy aloha de aleko mahita vaza karamaina milliard toa izay mahita gasy karamaina million de mangalatra milliard.
Misy tokoa ny gasy afaka mintatana,
fa ty ny fanontaniko, naninona ny gasy no tsy nahavita Jeans raha tsy nisy ny zone franche. Naninona ireo orin'asa gasy no votery namidy.
Aza gaga enao fa mbola ho votery hanakarama ministra vaza tsika atsy ho atsy. Ra tsy efa manakarama.
Nohon'ny tsy fahaizan'ny gasy miray hina sy miray saina mba handroso hatramin'ny fanjanahatany ka hatramin'izao sika miteny zao de ny vaza (BM) no mametra ny karamatsika.
4. cheboman ( 23/03/2005 12:34)
marina ny anao ry tanala, tsy efa gasy fona tokoa ve moa no nitantana tao amin'ny air mad hatrizay, faty antoka sy trosa marivo tototra nefa toa mba feno fona ihany ny fiaramanidina ...
5. dadabe ( 23/03/2005 17:28)
indrisy mantsy :(
6. Veloo ( 23/03/2005 19:53)
Ny tena zavatra mampalahelo anie dia ny gasy miady seza fotsiny no ataony e tsy mba mifanampy. Tsy omeko tsiny mihitsy raha olona avy any ivelany tsy mahalala ny ao no ampidirina. Tsy tokony ho tezitra isika fa tokony hieritreritra mihitsy ... Lasa aiza kay ilay fiononana be taloha antsika ireny e? Tena simba mihitsy aloha i Dago hatramin;izay Ratsiraka tao zay e tena nolotoiny mihitsy ny fisainan'ny gasy. Mahantra ny tena ka tsy maintsy mitady izay mba ampivelona... Mbola hiverina ve ilay firaisan-tsaina? eeee enganie... Andriamanitra mahafantatra ary mahita ny Gasy izay tena olona hafa mihitsy par rapport an'ny olona rehetra eto an-tany...
7. vetsoko ( 24/03/2005 17:03)
Marina izany
tsy nety ny nataon-dratsiraka,aoka tsy hisy handà
Tsy mahomby ra8,aoka ho ekena fa réalité
8. Veloo ( 24/03/2005 17:20)
Vetsoko a marina ny anao...
Tsy mora2 anie ny mitondra fanjakana e mora2 amin-tsika ny mamely an'izay eo @ fitondrana, fa raha tena dinihana indrindra fa Dago varolava amantonany tsy mora2 ny manakatra an'io an. Ny zavatra azontsika atao dia ny mi-comprendre ny fitondrana ary mba patient ko. Tssssss tsy i Pierrot mihitsy no hanala ny olana eo an... Angamba dia ho pira noho i ratsika ny fiainan'ny gasy. Tokony eritreritra am-pahendrena ny gasy ary mivavaka @ Andriamanitra mihitsy.
9. fijo ( 24/03/2005 22:07)
marina le fanontaniana sady mampalahelo.
10. lantokely ( 25/03/2005 08:41)
misy marina daholo ireo lazainareo ireo raha ny fahitako azy.
misy koa ilay hoe tia manohitra fotsiny nefa tsy sahy mandray anjara satria matahotra ny toherin'olona. tsy izany mantsy fa somary ohatra ny mora tohina isika raha amin'ny ankapobeny.
misy koa ilay toe-tsaina hoe : rehefa vazaha ny eo dia mandeha foana, satria toa tsy sahy manohitra vazaha angamba ny ankamaroantsika gasy.
11. Veloo ( 25/03/2005 18:27)
:?:
12. iza ( 26/03/2005 17:54)
Mampalahelo ihany raha isany ny manaiky an'izany ianareo.Marina fa betska ny zavatra tsy nety nataon'ny malagasy vitsy teo amin'ny toerany kanefa tsy izany mihintsy no antony hanekena an'izany karama be ho an'ny vahiny izany, be dia be ireo malagasy mahavita azy ary tsy mpagalatra daholo akory.Fa sao dia ilay karama kely kosa aza no nahatonga an'izany. Homeo karama kely koa ange ireo vahiny ireo dia ho hitanareo ny zavatra ataony.Ary mba homeo karama metimety fotsiny ny malagasy dia ho hitanareo koa fa mahavita avo lavitra no ny vahiny.Malagasy ihany ny tena fa aza dia manao tohizany.Raha ny mpitondra no tsy mahatoky malagasy tahakan'izany dia tokony hiala eo amin'ny toerany izy.Raha aty France ve no misy tahak'izao dia ho vita mora.Mba manàna ny mahizy antsika ry ireto, ary tokony mba hijery ny ho avy, sao dia ho vahiny daholo no hanjaka ao Dago ao rahampitso.
13. Veloo ( 28/03/2005 15:56)
Iza, marina dia marina ny lazainao ary betsaka mihitsy ny gasy mahay. Ny gasy dia manana fahaizana tena mihoatran'ny pays du tiers monde mihitsy. nefa Amin'izao fiainana ankehitriny ihaina-tsika izao dia mety (hoy aho an) sarotra ny ahita olona azo atokisana. Betsaka loatra ny fitiavam-bola. Ny zavatra mba azon-tsika atao ry ireto dia ny mivavaka @ Andriamanitra mba hanolo-tsaina an'ilay prezident-tsika ... Izay sisa no itako azo ataon-tsika.
:lol:
14. iza ( 28/03/2005 18:13)
Tsy dia manaiky an'izany loatra aho, amiko dia mbola be dia be ny malagasy azo hatokisana ary mendrika an'izany.Raha arakin'ny teninao ry veloo dia toa hoe ny filoha irery ihany no marina any Madagascar, tena mampalahelo mihintsy izany, moa avy aiza kay ireo hareny ireo?, ary mba fantatrao ve ny impot nalohany ho an'ny Madagascar? raha ohatra ka tena olona marina ny filoha fa arakin'ny feo manko dia mahatratra 750 millions de dollar ny tombampanany , ary toa izy mihintsy aza hono no niteny an'izany.Raha marina izany dia tokony ho 30%( izany hoe mihoatra ny 200 million de dollar) noho nahalohany ho an'ny impot revenu na société,ary tsara raha mba hasehony ny malagasy izany.Manarak'izany , raha ny teninao ry veloo dia ny asa ilaina fatokisana rehetra izany dia tokony homena ny vahiny daholo? fa sao dia allemand kosa aza ianao io fa mahay miteny malagasy fotsiny , sa natao hiaro ny tsy mety fa mahalasa eritreritra ihany.
15. Tanala ( 28/03/2005 20:06)
Hiarantsika malala fa mahay hono ny gasy 45 taona izy no nahaleo tena naleviny taiza ny fahaizany sa nampiasany t@ inona? Hiaran'izao tontolo zao malala fa isan'ny firenena mahantra indrindra ny gasy. 60% ny olona tsy mahay mamaky teny sy manoratra. 55 taona ny hakamarony gasy de maty.
16. Veloo ( 28/03/2005 20:47)
iza,

manaiky ny teninao aho. An3 kosa za tsy maka tokona n'iza na iza an...Ilay prezy matoa tsy naka gasy mety efa lao izy satria tsy nisy azo nantokisana... je me base du fait anie ry iza e.... Mandana lazao an'ny prezy ny hevitrao rehefa izay no mety... izy no mahafantatra ny zavatra mitranga ao... Za tsy nilaza oe olona marina, misy antony izy matoa manao an'io ary tsy fantatro zany, za tsy ao @ gouvernement. Za gasy petaka ka

tanala: "Hiarantsika malala fa mahay hono ny gasy 45 taona izy no nahaleo tena naleviny taiza ny fahaizany sa nampiasany t@ inona? Hiaran'izao tontolo zao malala fa isan'ny firenena mahantra indrindra ny gasy. 60% ny olona tsy mahay mamaky teny sy manoratra. 55 taona ny hakamarony gasy de maty." mandana anontanio i ratsiraka
:lol:
17. haingo23 ( 31/03/2005 10:53)
Ho lany rora eo sy ho vaky saina eo ianareo. Na ho iza na ho iza no ho eo dia mbola io foana ny zavamisy. Efa novain'ilay raikalahy taloha ny toetsaina malagasy. Mbola sarotra ny manova izany
18. mandrindra ( 31/03/2005 13:55)
Haingo23, dia hionona amin'izao izany ?
19. Veloo ( 31/03/2005 16:43)
Misy marina ny ny tenin'ny Haingo23 an, nefa kosa marina ny lazain'i mandrindra. Mila manao ideologie vao2 ndray ny pitondra (izay hanao ny marina an)(tsy midika oe io ao io an) mba hampiverina ny fisainan'ny vahoaka kanefa zavatra tena SAROTRA be zany. :lol:
20. Tanala ( 31/03/2005 20:12)
Ity SAROTRA be ty no tena miteraka ny olana @zao anie, toa mitaraina tana-mihepaka daholo ny gasy.
Hampandroso ny firenena ve de sarotra no ny naka fahaleovan-tena, lefona miady amam-basy.
Toa manao tsinotsinona reo mahery fo tokoa anie ny sasany amin\'izao, mitady nationalité frantsay, mitady izay hitsohahana adidy. Ra samy mandalo 2 taona sy 1/2 manompo firenena toa n\'Ingahy Zazah Ramandimbiarison ny 1x1 ve maty atoka be?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.56